2009
Atombohy amin’ny Vavaka
Ôktôbra 2009


Atombohy amin’ny Vavaka

Mikatsaka valiny ve? Ireto tanora avy any Ottawa, Kanadà ireto dia milaza fa ny vavaka no fiantombohana.

Rehefa niresaka momba ny fahazoany valim-bavaka i Jenni, 15 taona, dia natombony tamin’ny fialan-tsiny izany. Niala tsiny izy noho ny fiaikeny fa tsy nahavita nanao vavaka tsy tapaka izy nandritry ny herintaona. Nisy zavatra tsy netinety mihitsy teo amin’ny fiainany—tsy tany am-pianarana, tsy mahakasika ny namana, ary tsy tany am-piangonana.

Nazavain’i Jenni fa te-hijery sarimihetsika izy indray alina. Niondrika hisafidy sarimihetsika teo amin’ny fitoeram-boky farany ambany izy no nahatazana tampoka ny sarin’ny dadatoany izay maty vao haingana noho ny loza nahazo azy. Tampoka teo dia nampitomany azy ny vesatry ny zava-drehetra nampiahiahy azy. “Fantatro tamin’izay fotoana izay fa tokony hivavaka aho,” hoy i Jenni. Nandohalika izy ary dia nivavaka.

Nolazain’i Jenni ny fomba nahazoany valim-bavaka: “Raha vao vita izany dia nandray ny valin’ireo fanontaniana nananako aho. Nanana fahatsapana aho fa hilamina indray ny zava-drehetra. Hilamina ny zava-drehetra. Hilamina ihany koa ny amin’ny dadatoako. Tsapako fa tiako ny fianarako sy ny namako. Raha vao vita ny vavaka nataoko dia fantatro fa tokony handeha ho any am-piangonana aho satria natao ho ahy izany. Tena nanohina mafy ny foko ny zavatra tsapako ka lasa nahazo aina sy hafanana anaty aho. Fantatro fa tia ahy ny Raiko any An-danitra ary hanampy ahy hiatrika izany zavatra izany izy.”

Ho an’i Jenni, izany vavaka izany no tiany ho atao hatramin’izay kanefa tsy vitany. Ankehitriny, raha vao mieritreritra izany fotsiny izy, dia mahatsapa izany fahatoniana izany hatrany sy ny fahatokiana fa ny valiny voarainy dia avy amin’ny Tompo.

I Jenni Holt dia avy any Ottawa, ilay renivohitra kanto dia kanton’i Kanadà, tanàna miorina amoron’ny Reniranon’i Ottawa izay rakotra hazo. Izy sy ireo namany avy ao amin’ny Tsatòkan’i Ottawa Ontario dia niresaka ato amin’ny Gazetibokin’ny Fiangonana mikasika ny fiantraikan’ny vavaka teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Avy Aiza ny Valim-bavaka?

Iray amin’ireo lohahevitra mahaliana dinihin’ny tanora avy ao Ottawa ny fomba nandraisan’izy ireo ny valin’ny vavaka nataony. Voalohany, hoy i Susan Brook, “Raha te-hahazo valiny ianareo dia tsy maintsy mihaino izany aloha.”

Nolazain’i Susan fa ny valiny azony matetika dia avy amin’ny famakiana ny soratra masina. Misy ohatra tsara iray nomeny: “Indray andro, nahatsapa ho tena vizana be aho ary dia tezitezitra tamin’ny olon-drehetra. Tsy te-hiresaka aho. Tsaroako hoe namaky soratra masina aho, tsy tadidiko hoe boky inona fa nilaza izany hoe: ‘Mba manetre tena.‘ Nanohina ny foko izany. Izany no valim-bavaka voaraiko.” (Jereo F&F 112:10.)

Mihaino tsara i Ariana Keith rehefa any am-piangonana. “Mieritreritra aho fa ny ankamaroan’ny vavaka ataontsika dia voavaly amin’ny alalan’ireo mpandaha-teny any am-piangonana,” hoy izy. “Nisy fotoana naniriako ny handray ny tsodrano avy amin’ny patriarika. Herinandro talohan’ny nanaovako fotoana handraisana izany dia indro ny patriariky ny tsatòkanay fa tonga nitsidika ny paroasinay ary nanao lahateny. Efa nivavaka mafy momba izany aho ary dia zava-dehibe tamiko tokoa ny nandre azy.”

