2009
Nampanantena ny Ray any An-danitra Aho
Ôktôbra 2009


Nampanantena ny Ray any An-danitra Aho

Hiroko Fukuda, Tochigi, Japana

Fony telo taona i Yukari, dia norosoin’ny mpampianany tany amin’ny akanin-jaza ronono misy kafe. Satria efa nampianarin’ny reniny mikasika ny Tenin’ny Fahendrena i Yukari dia tsy nety nisotro izany kafe misy ronono izany. Fenoiny rano ny kaopiny ary dia izay no sotroiny ho solon’izany.

Indray andro dia niteny tamin’ny reniny i Yukari hoe: “Te-hisotro kafe misy ronono tahaka ny rehetra aho.” Nipetraka niaraka taminy ny reniny ary nanampy azy hahatakatra fa tia azy ny Ray any An-danitra ka tsy tiany ny hisotroany kafe ary izany koa dia didy. Nanomboka tamin’izay andro izay dia azon’i Yukari fa tsy te-hisotro kafe intsony izy. Lasa ny taona iray mahery.

Indray andro dia tsy afaka nampianatra ny mpampianatr’i Yukari ka mpampianatra hafa no tonga tao an-dakilasy. Toy ny mahazatra dia nisotro rano i Yukari. Hitan’ilay mpampianatra izany ka nanontany izy hoe: “Fa maninona ianao no misotro rano?” Nazavain’i Yukari fa mivavaka izy ary efa nampanantena ny Ray any An-danitra fa tsy hisotro kafe mihitsy. Nanaitra ilay mpampianatra izany. Nanomboka tamin’izay dia tsy nandroso kafe misy ronono intsony ilay akanin-jaza fa nosoloina zavatra hafa.