2009
Fiarahabana feno Hatsaram-panahy
Ôktôbra 2009


Fiarahabana feno Hatsaram-panahy

Brittany H., age 9, Ohio, Etazonia

Nisy tovovavy iray tao anaty fiara fitaterana izay hafa tamin’ny maro ny fihetsiny. Tsy mba nanana namana izy ary toa ratsy toetra aminy avokoa ny ankizy rehetra. Nalahelo azy aho ka nanatona sy niarahaba azy. Nasainy nipetraka teo akaikiny aho ka nataoko izany. Ankehitriny dia miara-mipetraka aminy aho matetika rehefa handeha ho any am-pianarana. Toa nihafaly izy ary nahafaly ahy koa izany. Manana zandry vavikely izay manana fahasembanana kely aho ary manantena aho fa hisy olona hanampy azy any aoriana rehefa lehibe izy.