2009
Fanehoan-kevitra
Ôktôbra 2009


Fanehoan-kevitra

Valin’ny Fanontaniako

Feno fankasitrahana aho noho ity gazetiboky mahafinaritra ity sy ny fijoroana ho vavolombelona, ny vaovao, fanazavana ny soratra masina sy ny fitaovana entina mampianatra lesona ao anatiny. Maro ireo fotoana izay nanontaniako ny Ray any An-danitra, izay nitarihan’ny Fanahy Masina ahy hamaky ny Liahona, ka nahitako valiny tamin’ireo fanontaniana nananako. Raisiko amim-pifaliana avokoa ny laharana rehetra voaraiko.

Evgenija Samarskaja, Rosia

Faly Nahita ny Liahona

Tiako ny Liahona, ary izaho sy ny vadiko dia misy fotoana manafatra boky dimy isaky ny laharana. Ampiasainay atao fanomezana ho an’ny mpiara-monina aminay ireo boky fanampiny ireo. Ny mpiara-monina iray dia nilaza tamiko fa manome hafaliana azy ny mahita ilay gazetiboky ao amin’ny fitoeran-taratasiny rehefa tonga ao an-trano ka reraka sy vizan’ny asa iny izy. Fantatro fa mitaona fanahy daholo ny zavatra rehetra ao anatin’ny gazetiboky—hatrany amin’ny hafatr’ireo Manampahefana Ambony ka hatrany amin’ireo tantara avy amin’ny mpikambana—ary ny famakiana izany dia mitondra fahalalana sy fitahiana ary hanampy ahy hitombo fitiavana sy faniriana hahazo an-tsaina ireo namako.

Bertha Viola Rétiz Espino, Méxique