2009
Ny Fitiavan’ny Mpaminany
Ôktôbra 2009


Andao Hihaino ny Feon’ny Mpaminany

Ny Fitiavan’ny Mpaminany

Lahateny avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2008.

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

Taona maro lasa izay, dia tonga tany Hambourg, Alemana ny Filoha Thomas S. Monson mba hanatrika fihaonamben’ny Vondrom-paritra tany, ary voninahitra ho ahy ny niaraka taminy.

Nanontany momba ny Rahalahy Michael Panitsch ny Filoha Monson, izay filohan’ny tsatòka teo aloha, izay iray amin’ireo mpisava lalana mahery fon’ny Fiangonana tany Alemana. Nolazaiko taminy fa marary mafy tsy afa-mihetsika eo am-pandriana ny Rahalahy Panitsch ary tsy afaka manatrika ny fivorianay izy.

Nanontany ny Filoha Monson raha afaka mamangy azy izahay.

Fantatro fa fotoana fohy talohan’ny diany tany Hambourg, dia nandalo fandidiana ny tongotry ny Filoha Monson ary tsy maintsy misy ny fanaintainana rehefa mandeha tongotra izy. Nazavaiko taminy fa nipetraka tany amin’ny rihana fahadimin’ny tranobe iray tsy misy solotohatra ny Rahalahy Panitsch. Tsy maintsy miakatra ny tohatra izahay raha hamangy azy.

Saingy nikiry ny handeha ny Filoha Monson. Ary dia nandeha izahay.

Tadidiko fa tena mafy tamin’ny Filoha Monson ny niakatra tamin’ireo tohatra ireo. Kely fotsiny no vitany dia mila mijanona sy maka aina kely izy. Tsy nitaraina velively izy ary tsy nihevitra ny hiverina. Satria avo ny valindrihan’ilay tranobe dia toy ny tsy mety tapitra ilay tohatra, saingy nanohy tamim-pifaliana mandrapahatonganay tany amin’ny efitrano fonenan-dRahalahy Panitsch tany amin’ny rihana fahadimy ny Filoha Monson.

Rehefa tonga tao izahay dia nahafinaritra ny famangianay. Nisaotra azy ny Filoha Monson tamin’ny fiainany feno fanompoana tamim-pahafoizan-tena ary nankahery azy tamin’ny alalan’ny tsiky. Talohan’ny nandehananay dia nomeny tsodranon’ny fisoronana mahagaga izy.

Afaka nisafidy ny hiala sasatra tsara ny Filoha Monson teny anelanelan’ny fivorianay izay lava. Afaka nangataka tsara ny hijery ireo toera-mahafinaritr’i Hambourg izy. Nieritreritra matetika aho hoe, tena mahavariana fa tao anatin’ireo toera-mahafinaritr’izany tanàna izany, ny hany tena tiany ho hita mafy mihoatra noho ny hafa dia mpikamban’ny Fiangonana iray izay osa sy mijaly.

Tonga tany Hambourg ny Filoha Monson mba hampianatra sy hitahy ny mponin’ilay firenena. Saingy tamin’izany koa dia nifantoka tamin’ny olona tsirairay izy.

Raha niresaka momba an’i Jesoa izay namany sy mpampianatra azy ny Apôstôly Petera, dia nanome izao famaritana tsotra izao: “Nandehandeha nanao soa [Izy].” (Asan’ny Apôstôly 10:38). Nahatsapa mitovy amin’izay ihany koa aho tamin’ilay lehilahy izay tohanantsika amin’izao fotoana izao amin’ny maha-mpaminan’Andriamanitra Azy.

Ankavia sy eo an-tampony ankavanana: sary nataon’i Beth M. Whittaker; ankavanana: sary nataon’i Sam Lawlor