2009
Fitahiana avy amin’ny Tempoly
Ôktôbra 2009


Fitahiana avy amin’ny Tempoly

Avy tamin’ny lahateny natao nandritry ny fivoriam-bavaka tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 15 Nôvambra 2005. Raha te-hijery ny lahateny feno amin’ny teny Anglisy dia mandehana ao amin’ny http://speeches.byu.edu.

Trano masina ny tempoly, toerana masina iray izay hanaovana fombafomba sy ôrdônansin’ny famonjena mba hiomanantsika amin’ny fisandratana.

Sary
Elder Robert D. Hales

Ny fitahiana avy amin’ny fanafiana atao ao amin’ny tempoly dia manan-danja ho antsika tsirairay, toy ny batisantsika ihany. Noho izany antony izany no tsy maintsy hiomanantsika mba ahafahantsika ho madio raha hiditra ao amin’ny tempolin’Andriamanitra.

Ny fahafahana miditra ny tempoly sy mandray eo amintsika ny fanekempihavanana masina ao anatin’izany dia fitahiana iray lehibe natao ho antsika eto amin’ity fiainana mety maty ity. Avy eo, aorian’ny nandraisantsika eo amintsika ireo fanekempihavanana ireo, ny fankatoavantsika amin’ny alalan’ny fiainana izany isan’andro dia maneho ny finoantsika, ny fitiavana, ary ny fanoloran-tena ara-panahy ananantsika mba hanaja ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Ny fankatoavantsika koa dia manomana antsika hiaina hiaraka amin’Izy Ireo any amin’ny mandrakizay. Ny ôrdônansin’ny famonjena atao any amin’ny tempoly dia manana ny lanjany lehibe—ary tena ivon’ny—drafitry ny fahasambarana mandrakizay.

Ny Fotopampianaran’ny Tempoly

Ny tempoly dia tena toerana izay hahatsapana fa ianao dia “eto amin’izao tontolo izao fa tsy an’izao tontolo izao.” Rehefa manan-java-manahirana ianao ary mila mandray fanapahan-kevitra lehibe izay manahirana ny sainao sy ny fanahinao dia afaka mitondra izany ahiahy izany any amin’ny tempoly ianao mba handraisanao fitarihana ara-panahy.

Mila manana fijoroana ho vavolombelona sy mahatsapa fanajana ny tempoly isika amin’ny maha-tranon’ny Tompo azy. Mba hitandrovana ny fahamasinan’ny tempoly sy hanasana ny Fanahy Masina mba hitahiana ireo izay miditra ny tempoly masina handray ny ôrdônansy sy fanekempihavanana ho an’ny tenany dia nampianarina isika fa tsy misy zavatra tsy madio afaka ny hiditra ny tempoly. Ny fanehoana fanajana ao amin’ny tempoly dia singa manan-danja iray entina hanasana ny Fanahy mba hitoetra tsy tapaka ao isan’andro sy isan’ora.

Fony aho mbola zazalahikely dia nentin’ny raiko avy tany Long Island, New York, mba handehandeha eo amin’ny faritry ny Tempolin’i Salt Lake, hikasika ny tempoly, ary hiresadresaka ny maha-zava-dehibe ny tempoly eo amin’ny fiainako. Tamin’izany fotoana izany no nanapahako hevitra fa indray andro any aho dia hiverina mba handray ny ôrdônansin’ny tempoly.

Nandritry ny tantaran’ny zanak’olombelona, isaky ny fotoampitantanana dia nodidian’ny Tompo ny mpaminany mba hanangana tempoly mba hahafahan’ny olony handray ny ôrdônansin’ny tempoly. I Mosesy sy ny Isiraelita dia voatahy tamin’ny tempoly azo lanjaina, ny taberinakely, izay nanatanterahana ny ôrdônansy masina teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy—ary toerana izay niresahan’ny Tompo tamin’i Mosesy indraindray. Nanangana tempoly mahafinaritra tao Jerosalema ny Mpanjaka Solomona izay rava taty aoriana. Avy eo, nandritry ny fotoana nanompoan’i Kristy, dia nisy tempoly hafa iray natsangana.

Nianarantsika avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna fa nanangana tempoly i Nefia “araka ny fomba nananganana ny tempolin’i Solomona” (2 Nefia 5:16). Nampianatra ny olona teo amin’ny tempoly ireo mpaminany Nefita hafa, isan’izany Jakôba sy ny Mpanjaka Benjamina (jereo Jakôba 1:17; Môsià 1:18).

