2017
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
November 2017


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Jose L. Alonso

(119) Niahiahy mikasika ny fitiavan’ny renibeny azy ny zafikelilahin’i Jose L. Alonso. Nanamaivana ny enta-mavesany tamin’ny alalan’ny famelan-keloka ireo ray aman-dreny izay maty zanakalahy tao anatin’ny loza.

Neil L. Andersen

(122) Nanampy tovovavy iray hanaiky fangataham-bady ny Fanahy Masina. Nitahy ny vahoaka Sinoa i Russell M. Nelson satria nanaraka ny torohevitry ny mpaminany izy.

Ian S. Ardern

(117) Nahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna ny mpanjono iray raha teny an-dranomasina.

M. Russell Ballard

(104) Nitoetra ho mahatoky i Jane Manning James izay Olomasin’ny Andro Farany mpisava lalana. Nanompo nandritra ny taona maro dia maro ireo ray aman-drenin’ny raiben’i M. Russell Ballard.

Jean Bingham

(85) Nianatra tsianjery ny “Ilay Kristy Velona” i Jean B. Bingham. Nanao dia nankany amin’ny tempoly ny rahavavy Kroasiana iray mba hofehezina amin’ny vadiny sy ny ray aman-dreniny izay efa nodimandry.

Tad R. Callister

(107) Niverina niangona ny naman’i Tad R. Callister iray rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonana sy ny Bokin’i Môrmôna.

D. Todd Christofferson

(36) Nibebaka sy nanova ny fony ny filohan’ny misiôna iray taorian’ny nofy iray.

Quentin L. Cook

(51) Nandeha nanao asa fitoriana tany Angletera i Heber C. Kimball. Rehefa nihaona tamin’i Thomas B. Marsh i Joseph Smith dia nandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 112.

Stanley G. Ellis

(112) Nampatanjaka ny zanany ny ray sy reny iray tamin’ny alalan’ny tsy fanampian’izy ireo ny zanany ara-bola taorian’ny nahavitan’izy ireo ny fianarana tany amin’ny lisea.

Sharon Eubank

(6) Nanova ny lalam-piainan’ny fianakaviany ny vehivavy iray tamin’ny alalan’ny fibebahana. Namonjy mpilomano tafiditra tao anatin’ny onjan-drano mahery vaika ny rojon’olona iray. Nandefasan’ny zatovovavy hafatra fohy ny ankizivavy iray izay nifindra tao amin’ny paroasin’izy ireo.

David F. Evans

(68) Nahazo valiny mikasika ireo fanontaniana momba ny filazantsara i Young David F. Evans ary nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly ny zatovovavy iray.

Henry B. Eyring

(81) Nanasa ankizilahy malaina iray mba hiangona ny mpitantsoratry ny kôlejin’ny diakona iray. Nivavaka ny zatovolahy iray mba hahazo fitaomam-panahy Eveka Henry B. Eyring rehefa hanome torohevitra azy. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith i Brigham Young.

(100) Voatahy i Henry B. Eyring noho ny fankatoavany ny torohevitry ny Filoha Monson mba handalina ny Bokin’i Môrmôna. Nanampy ireo tra-boina tamin’ny loza ireo Olomasin’ny Andro Farany.

O. Vincent Haleck

(58) Niaina fihafiana ny mpivady efa zokinjokiny iray mba hidirina ho mpikamban’ny Fiangonana. Nanokatra ny tanànany mba handray ny filazantsara ny lehibe Samoana iray. Nanolotra an’izay “nananany” mba hanorenana tempoly ireo Olomasina Samoana.

Donald L. Hallstrom

(88) Tafavoaka velona tamim-pahagagana ny mpikamban’ny Fiangonana iray tany Californie raha nianjera avy teny amin’ny hantsambato iray. Nanontanian’i David A. Bednar ny tovolahy iray raha toa ka manana finoana “ny tsy ho sitrana” izy.

Jeffrey R. Holland

(40) Tao anatin’ny tantaran’i Leon Tolstoy, dia nisy pretra tsy lavorary iray izay niaro ilay lalana narahiny tamin’ny fomba tsy lavorary.

Joy D. Jones

(13) Nanamafy tamin’ny vehivavy telo ny fananany lanja masina amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra azy ny Fanahy Masina.

