2009
Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy
Ôktôbra 2009


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ireto sosokevitra enti-mampianatra ireto dia nomena anao mba hahazoana hevitra maromaro. Azo amboarina arak’izay ilain’ny fianakaviana izany.

“Fitahiana avy amin’ny Tempoly,” p. 12: Mampisehoa sarin’ny tempoly iray. Apetaho eo amin’ny rindrina eny ampitan’ny sarin’ny tempoly ny sarin’ny fianakaviana. Rehefa mamintina ilay lahatsoratra ianao dia apetraho eo akaikin’ny tempoly ny sarin’ny fianakaviana. Anontanio ny olona ao amin’ny fianakaviana ny zavatra tsapany rehefa tonga any amin’ny tempoly ny fianakaviana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempiahavanana 109:7–23, mba hahitana fomba fanampiny hiomanana ho any amin’ny tempoly ary ireo fitahiana azo avy amin’ny fanatrehana ny tempoly. (Jereo koa ny lahatenin’i Silvia H. Allred, “Tempoly Masina, Fanekempihavanana Masina,” tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana Ôktôbra 2008.)

“Izaho ve? Ho Mpiandry Ondrin’ny Isiraely?” p. 30: Vakio ny fizarana “Mitondra Azy ireo Miverina,” ary diniho ny fomba hahafahantsika ho lasa mpiandry ireo ondry hafa. Ho atrik’asan’ny ankizy madinika kosa, dia mifandimbiasa miafina sy mifampitady toy ireny mpiandry ondry mikaroka ireo ondry very ireny. Eritrereto ny olona azonao entina miverina “ao am-bala.” Farano amin’ny vavaka fangatahana fitarihana amin’ny fomba hanampiana azy ireo izany. (Jereo koa ny lahatenin’ny Loholona Eduardo Gavarret, “Miverina any An-trano,” tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Ôktôbra 2008.)

“Atombohy amin’ny Vavaka,” p. 40: Fintino ny lohahevitra lehibe ao amin’ny lahatsoratra. Avereno vakiana ny andinin-tsoratra voalohany ao amin’ny fizarana “Olona Hiresahana.” Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny fotoana izay nahatsapany ny tanjaka azony tamin’ny alalan’ny vavaka nataon’ny mpianakavy. Mba hanamafisana ny lanjan’ny vavaka atao ho an’ny hafa, dia vakio ny andininy telo farany ao amin’ny lahatenin’ny Loholona David A. Bednar, “Mivavaha Mandrakariva,” tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana Ôktôbra 2008.

“Ilay Koba katsaka Voakosoka Mahagaga,” p. F6: Vakio ilay tantara ary diniho ny fanamby natrehin’ny fianakavian’i Raoul teo am-piomanana handeha ho any amin’ny tempoly. Asaivo mikosoka koba katsaka ny fianakaviana na asaivo mampiseho an-tsehatra ny dingana fanaovana izany, hatrany amin’ny fambolena ny katsaka ka hatramin’ny fivarotana ireo koba katsaka voakosoka amin’ireo mpizahan-tany. Farano amin’ny famakiana ny fanambaran’ny Loholona Dennis B. Neuenschwander izany.