Tsy latsa-danja amin’izany koa, rehefa niseho tamin’ireo Nefita tamin’ny taona 34 taorian’ny J.K i Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty, dia tonga teo amin’ny tempoly Izy (jereo 3 Nefia 11:1–11).

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy ho voatsangana amin’ny endriny feno sy araka ny lamina ny Fiangonana, ary tsy ho izany mihitsy raha tsy efa vita tanteraka ny Tempoly, izay toerana hahafahana manatanteraka ny ôrdônansin’ny Fisoronana.”1

Ny Tempolin’i Kirtland no tempoly voalohany tamin’ity andro farany ity ary nanana ny anjara toerany lehibe teo amin’ny famerenana ny fanalahidin’ny fisoronana. Vokatry ny vavaka nataon’i Joseph Smith dia notsidihan’i Jesoa tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy tamin’ny 3 Aprily 1836 (jereo F&F 110). Niseho tamim-boninahitra ny Mpamonjy ary nankasitraka ny Tempolin’i Kirtland ho Tranony. Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nisehoan’i Mosesy, Elia, ary Elià mba hanome ny fanalahidin’ny fisoronana izay nohazonin’izy ireo. Naverin’i Elia ny fanalahidy mihazona ny herin’ny famehezana, izay nampanantenain’i Malakia, mba hahafahantsika mahazo ny fitahiana feno avy amin’ny tempoly eo amin’ny fiainantsika.

Nanangana ny Tempolin’i Nauvoo ireo razambentsika mpisava lalana ary nanatanteraka ôrdônansy masina tao amin’izany. Ny Tempolin’i Nauvoo no tempoly voalohany izay nanatanterahana ny fanafiana masina sy ny famehezana, izay nahazoan’ireo mpisava lalana tanjaka teo am-piatrehana ny fahasarotana tamin’ny famakivakiana ny lohasaha ho any Ziona any amin’ny lemak’i Salt Lake. Nandray ny fanafiana masina tamin-kery tao amin’ny tempoly masina izy ireo. Nofehezina ny mpivady. Nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Maro tamin’izy ireo no namoy fianakaviana teny an-dalana, kanefa fantatr’izy ireo fa tsy mbola tapitra teo ny dian’izy ireo. Nofehezina tao amin’ny tempoly ho amin’ny mandrakizay izy ireo. Taty aoriana, tamin’ny alalan’ny fanambarana voarain’ny Filoha Brigham Young dia nanorina tempoly maro hafa tany Andrefana ny Olomasina.

Ankehitriny dia 130 no isan’ny tempoly amperin’asa, izay hahafahan’ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana maneran-tany handeha ho any an-tranon’ny Tompo mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao fanekempihavanana Aminy.

Ireo Ordônansin’ny Tempoly

Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny fisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Ny ôrdônansin’ny tempoly dia mitarika antsika any amin’ny Mpamonjy antsika ary hanome antsika ny fitahiana izay azo avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny tempoly no toerana fianarana tsara indrindra izay fantatry ny olombelona, manome antsika fahalalana sy fahendrena mikasika ny Fahariana an’izao tontolo izao. Ny torolalana amin’ny fanafiana masina dia manome fitarihana amin’ny fomba tokony hitondrana ny fiainantsika eto an-tany. Ny dikan’ny teny hoe fanafiana masina dia “fanomezana.” Ny ôrdônansy dia ahitana torolalana maro momba ny fomba tokony hiainantsika sy ny fanekempihavanana ataontsika mba hiaina amim-pahamarinana amin’ny fanarahana ny Mpamonjy.

Ôrdônansy iray manan-danja ihany koa ny voafehy ho amin’ny mandrakizay amin’ny fanambadiana selestialy. Izany fanekempihavanan’ny fanambadiana izany dia mamela ny zanaka ho fehezina amin’ny ray aman-dreniny ary ireo zaza teraka ao anatin’ny fanekempihavanana dia tafiditra ho isan’ny fianakaviana mandrakizay.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra antsika fa: “Na inona na inona fehezinao ety an-tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona fatoranao ety an-tany amin’ ny anarako sy amin’ ny alalan’ ny teniko, hoy ny Tompo, dia hofatorana mandrakizay any an-danitra” (F&F 132:46).