Nilaza i Mackenzie Loftus fa ny vavaka nataony dia matetika voavaly amin’ny alalan’ny fianakaviany. Nivavaka mikasika ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fianakaviana izy ary “nahatsapa avy hatrany ny Fanahy Masina aho, izay nahafantarako fa mety ny fanapahan-kevitra noraisinay.”

Indraindray ny valiny dia tonga ara-bakiteny eo anoloanao. Raha vao nifindra tany Ottawa i Thomas Francis sy ny fianakaviany dia nila naka namana vaovao tany an-tsekoly izy. Nivavaka izy mba hahazo namana tsara. “Indray andro,” hoy i Thomas, “nisy ity zazalahy iray tao amin’y kilasiko nanatona ahy sy niteny hoe: ‘Hiaraka amiko ve ianao ary hijery ireo namako?’ Nanomboka teo dia mpinamana izahay hatramin’izao. Nanampy ahy be dia be izany.”

Manana zavatra manan-danja holazaina mikasika ny vavaka i Dawson Lybbert. Hoy izy: “Indraindray dia tsy mahazo ny valiny tadiavinao ianao, fa kosa mahazo ny valiny ilainao.” Tsy tsikaritrao eo no ho eo izany tsindraindray hoy izy kanefa tsapanao rehefa tena dinihinao avy eo.

Olona Hiresahana

Maro amin’ireo tanora ireo no milaza fa tsara ery izany mivavaka miaraka amin’ny fianakaviana izany. Tena tian’i Kyffin de Souza ny fiaraha-mivavaka ataon’ny fianakaviany isan-kariva. “Efa manana fandaharam-potoana izahay ka samy manana ny anjarany. Mahatsapa ny Fanahy Masina aho ary fantatro fa raha lavitra ny ankohonako aho dia mivavaka ho ahy izy ireo mba tsy haninona aho.”

Tian’i Bénédicte Bélizaire ny mivavaka miaraka amin’ny ray aman-dreniny isa-maraina. “Mandeha mankany amin’ny efitranony aho ary dia mivavaka izahay,” hoy izy. “Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa ny Fanahy Masina dia miaraka amiko, ary rehefa mila ny Fanampiany aho dia hangataka amin’ny Ray any An-danitra izany.”

Hoy i Ruth Decady namany hoe: “Tena zava-dehibe ny mahafantatra hoe mihaino antsika ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka isika. Misy olona mihaino anao eo.”

Tian’i Katie Cameron ny fahatsapana azony avy amin’ny vavaka. “Rehefa miresaka amin’ny Tompo aho dia mahatsapa fa misy olona te-hiresaka amiko tokoa. Fantatro hoe azoko ilazana ny zava-drehetra Izy.”

Vavaka Atao ho an’ny Hafa

Ny zatovolahy—indrindra ireo ao amin’ny taonan’ny mpisorona toa an-dry Ronan Filamont, Fred King, sy Dawson ary Davin Lybbert—dia niresaka mikasika ny adidy manan-danja sy masina amin’ny fanaovana ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo hisoloana tena ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy sampana.

Hoy i Dawson hoe: “Ny fivavahana ataonao amin’ny Fanasan’ny Tompo dia manampy anao hieritreritra ny tena lanjany. Manana izany fahefan’ny fisoronana izany aho ary tsapako fa tsy azoko atao tsinontsinona izany.”

Tsaroan’i Fred ny nanolorany voalohany ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo raha vao avy naroso ho mpisorona izy: “Sarotra ny nanao izany tamin’ny voalohany ary nanao hadisoana foana aho. Indray mandeha dia tsy maintsy naverina hatrany amin’ny voalohany foana ilay izy. Kanefa nibitsika tamiko ny Fanahy fa tsy maninona na averina impiry eo ary izany fa ho mety ihany izany amin’ny farany. Fahatsapana tsara izany.”

