2009
Olona Mpandeha any amin’ny Tempol
Ôktôbra 2009


Olona Mpandeha any amin’ny Tempoly

Ny tetiarana, finamanana, ary batisa ho an’ny maty dia mamporisika ireo olon-dehibe handray ny fanafiany masina any amin’ny tempoly.

Nanana nofinofy i Gary sy Jennifer Tucker. Samy te-hanana fianakaviana mandrakizay izy roa. Kanefa saika efa diso fanantenana i Jennifer. Ny làlana mba hahatongavana amin’ilay nofy dia mitondra mankany amin’ny tempoly, izay zavatra tsy nahavonona an’i Gary mihitsy.

Kanjo nitsirian’ny hevitra izay hanampy an-dry Tucker ny evekany—ary hanampy ireo mpikambana maro ao amin’ny paroasin’i Three Forks, Tsatòkan’i Bozeman Montana koa—hahatratra izany nofinofy hanana fianakaviana mandrakizay izany. Taona vitsy lasa izay dia nivory niaraka tamin’ny eveka sy ireo olona vao niova fo teo amin’ny tsatòka ny Eveka Aaron Baczuk. Ilay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izay niahy ny fivoriana dia nanontany hoe: “Efa tany amin’ny tempoly ve ianareo ary nanao batisa ho an’ny maty?” Efa nanao izy.

Saingy tsy nieritreritra mihitsy hitondra olon-dehibe mbola tsy nandray ny fanafiana masina ho any amin’ny tempoly ny Eveka Baczuk. Ny herinandro manaraka dia naka fotoana tany amin’ny Tempolin’i Billings Montana izy ho an’ireo olon-dehibe tao amin’ny paroasiny hanaovana batisa ho an’ny maty. Tena fahombiazana tanteraka izany fitsidihana ny tempoly izany ka ny volana manaraka dia anjaran’ny loholona sy ny mpisorona avo teo amin’ny paroasy no nitondra olon-dehibe mbola tsy nandray ny fanafiana masina ho any amin’ny tempoly. “Hita fa traikefa ara-panahy be ho azy ireo izany, miaraka amin’ny faniriany sy ny fanoloran-tenany ny handray ny fanafiany masina,” hoy Eveka Baczuk.

Fiomanana

Ho fiomanana amin’izany dia miasa miaraka amin’ny eveka ireo olon-dehibe mba ho mendrika ny handeha any amin’ny tempoly. Avy eo dia manatrika ny kilasy fanomanana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly izy ireo. Mitombo tokoa ny fahalianan’izy ireo amin’ny kilasy rehefa avy manatanteraka batisa ho an’ny maty izy ireo. Tsapan’izy ireo fa tsara ny miresaka mikasika ny tempoly mandritry ny kilasy, kanefa zavatra iray tsaratsara kokoa ny mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo any amin’ny tempoly.

“Ny fahafahana mitondra olona ho any amin’ny tempoly izay mety tsy vonona handray fanekempihavanana fanampiny kanefa afaka miaina traikefa amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny ôrdônansy dia tena zava-dehibe,” hoy ny Eveka Baczuk. “Mieritreritra aho fa mifandraika amin’ilay tanjona ezahin’ny Fiangonana ampitaina ao amin’ilay bokikely: ‘Mankanesa any amin’ny Tempoly’, izay ampiasaina ao amin’ny kilasy fiomanana handehanana any amin’ny tempoly izany.”’1

Nilaza ny Filoha David Boyd, filohan’ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasin’i Three Forks, fa ny fandehanana any amin’ny tempoly hanatanterahana ny batisa ho an’ny maty dia mahatonga ny tanjona ho azo tsapain-tanana kokoa: “Manomboka hitan’izy ireo fa azony tanterahina tsara ny fandraisany ny fanafiana masina ho an’ny tenany. Maro amin’izy ireo no mbola tsy nandeha na dia teo amin’ny faritr’izany tempoly izany aza taloha, hany ka manome fahafahana lehibe ho an’ireto olon-dehibe mpikambana ireto ny fanaovana izany dia hanatanterahana batisa ho an’ny maty izany.”