Joni L. Koch

(110) “Nahatsapa ho toy ny iray” tamin’ny namana Bireziliana mpankafy lalao baolina kitra iray i Joni L. Koch. Nanapa-kevitra ny “hitoetra ho iray” amin’ireo Olomasina namana ny rain’i Joni L. Koch na dia narabirabiana aza.

Neill F. Marriott

(10) Nilaza ny antony mampiavaka ny mpikambana iray fanirery tao amin’ny kilasy ireo ankizilahy tao amin’ny Kilonga. Nivavaka mba hahazo fanampiana hitiavana havana “manahirana” iray i Neill F. Marriott.

Richard J. Maynes

(75) Nianatra avy tamin’ny rainy ny tsy tokony hampandeferana velively ny fahamarinan-toetrany i Richard J. Maynes.

Russell M. Nelson

(60) Notoloran’i Russell M. Nelson Bokin’i Môrmôna iray ny mpanjakan’ny foko Afrikanina iray. Nanaraka ny torohevitry ny Filoha Monson mba handalina ny Bokin’i Môrmôna i Russell M. Nelson. Fony izy mpitsabo mpiofana momba ny fandidiana dia naniry mafy ny hampianatra ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay vonton’alahelo izy fa tafiditra ao anatin’ilay fiainana amin’ny maha-tsy mety maty antsika ny fahafatesana.

Bonnie L. Oscarson

(25) Nitady fomba hanompoana ireo olona ao amin’ny fianakaviany ny ankizy 10 taona sy ny zatovo 17 taona iray. Nahazo fitaomam-panahy mba hanompo ny mpifanolobodirindrina aminy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray.

Stephen W. Owen

(48) Nahatsapa i Stephen W. Owen fa “niaina ny finoana mitondra ho amin’ny fibebahana” ireo misiônera vaovao. Nanao asa ny misiônera nahavita asa fitoriana iray mba hihazonana ny tenany ho “eo amin’ny lalana marina.”

Adilson de Paula Parrella

(115) Nampianatra ny fianakaviana Parrella ny misiônera fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Nanaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany mba hitady vady i Adilson de Paula Parrella fony izy mpianatra tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony.

John C. PingreeZanany

(32) Nanompo ireo mpitsoa-ponenana avy any Népal tany Utah ny mpikamban’ny Fiangonana iray avy any Népal ary nanampy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Népalais. Nanampy an’i John C. Pingree Zanany hahatakatra ny tanjon’ny “asa masina” ny Fanahy Masina. Miasa amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy sy ny fitsapana mba hitahiana ny zanany ny Tompo.

Ronald A. Rasband

(55) Nankafy ilay fihaonana nampihetsi-po tamin’ny anadahiny nandritra ny fanaovany asa fitoriana ny zafikelivavin’i Ronald A. Rasband. Nihaona tamin’ny rahavavy misiônera iray tao Temple Square izay nampiany mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana i Ronald A. Rasband.

Dale G. Renlund

(64) Nifaly tamin’ny famerenana ireo fitahian’ny fisoronana tamin’ny tovolahy iray i Dale G. Renlund.

Gary E. Stevenson

(44) Nankalaza ny tsingerintaona nahaterahan’ny Filoha Monson ireo Olomasina. Nanintona olona an-tapitrisany ilay fanakona-masoandro tanteraka tany Etazonia.

Dieter F. Uchtdorf

(21) Nandeha an-tongotra nody teo amin’ny halavirana 3220 km ny alika very iray. Lasa tena nisy ho an’i Dieter F. Uchtdorf ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana nandritra ny fitsidihan’ny fianakaviany ireo toerana manan-tantaran’ny Fiangonana.

W. Christopher Waddell

(94) Lasa tsy araka ny tokony ho izy ny fotoam-pialan-tsasatry ry fianakaviana Waddell. Namela lova mifono finoana sy fanompoana ary fahatokiana ny Tompo ny Olomasin’ny Andro Farany iray izay jamba nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

W. Craig Zwick

(97) Nanampy an’i W. Craig Zwick hahatakatra ny zavatra nilain’ilay misiônera tsy nahay namaky teny ny Fanahy Masina. Ny fifantohan’ny zanakalahy iray tamin’ny Mpamonjy talohan’ny nahafatesany dia nanampy ny fianakaviany hiandrandra amim-pifaliana ilay fiainana ho avy. Feno fitiavana ny vehivavy manambady iray rehefa nesoriny ireo fahatsapana ratsy mikasika ny vadiny.