2009
Ilay Boky Vaovao mitahiry sary momba ny Filazantsara
Ôktôbra 2009


Ilay Boky Vaovao mitahiry sary momba ny Filazantsara

Manome fahafahana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany hampiasa sary miloko miisa 137 entina hianarana sy hampianarana filazantsara ny boky mora vidy izay voaravitra amin’ny sisiny mitangolingolika.

Ao amin’ny biraon’ny Filoha Thomas S. Monson dia misy ny sary hosodokon’ny Mpamonjy izay nataon’ny mpahaikanto Heinrich Hofmann. Nilaza ny mpaminany fa izany sary hosodoko izany dia mampahatsiahy azy ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho ataony. Afaka manana hery mitaona antsika tsirairay avy ny sary, tsy misy hafa amin’ilay sary hosodoko tamin’ny Filoha Monson.

Noho ny faniriana hanome sary mora vidy ho ampiasain’ny mpikambana ao amin’ny kilasy ao am-piangonana na any an-tokantranontsika dia nanamboatra Boky mitahiry sary momba ny Filazantsara ny Fiangonana izay ahitana sary hosodoko sy sary 137. Ireo sary ireo dia fitaovana fanampiny amin’ny lesona ampianarina manomboka any amin’ny kilasin’ny Fotopampianaran’ny Filazantsara ka hatrany amin’ny fotoana Ifanakalozan’ny Kilonga. Azo ampiasaina amin’ny takarivan’ny mpianakavy koa izany, amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina, amin’ny asa fitoriana, ary amin’ny fampianarana na famangiana isan-tokantrano.

Ny sary tsirairay ao amin’ity boky ity dia manome fotoana hampianarana—fahafahana hitantara soratra masina sy hampianatra fitsipika. Mba hanampiana antsika, ny Boky mitahiry sary momba ny Filazantsara dia ahitana lisitra izay mampifandray ireo sary amin’ny tantarany ao amin’ny soratra masina. Ny fandalinana ireo soratra masina ireo dia hampitombo ny fahatakarantsika ny zava-nitranga sy ny fitsipiky ny filazantsara aseho amin’ny sary tsirairay.

Voalaza manaraka eto ny fomba telo mety azo ampiasaina ny Boky mitahiry sary momba ny Filazantsara amin’ny fampianarana lesona iray:

  1. Asao ny olona iray hikaroka ny soratra masina mifandraika amin’ny sary iray. Angataho izy ireo hamaky amin’ny feo avo na hamintina izany rehefa eo am-pandalinana ilay sary miaraka ianareo.

  2. Angataho ny olona iray hamaritra ny zavatra hitany eo amin’ny sary. Inona no fitsipiky ny filazantsara ampianarin’ity sary ity? Ahoana no ahafahana mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainantsika ankehitriny?

  3. Aorian’ny fampianarana fitsipiky ny filazantsara iray, dia asao ireo olona mba hikaroka ao amin’ny Boky mitahiry sary momba ny Filazantsara, ireo sary izay maneho izany fitsipika izany. Anontanio ny olona ny zavatra tsapany eo am-pijerena ilay sary rehefa avy nandinika ny tena dikan’izany izy ireo.

Aoka hivavaka isika handraisana fitarihana eo amin’ny fianarantsika sy fampianarantsika ny filazantsara rehetra (jereo F&F 42:14–17). Rehefa manao izany isika dia hitondra hevitra hafa ao an-tsaintsika ny Fanahy Masina mba hanampy amin’ny zavatra ilain’ireo ampianarintsika. Ny Boky vaovao mitahiry sary momba ny Filazantsara dia fitaovana manan-danja iray izay ahafahantsika hifanampy hanatona an’i Kristy sy handray ny fitahiana dia ny fiainana mandrakizay.

Avy aty ankavia: Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’i C. Harrison Conroy Co.; sary nalain’i Matthew Reier, Hyun-Gyu Lee, ary Christina Smith