2009
Hijery ny Tempoly no Nahatongavanay Eto
Ôktôbra 2009


Hijery ny Tempoly no Nahatongavanay Eto

Rees Bandley, Utah, Etazonia

Indray andro tao anatin’ny fotoam-pararano, nandritry ny ny anjara fotoana niasako tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake, dia nisy zatovolahy sy ny namany iray tonga, tsy nanao fitafiana hanatrika tempoly izy ireo.

“Hijery ny tempoly no nahatongavanay eto,” hoy ilay zatovolahy.

“Manana fahazoan-dalana ve ianareo?” Hoy aho nanontany.

Nieritreritra kely ireto zatovolahy nandritry ny fotoana fohy. Dia hoy izy hoe: “Eny. Manana namana Môrmôna any Minnesota ny reniko. Namporisihiny izahay mba handeha hijery ny tempoly.”

Nisy nanosika ahy hitondra ireto zatovo ireto any amin’ny toerana iray ary hiresaka amin’izy ireo. I Lars no anaran’iray tamin’izy ireo. Nazavaiko taminy fa tsy vitan’ny hoe afaka hiditra ny tempoly fotsiny izy fa sady tian’ny Ray any An-danitra ny hidirany ao. Nolazaiko tamin’i Lars fa mila miomana aloha izy voalohany ary nazavaiko taminy hoe amin’ny fomba ahoana.

Tamin’izay fotoana izay aho dia vao niverina nazoto tsy ela akory tao am-piangonana. Efa nanao asa fitoriana aho saingy niala tao am-piangonana taty aoriana rehefa tafiditra niasa tao amin’ny orinasa mpamokatra fialam-boly ary nifoka zava-mahadomelina sy nisotro toaka. Nieritreritra aho fa hanaitra ny fianakaviako ny asa ataoko sy ny harenako, kanefa tsy noraharahian’ny reniko izany. Etsy andanin’izany dia ataony amin’ny lisitr’ireo anarana hivavahana ao amin’ny tempoly foana ny anarako, izay zavatra nahatezitra ahy tokoa.

Niala ny Fiangonana koa ilay ramatoa vadiko. Tamin’ny fahavalo taonan’i Tori zanakay vavy, izay nanombohany nametraka fanontaniana mikasika an’i Jesoa Kristy, dia efa latsaka ambany be ny ara-panahinay. Na dia nitory ny filazantsara aza aho taloha dia tsy nisy tadidiko ny mikasika ny Mpamonjy.

“Misy olona mahay tsara afaka mampianatra anao mikasika an’i Jesoa,” hoy aho tamin’i Tori. “Maninona ianao raha miresaka amin’izy ireo?”

Andro vitsy taty aoriana dia indreo misiônera roa vavy tonga nandondona ny varavaranay. Nasain’i Tori nandroso izy ireo ary dia nanomboka nandray ny lesona izy. Raha nanongilan-tsofina aho tao amin’ny efitra iray hafa, dia reko ireto rahavavy mampianatra fotopampianarana izay fantatro fa marina.

“Te-hatao batisa ve ianao?” hoy ilay rahavavy iray nanontany an’i Tori taorian’ny amin’ny lesona fahatelo.

“Eny,” hoy izy.

“Hanao batisa anao ve ny dadanao?”

Tsy nankany am-piangonana aho nandritry ny 20 taona, kanefa fantatro fa efa hiova ny fiainako. Nanatrika teo koa aho tamin’ireo lesona vitsivitsy ambiny ary avy eo dia nanomboka nanatrika ny Fiangonana izahay ary dia nihaona tamin’ny eveka izaho sy ny vadiko. Rehefa nibebaka aho dia nanapa-kevitra ny hanao izay faran’ny vitako hanonerako ny taona maro lasa very. Niova asa aho, nanandriana ny antsoko tao am-piangonana, nofehezina tamin’ny vadiko sy ny zanako, ary lasa mpanompo tao amin’ny tempoly. Tamin’izay no nahatsapako fa ireto andian-tanora liana ireto dia afaka ny ho lasa mendrika ny hiditra ny tempoly.

Ny lohataona manaraka dia naharay taratasy avy tamin’i Lars aho izay nisaorany ahy tamin’ny nanazavako taminy ny tena dikan’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. “ Nianatra bebe kokoa mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aho,” hoy izy. “Ary ankehitriny, vita batisa aho ary nahazo ny fahazoan-dalako tamin’ny volana Janoary lasa teo!” Tondraky ny ranomaso ny masoko raha nijery ny sariny nalefany izay ahitana azy amin’ny akanjo fotsy fanaovana amin’ny batisa sy ireo misiônera nampianatra azy.

Ny lalana narahiko niverenako tao amin’ny tempoly dia tena nahagaga ary ny dia nataon’i Lars koa dia fitahiana mahafinaritra izay mampahatsiahy ahy fa afaka mitondra zavatra tsara eo amin’ny fiainan’ny hafa isika rehetra.