Mitaky Fiomanana ny Vavaka

Maro tamin’ireto tanora ireto no niresaka mikasika ny zava-dehibe tsy maintsy ataony mba hiomanana amin’ny vavaka. Misy soratra masina mipetaka eo amin’ny rindrin’ny fandrian’i Matt Larson, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19: “Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra; ary ny zavatry ny tany dia hanampy ho azy, avo zato heny, eny, mihoatra aza.” Mampahatsiahy azy hankasitraka ny Tompo izany amin’ny zavatra nomeny azy. Fantany fa tokony ho tafiditra ao amin’ny vavaka ataony ny fankasitrahana.

Hoy i Nick Moolenbeck hoe: “Tsy manan-kery ny vavaka raha toa ka mangataka fotsiny nefa tsy atao vokatry ny fo na amin’ny herim-panahy lalina izany.”

Ilay Hery Mahagagan’ny Vavaka

Manana tantara tsara be mikasika ny vavaka i Sierra Lybbert. Fony izy roa taona dia nitsahin’ny soavaly ny tanany. Naratra mafy ny ankihibeny ary ny rantsantanana hafa koa dia torotoro tao. Nentin’ny ray aman-dreniny haingana izy nitety hôpitaly nikarohana mpandidy afaka ny hitsabo ity tanana toa efa potika be. Hoy izy hoe: “Nisy dokotera iray nilaza tamin’ny ray aman-dreniko fa tsy nisy vavaka iray ho an’ilay mpandidy mba hahitany fahombiazana amin’izany. Nolazain’ny reniko taminy fa tsy vavaka iray no ananan’ilay mpandidy—fa nanana maro izy. Niantso ny tany amin’ny tempoly ny reniko mba hanoratana ny anarako ao amin’ny lisitr’ireo anarana entina am-bavaka any amin’ny tempoly.”

Ankehitriny, 13 taona i Sierra, ary manana tanana mahavita asa tsara. Tsy maninona mihitsy ny ankihibeny ary natsangany izany mba ho hitan’ireo zatovovavy hafa tao amin’ny paroasiny. Tsy tena mbola naheno loatra izany tantara izany izy ireo. Ny hany tsikaritr’izy ireo eo amin’ny tanan’i Sierra dia holatra manify izay zara fa hita manodidina ny fototry ny ankihibeny. Toa tena nahagaga ny vokatra azo.

Hoy i Sierra hoe: “Mahatsapa fifaliana aho noho ny fahafantarana ny zavatra vitan’ny vavaka ho ahy. Tena zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainako izany.”

Toa niara-nanaiky tamin’i Kale Loftus ny rehetra rehefa niteny izy hoe: “Fahazarana tsara tokony hananana ny mivavaka.”

Eo ambony: Bridgitte Leger, Jenni Holt, Dawson Lybbert, Dayna Conway, Rebekah Wagoner, ary i Alexander Richer-Brule, miaraka amin’ny tanora namany hafa avy ao amin’ny Tsatòkan’i Ottawa Ontario (ankavia), dia mahafantatra fa ny fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra dia noho ny vavaka natao.

Eo ambony, avy any amin’ny faran’ny tampony indrindra: Manaiky i Fred King sy Ronan Filamont fa ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo dia masina ary tokony hotononina amim-panajana. Feno fankasitrahana noho ny vavaka ataon’ny fianakaviana i Kyffin de Souza.

Mivavaka ny tanora ao Ottawa mba hahazo fanohanana mandritra ny andro sarotra, hahazo fanampiana amin’ny fianarana sy ny namany, ary hahazo ireo fitahiana irian’izy ireo. Fantratr’izy ireo fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. “Indraindray dia tsy mahazo ny valiny tadiavinao ianao,” hoy i Dawson Lybbert, “fa kosa mahazo ny valiny ilainao.”

Eo ambony: Mamaky ny soratra masina mipetaka eo amin’ny rindriny i Matt Larson alohan’ny hivavaka, ary i Nick Moolenbeck dia milaza fa mitaky ezaka ny vavaka.

Eo ambony, avy any ankavia: Manaiky i Ruth Decady, Katya Gallant, ary Bénédicte Bélizaire fa hevitra mahomby ny fangatahana amin’ny Ray any An-danitra mba handefa ny Fanahy Masina. Eo ambany: Tian’i Katie Cameron, Carolyn Albers, ary Sierra Lybbert ny zavatra tsapany rehefa mivavaka.

Mihaino, nataon’i Michael Jarvis Nelson

Sary nalain’i Janet Thomas