Rehefa mandohalika manoloana ny alitara ny mpivady dia tsapako amin’ny maha-mpamehy ahy ny anjara asa lehibe hazoniko amin’ny maha-solontenan’ny Tompo ahy. Fantatro fa ireo izay fehezina eto an-tany dia fehezina ara-bakiteny any an-danitra—tsy hovahana mihitsy raha toa ka mijanona ho mahatoky hatrany sy maharitra hatramin’ny farany ireo izay nofehezina.

Nandritry ny taona maro nifanesy aho dia nandinika mpivady maro izay nanana fanambadiana mafy orina sy matanjaka rehefa nijanona ho marina amin’ny fanekempihavanana noraisin’izy ireo tany amin’ny tempoly. Ireo mpivady mahomby ireo dia manana zavatra itoviany avokoa.

Voalohany, ireo mpivady ireo dia mahafantatra tsara hoe iza izy ireo—zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra. Nametraka tanjona mandrakizay izy ireo mba hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Miezaka ny hiala amin’ny fomban’ny olona araky ny nofo izy ireo (jereo Môsià 3:19).

Faharoa, fantany ny fotopampianarana sy ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly sy ny fanekempihavanan’ny tempoly ary ny antony ilana izany amin’ny fanatratrarana ny tanjona mandrakizay.

Fahatelo, nisafidy ny hahazo ny fitahiana mandrakizay any amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo toy izay fananana izay mandalo eto amin’izao tontolo izao.

Fahaefatra, mahafantatra ireo mpivady ireo fa rehefa nofehezina ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay izy ireo dia efa nisafidy namana mandrakizay—tsy hanana fahafahana hisafidy hafa intsony izy ireo! Tsy misy tokony hijerena hafa fanampiny intsony!

Fahadimy, mieritreritra ny hafa ireo mpivady ireo alohan’ny tenany. Ny fitiavan-tena dia manimba ny fahatsapana tsara ara-panahy. Miara-mivoatra izy ireo fa tsy misaraka amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny Tompo ao amin’ny vavaka. Mifampiresaka izy ireo ary tsy mamela ny zavatra kely ho lasa zavatra manahirana. Resahan’izy ireo mialoha ao anatin’ny tahotra kely sao dia misy fanafintohinana ny “zavatra kely mety manorisory”. Amin’izay, rehefa mitranga ny zavatra toy izany dia tsy hisy mihitsy iray ho tafintohina. Tsara foana ny hifampiresahana mialoha ny tsy mety mba tsy hisafoahana aty aoriana. Manaiky ny hifamela an-tsitrapo sy hangatam-pamelana amin’izy samy izy ry zareo raha toa ka nanafintohina ny olon-tiany. Maneho ny fitiavany izy ireo ary mifanatona bebe kokoa. Mifanohana sy mifanome hery izy ireo.

Ny Fitahiana avy amin’ny Tempoly

Trano masina ny tempoly, toerana masina iray izay hanaovana fombafomba sy ôrdônansin’ny famonjena mba hiomanantsika amin’ny fisandratana. Zava-dehibe ny fahazoana fahalalana mafy orina fa ny fiomanantsika hiditra ny trano masina sy ny fandraisantsika anjara amin’ny fombafomba sy fanekempihavanana ao dia isan’ireo toe-javatra lehibe indrindra hiainantsika eto amin’ny fiainantsika eto an-tany.

Tonga tamin-kitsimpo teto amin’ity tany fizahan-toetra izay hahafahana misafidy malalaka ity isika rehefa niala teo anatrehan’Andriamanitra, niaraka tamin’ny fahalalana fa hisy “fifanoherana ny zavatra rehetra” (2 Nefia 2:11). Ny tanjontsika dia ny handray eo amintsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra mba hanoherana ireo “zana-tsipìka mirehitra alefan’ ilay ratsy” amin’ny ampingan’ny finoana sy sabatry ny Fanahy (jereo F&F 27:15–18), mba haharitra hatramin’ny farany, ary hijoro amim-pahamendrehana sy hiaina eo anatrehan’Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, ho amin’ny mandrakizay—ka hahatratra ilay antsoina hoe fiainana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. History of the Church, 4:603.

Sarin’ny Tempolin’i Salt Lake nalain’i Welden C. Andersen; ankavanana: sary NALAIN’I John Luke

I Mosesy sy ny Isiraelita dia voatahy tamin’ny tempoly azo lanjaina, ny taberinakely, izay nanatanterahana ny ôrdônansy masina teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy—ary toerana izay niresahan’ny Tompo tamin’i Mosesy indraindray.

Sary nataon’i Ted Henninger