2009
Fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny Tempoly
Ôktôbra 2009


Minamana

Fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny Tempoly

Lahateny avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2000.

“Ny ankizy rehetra izay maty alohan’ny hahatongavany amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia ho voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (F&F 137:10).

Sary
Elder Yoshihiko Kikuchi

Taona vitsy lasa izay dia nomena andraikitra hanatrika fihaonamben’ny tsatòka tany Californie aho. Nandritry ny fiverenako tamin’ny fiaramanidina ho any Utah, dia nisy ramatoa tsara tarehy iray izay teo amin’ny 70 taona teo ho eo nipetraka teo akaikiko. I Patti no anarany ary tia miresaka izay izy.

Noresahin’i Patti tamiko ny mikasika ny fianakaviany—momba ny vadiny sy ny zananilahy izay efa maty. Nitohy hatrany ny resakay hatrany am-pahatongavana. Hoy aho hoe: “Patti a, ianao foana no niresaka nandritry ny dia teny ambony fiaramanidina. Alohan’ny hahatongavantsika ao Salt Lake City, dia te-hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao aho.”

Nanontaniako tamim-pahatsorana izy hoe: “Patti a, fantatrao ve fa hahita ny vadinao efa maty indray ianao?”

Hoy izy hoe: “Andray! Mety ho tanteraka ve izany?”

Dia hoy aho nanontany hoe: “Fantatrao koa ve fa hahita ny zanakao lahy, Matt, izay maty fony izy mbola zaza ianao?”

Nanomboka ho nanganohano ny masony ary nangovitra ny feony. Nokasihin’ny Fanahin’ny Tompo izy. Nalahelo azy ireo mafy izy.

Nanontaniako izy avy eo: “Patti a, fantatrao ve fa manana Ray any An-danitra be fitiavana sy tsara fanahy, izay tia anao tokoa ianao?”

Hoy izy hoe: “Manana izany ve aho?”

Hoy aho nanontany indray hoe: “Patti a! fantatrao ve fa manana drafitra manokana ho anao ny Rainao any An-danitra ary ny fianakaviana dia ho afaka ny hiaraka mandrakizay?”

“Afaka hanao izany ve izahay?” hoy ny navaliny.

“Efa nandre izany drafitra izany ve ianao?” Hoy aho nanontany.

Hoy izy hoe: “Tsia.”

Nanontaniako tamim-pahatsorana ihany izy: “Te-hahafantatra mikasika izany ve ianao?”

“Eny, tiako tokoa,” hoy ny navaliny.

Nahakasika ny fanahiny lalina ny Fanahin’ny Tompo.

Nampianarin’ireo misiônera i Patti. Telo herinandro taty aoriana, nandritry ny fotoana nijanonany teo Utah, dia niantso ahy i Patti: “Rahalahy Kikuchi, i Patti ihany ity. Ho atao batisa aho. Ho avy hanatrika ny fotoam-batisako ve ianao?”

Nanatrika ny batisany izaho sy ny vadiko. Maro ireo mpikambana no naka azy ho namana. Tsy ho hadinoko mihitsy ny hafaliana hita taratra teny aminy raha iny izy nivoaka ny rano iny!

Tsy ho hadiniko velively ny ranomasom-pifaliany teo amin’ny alitara masina tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake herintaona taty aoriana. Tsaroako ilay hazavana feno fiadanana sy avy any an-danitra rehefa nofehezina tamin’ny vadiny sy ny zanany lahy izy niaraka tamin’ny zanany vavy mbola velona, izay efa mpikamban’ny Fiangonana.

Nahita ny Tompo Jesoa Kristy ny namako Patti. Noho ny famehezana atao ao amin’ny tempoly dia fantany ankehitriny fa hiaraka mandrakizay ao amin’ny Tompo ny fianakaviany.

Sary nataon’i Dilleen Marsh; sary nahazoana lalana avy tamin’ny fianakavian’i Kikuchi, afa-tsy ireo misy fanamarihana; sarin’ny karaoty © Getty Images; ao aoriana: sary nalain’i Welden C. Andersen

Nitafy kimônô ny Loholona Kikuchi amin’ity sary ity izay nalaina nandritry ny fitsingerenan’ny fahaterahany tamin’ny faharoa taonany. Hitanao ve ny kilalao eo an-tanany?

Loholona Kikuchi (eo aloha ankavia) tamin’ny faha-13 taonany niaraka tamin’ireo namany tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy ireo mpampianatra azy.