Maro amin’ireo olona mazoto vao niova fo tao amin’ny paroasy no nanatanteraka batisa ho an’ny maty alohan’ny handraisany ny fanafiany masina. “Tsy misy resaka fahamendrehana izany rehetra izany,” hoy Eveka Baczuk. “Fa fiomanana kosa. Maro ireo mendrika sy vonona hanao batisa fa kosa tsy vonona ara-tsaina na ara-panahy handray ireo fanekempihavanana atao amin’ny fanafiana masina.” Fiomanana handraisana ny Fisoronana Melkizedeka koa izany ho an’ireo lehilahy.

Mampandroso ny asan’ny tempoly koa ny tetiarana. Ireo mpikamban’ny paroasy, toa an-dry Larry sy Carolyn Isom, dia miasa ao amin’ny foiben’ny tetiaran’ny paroasy mba hanomanana anaran’ny fianakaviana an-jatony. Izany ezaka telo lehibe izany—kilasy fanomanana ny fandehanana any amin’ny tempoly, asa tetiarana, ary fanatrehana ny tempoly—dia asa miara-dalana. Mazoto ireo manao asa tetiarana manome anarana ho an’ireo mandeha any amin’ny tempoly. Mazoto ireo mpikambana mandeha mankany amin’ny tempoly manao ny asa ho an’ny razambeny ary ho an’ireo razamben’ny mpikambana mpiara-mivavaka. Ary ny fankanesana any amin’ny tempoly dia mampazoto ireo mpikambana hiverina any amin’ny tempoly.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay dia 22 no isan’ny mpikamban’ny paroasin’i Three Forks izay nanatrika ny kilasy fanomanana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly, ary 14 amin’izy ireo no nanomboka nanatrika tempoly tsy tapaka mba hanaovana batisa ho an’ny maty. Taty am-pamaranana ny kilasy dia 13 tamin’ireo 14 no nandray ny fanafiana masina. Misy amin’izy ireo no olon-tokana na manano-tena, fa ny hafa kosa, toa an-dry Gary sy Jennifer Tucker dia nofehezina amin’ny maha-fianakaviana azy.

Finamanana

Tamin’ny taona 1992 no tonga mpikamban’ny Fiangonana i Gary, roa volana talohan’ny nanambadiany an’i Jennifer. Efa mpikambana i Jennifer. Kanefa ny fiasana mandritra ny ora maro sy ny fiarahana tamin’ny naman-dratsy dia nampananosarotra ny fijanonan’i Gary ho mazoto teo am-piangonana, na dia teo aza ny fanohanana avy tamin’ny vadiny. Hoy izy hoe taona maro no laniny tamin’ny “fihinanana paraky sy fitenenana ratsy.‘”

Rehefa teraka i Cody, zanak’izy ireo vavy, dia noezahin’ny Rahavavy Tucker notaizana tao anatin’ny filazantsara izy tamin’ny fitondrana azy tany am-piangonana, na dia tsy tian’ny Rahalahy Tucker hisy boky sy fitaovam-piangonana aza tao an-tranony. Na dia namporisika ny fianakaviany hiangona aza izy dia tsy mandeha ny tenany. Rehefa valo taona i Cody, dia ny misiônera no nanao batisa azy fa tsy ny rainy. Hoy Rahalahy Tucker hoe: “Faly aho satria nanatrika teo kanefa mampalahelo satria tsy mba nandray anjara tamin’izany—fa nanatrika fotsiny.”

Ny taona manaraka dia nampiverina an’i Gary hanatrika fiaraha-mientan’ny Fiangonana ny finamanana natao taminy. Nasain’i Jennifer hiara-hisakafo amin’izy ireo ny mpikambana sy ireo misiônera satria fantany fa hanome fahafahana ho an’ireto farany hiresaka amin’i Gary izany. Feno fankasitrahana tamin’ireo mpikambana sy misiônera izy noho ny finamanana tsara nataon’izy ireo taminy.

