2009
Fampianarana mikasika ny Vavaka
Ôktôbra 2009


Fampianarana mikasika ny Vavaka

Connor M., age 7, California, Etazonia, niaraka tamin’ny fanampian’ny mamany

Ny zandriko vavy, Lily, dia tsy tia mivavaka. Mitomany sy mimenomenona izy rehefa tonga ny fotoana hivavahana. Indray alina dia nahita ahy nandohalika teo amin’ny sisin’ny fandriana hanao ny vavako iny izy. Te-hiara-hivavaka amiko izy. Nolazaiko taminy fa zava-dehibe ny manao ny vavaka manokan’ny tena isaorana ny Ray any An-danitra tamin’ny fitahiana rehetra voarainao manokana. Tamin’izany alina izany dia tsy andrin’i Lily ny hanaovana ny vavaka manokany.