2009
Manadio ny Faritry ny Tempoly
Ôktôbra 2009


Manadio ny Faritry ny Tempoly

Mafana be sy mando ny toetr’andro any Kentucky, any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia mandritry ny fahavaratra. Indray andro dia tsikaritry ny olona fa misy lomotra maintso amin’ny fefy manodidina ny Tempolin’i Louisville Kentucky. Tsy mba hoe vitsivitsy izany—fa tena marobe!

Ka dia nanapa-kevitra ny ankizy tao amin’ny Kilonga ao amin’ny Paroasy Faharoan’i Crestwood ao amin’ny Tsatòkan’i Louisville Kentucky fa hanao zavatra mahakasika izany. Nisy fiaraha-mientana tamin’ny andro mafana iray nandritry ny volana Jiona. “Nivimbina voron-damba sy koveta feno ranon-tsavony izahay mba hanadiovana ny fefy mba hihazonana ny fahadiovan’ny Tranon’ny Ray any An-danitra,” hoy i Sara M., izay 10 taona. Kotsa tanteraka izahay teo am-panaovana izany, kanefa “faly izahay satria teo daholo ny namanay.”

Nilaza i Josh H., izay 9 taona, fa nahatsiaro ho reraka kely izy nanakatra ireo faritra ambonin’ny fefy. Kanefa be ireo nanampy azy. Raha ny marina dia 75 no tonga, izany hoe saika ny Kilonga rehetra. Maro ireo nitondra ny rahalahiny sy anabaviny ary ny ray aman-dreniny mba hanampy.

Fantatr’ireo ankizy fa eo an-tokontanin’ny tempoly izy ireo ka niezaka ny naneho fanajana tanteraka. Ary tsy nisy nitaraina tamin’izany asa mafy izany. “Nila nikosoka mafy izahay satria efa nijanona naharitra teo ireo pentimpentina maloto,” hoy i Megan H., izay 6 taona. Kanefa tsy hanenenana izany. “Fantatro fa mikarakara ny tranon’ny Ray any An-danitra izahay.”

Nahatsapa toy izany koa i Sara. “Tena nahatsapa ny Fanahy Masina aho satria fantatro fa faly tamin’ny fanaovanay izany ny Ray any An-danitra,” hoy izy.

Rehefa vita ny asa dia niara-nivory tao amin’ny trano Fiangonana teo akaiky teo ilay vondrona ary dia nihinana mofo misy saosisy sy niresaka ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’izany.

Tsy andrin’ireto ankizy ao amin’ny Kilonga ny fotoana hahafahany mandeha mankany amin’ny tempoly hahafahany manao batisa ho an’ny maty. Fa ankehitriny aloha dia faly izy ireo noho ny fahafahany nanampy tamin’ny fanadiovana ny ivelany mba ho tsara tarehy—izay tokony ho endriky ny tranon’ny Ray any An-danitra.

Ankavia: morony © Artbeats; ankavanana: sary nataon’i Steve Kropp; sary nalain’i Todd Hall