I Dale Price, ohatra, izay mpampianatra isan-tokantranon’ny renin’i Jennifer dia nahafantatra an’i Gary sy Jennifer tamin’ny fanaovana izany. Rehefa mitsidika an’ny Rahalahy Tucker ny Rahalahy Price dia tsy niresaka mikasika ny filazantsara mihitsy izy ireo tamin’ny voalohany. Niresaka mikasika ny zavatra tian’izy ireo izy ireo dia ny fihazana. Miara-mipetraka tamin-dry Tucker koa ry Price rehefa manatrika fiaraha-mientan’ny paroasy, ary nitondra sakafo ho azy ireo tamin’ny fotoana tsy nananan’ny Rahalahy Tucker asa ary nanome tantely azy ireo izay nalainy avy tao amin’ny tohotanteliny. Ny tantely no zavatra fanosotra tian-dry Tucker indrindra atao eo amin’ny sombi-mofo endasina. Izany fanomezana kely izany dia “hampamamy ny fifandraisana,” araky ny famaritan’ny Rahalahy Price azy.

Manao Zavatra Kely sy Tsotra

Nanampy an-dry Tucker koa ny torohevitra avy tamin’ny filohan’ny tsatòka. Nasain’ny Filoha David Heap ny mpikamban’ny tsatòka mba hanao “zavatra fito izay kely sy tsotra”: (1) Mamaky ny soratra masina ho an’ny tena manokana isan’andro; (2) mamaky ny soratra masina farafahakeliny in-dimy isan-kerinandro miaraka amin’ny fianakaviana; (3) manao vavaka ho an’ny tena manokana isa-maraina sy hariva; (4) manao vavaka miaraka amin’ny fianakaviana isa-maraina sy hariva; (5) manatrika fiangonana isaky ny Alahady miaraka amin’ny fianakaviana; (6) manao takarivan’ny mpianakavy isaky ny Alatsinainy alina; ary (7) mandeha any amin’ny tempoly isam-bolana.

Hitan’i Gary fa ireo zavatra ireo dia hanampy ny fianakaviany hifanatona bebe kokoa—izay zavatra niriany mafy tokoa—ka dia nanomboka nanao vavaky ny mpianakavy sy namaky soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy ry zareo. Izany ezaka izany dia nanampy tamin’ny fiomanan’i Gary hanaiky ny fanasan’ny eveka hiomana handeha ho any amin’ny tempoly.

Tamin’ny Janoary 2006 dia nanatrika takariva amorom-patana tany amin’ny tranon’ny eveka ry Tucker. Nalain’ny eveka Baczuk nihataka kely i Gary ary noresahiny mikasika ny tempoly. Teo ihany dia nomen’i Gary ny eveka ny tongobolony mba tsy hahatonga izany ho fakam-panahy ho azy. Nanana fanontaniana maro ho an’ny evekany izy tamin’izay ary koa tamin’ny fihaonana taty aoriana. Nohamafisin’ny eveka tamin’i Gary ny tokony hiainany ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa mba hahatonga azy ho mendrika ny Fanahy.

Nanomboka nanatrika ny kilasy fanomanana ny fandehanana any amin’ny tempoly ry Tucker, ary i Jennifer kosa nanomboka nanatrika tempoly niaraka tamin’ny paroasy isam-bolana nanatanteraka batisa ho an’ny maty. Niezaka ny mba hahamendrika azy handeha any i Gary. I Cody, zanak’izy ireo vavy izay 11 taona, dia tsindrin-daona amin’ny fahafahana handeha ho any amin’ny tempoly hanatanteraka batisa ho an’ny maty atsy ho atsy. Mandrapahatonga ny faha-12 taonany dia efa vonona ny ho any amin’ny tempoly hiaraka aminy i Gary. Fotoana voalohany ho azy ireo izany satria mbola tsy nisy tany amin’ny tempoly izy ireo.

Hoy i Cody hoe: “Tena nahafinaritra izany. Feno fiadanana tao. Nandeha koa ny raiko ka vao mainka nanome lanja ilay fotoana izany.” Nolazain’i Gary fa nahatsapa “fiadanana sy fifaliana tsy hay faritana izy tamin’izany fotoana voalohany izany.”

Ny Alahady manaraka tao amin’ny kilasy fanomanana amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly dia olom-baovao tokoa i Gary. “Nandray fahazavana izy” hoy Rahavavy Elna Scoffield, izay nampianatra ny kilasy nandritry ny taona maro. Nijanona kely i Gary taorian’ny kilasy mba hametraka fanontaniana. Nahatsapa ny Fanahy izy tany amin’ny tempoly ka te-hiverina any indray—tsy hanatanteraka batisa fa handray ny fanafiana masina ary hofehezina miaraka amin’ny fianakaviany.

Nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny eveka sy ireo mpikambana hafa tao paroasy indray ry Tucker ny volana manaraka.

Mandresy ireo Fitsapana

Niatrika ny fanoheran’ny fahavalo Rahalahy sy Rahavavy Tucker herinandro maromaro talohan’ny nandraisan’izy ireo ny fanafiany masina sy namehezana azy ireo. Nandroso hatrany i Gary, kanefa mbola nanana fisalasalana mikasika ny fahamendrehany hiditra ny tempoly. Ny nofinofin’izy ireo ny ho tonga fianakaviana mandrakizay dia efa nihananakaiky kanefa nisy koa ny fahatsapana fa mbola lavitr’ezaka izany. Fantatry ry Tucker fa tokony hivavaka miaraka matetika izy ireo ary hangataka hery. “Mandray izany hatrany izahay amin’ny alalan’ny fahatsapana filaminana sy fahatokian-tena fa ny zava-drehetra dia eo am-pelatanan’ny Tompo,” hoy Rahavavy Tucker. “Eny fa hatramin’ny fotoana nidiranay ny tempoly aza dia nomen’ny Fanahy filaminan-tsaina ny fianakaviana iray manontolo.”

Taorian’ny nandraisan’i Gary sy Jennifer ny fanafiany masina dia nandohalika teo amin’ny alitara niaraka tamin’ny zanany, Cody sy Garrett, izy ireo sady niakanjo fotsy. Rehefa hitan’i Garrett, izay enin-taona, fa nitomany ny reniny dia nanakatra ny ranomaso teny amin’ny takolaky ny reniny izy mba hofafana. Nitomany noho ny fifaliana koa i Gary sy Cody. Na dia ilay mpamehy aza dia feno fihetseham-po koa.

Ankehitriny dia mifaly amin’ny fananana fifandraisana mafy orina sy fifampiresahana mahafinaritra misy eo amin’ny fianakaviany ry Tucker. Hoy i Gary hoe: “Faly kokoa mihoatra noho ny taloha izahay. Akaiky kokoa izaho sy ny vadiko izao ary hitan’ny zanakay izany.” Mieritreritra i Gary fa ohatra tsaratsara kokoa ho an’ny fianakaviany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ankehitriny, ary manantena fa ireo fianakaviana hafa ao amin’ny paroasy koa dia ho te-haniry handray izany fitahiana izany izay nomen’ny Tompo an-dry Tucker tamin’ny alalan’ny tempoly.

Fanamarihana

  1. Jereo Preparing to Enter the Holy Temple (booklet, 2002), 1.

Ankavia: sarin’ny Tempolin’i Billings Montana nalain’i Steve Bunderson; sarin’ny fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Billings Montana nalain’i Norman Childs; ankavanana: sary nalain’i Drake Busath, © Busath Photography

Faly i Gary, Jennifer, Cody, ary Garrett Tucker tonga ao amin’ny tempolin’i Billings Montana tamin’ny andro hamehezana azy ireo.

Mandeha fiara eo amin’ny adiny roa sy sasany eo ho eo ny mpikambana ao amin’ny paroasin’i Three Forks mba hanompo ao amin’ny tempolin’i Billings Montana. Maro ireo olon-dehibe izay manatrika no manatanteraka batisa ho an’ny maty eo am-panomanan’izy mivady avy ny fandraisany ny fanafiana masina sy ny famehezana azy ireo.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny fianakaviana Tucker