2020
Ho tonga tahaka Azy
Nôvambra 2020


Ho tonga tahaka Azy

Amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy irery ihany no hahafahantsika rehetra mandroso ka lasa tahaka Azy.

Ilay fanentanan’ny Mpamonjy mba “ho tahaka Ahy” dia mahasadaikatra sy toa tsy azo tratrarina, eny fa na dia ho an’ireo mpandalina amin’ny antsipiriany ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony aza 1 . Angamba mety sahala amiko ianareo—mahafantatra loatra ny fahadisoanareo sy ny tsy fahombiazanareo, hany ka mihevitra ianareo fa mampahazo aina kokoa ny mizotra amina lalana izay tsy misy fiakarana sy tsy mitaky fivoarana firy. “Tsy isalasalana fa tsy azo tanterahina io fampianarana io ary niniana natao tafahoatra mba hanairana,” hoy isika manamarin-tena rehefa misafidy ny hanao lalan-dririnina mba tsy handaniana aina.

Saingy ahoana kosa raha toa ka tsy sarin-teny ilay hoe ho tonga “tahaka [Azy]”, na dia amin’izao fiainana an-tany izao aza? Ahoana tokoa moa izany raha toa azo tratrarina, amin’ny ampahany, amin’izao fiainana izao, ary tena zavatra takina mialoha ny ahafahana miaraka Aminy indray? Ahoana raha ilay hoe ho “tahaka Ahy” mihitsy no tena tian’ny Mpamonjy holazaina ara-bakiteny? Dia ahoana ary? Hatraiza ny ezaka tiantsika hatao mba hanasana ny heriny feno fahagagana eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika manova ireo faniriana sy fironana maha-isika antsika.

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Rehefa saintsainina hoe nodidian’i Jesoa isika ho tonga tahaka Azy dia mahita fa ny toetoetra izay misy antsika amin’izao fotoana izao dia tsy voatery hoe ratsy, fa hoe tsy tena resy lahatra isika ary tsy nafana fo amin’ny tanjony—izay tanjontsika ihany koa anefa! Midera ny hatsarany isika saingy mahalana no miezaka ny ho tahaka Azy.” 2 I Charles M. Sheldon, tanora mpitoriteny iray dia naneho fahatsapana mitovy amin’izany tamin’izao fomba izao: “Ny fomba anarahantsika an’i Kristy dia diso tia loatra ny zavatra mora atao sy mampahazo aina, hany ka tsy te hizaka zavatra sarotra sy mavesatra toy ny hazofijaliana.” 3

Raha ny marina dia mihatra amin’ny rehetra ilay didy ny ho tonga tahaka Azy, tsy misy hafa amin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tahaka ny Ray. 4 Rehefa mandroso isika dia lasa feno sy tomombana kokoa ary mivelatra tanteraka. 5 Ny fampianarana toy izany dia tsy mifototra amin’ny fotopampianaran’ antokom-pivavahana fa tonga mivantana kosa avy tamin’ny Tompo mihitsy. Amin’io fomba fijery io no tokony hitondrana ny fiainana, sy handinihana ny fomba fifaneraserana, ary hanamafisana ny fifandraisana. Tena tsy misy fomba hafa hanasitranana ny ratran’ny fifandraisana rava na ny fiaraha-monina mizarazara ankoatra ny fiezahantsika tsirairay kokoa ny ho tonga tahaka an’ilay Andrian’ny fiadanana. 6

’Ndeha ary hosaintsainintsika ny fomba hanombohana ezaka izay feno fandinihana sy finiavana ary fahatsapan-tena mba hahatongavana tahaka Azy amin’ny alalan’ny fahazoana ireo toetra tahaka ny an’i Jesoa Kristy mihitsy.

Mandraisa fanapahan-kevitra ary manaova fanoloran-tena

Taona vitsivitsy lasa izay no nijoroanay mivady teo amin’ny fiantombohan’ny lalana kely mananika ny tendrombohitra farany avo any Japana, dia ny vohitra Fuji. Rehefa nanomboka ny fiakaranay izahay dia niandrandra ny tendrony izay tena lavitra ka nanontany tena raha toa ka ho tonga eny.

Sary
Tendrombohitra Fuji

Raha nandroso izahay dia nanomboka nahatsapa harerahana sy fanaintainana teo amin’ny hozatra ary ny vokatry ny haavo. Raha ny ara-tsaina dia lasa zava-dehibe taminay ny tsy mifantoka afa-tsy amin’ny dingana manaraka. Niteny izahay hoe: “Mety tsy ho tonga haingana eny an-tampony aho, saingy azoko atao ity dingana manaraka ity izao ankehitriny izao.” Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa azo tratrarina ihany ilay zavatra nahasadaikatra—dingana iray isaky ny mandeha.

Ny dingana voalohany amin’io lalana ahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy io dia ny fananana faniriana hanao izany. Tsara ny mahatakatra ilay didy hoe ho tonga tahaka Azy, saingy izany fahatakarana izany dia ilaina ampiarahina amina faniriana fatratra hiova, dingana iray isaky ny mandeha, mandresy ny maha olona araka ny nofo. 7 Mba hananana ilay faniriana dia tsy maintsy mahafantatra isika hoe iza moa i Jesoa Kristy. Tsy maintsy mahafantatra momba ny toetrany isika, 8 ary tsy maintsy mitady ireo toetrany ao amin’ny soratra masina sy amin’ny fotoam-pivavahana ary amin’ny toerana masina hafa. Rehefa manomboka mahafantatra kokoa ny momba Azy isika dia hahita taratra ireo toetrany eny amin’ny hafa. Izany dia hankahery antsika amin’ny fikatsahantsika manokana, satria raha mahavita manatratra ny toetrany ny hafa, amin’ny fomba sasany, dia hahavita ihany koa isika.

Raha toa ka marina amin’ny tenantsika isika dia hibitsibitsika ilay fahazavan’i Kristy 9 ao anatintsika ka hanambara fa misy halavirana manelanelana ny misy antsika raha ampitahaina amin’ilay toetran’ny Mpamonjy izay irina. 10 Zava-dehibe ny fahamarinan-toetra toy izany raha toa isika te hivoatra ho tonga tahaka Azy. Tena iray amin’ireo toetrany tokoa ny fahamarinan-toetra.

Sary
Fitaratra manova endrika

Ankehitriny, ireo izay marisika amintsika dia mety hihevitra ny hanontany olona ao amin’ny fianakaviana izay itokisana, na vady, na namana, na mpitarika ara-panahy hoe toetran’i Jesoa Kristy manao ahoana no tsy ampy ao amintsika—ary mety mila mivonona isika amin’izay ho valin-teny eo! Indraindray isika dia mijery ny tenantsika amin’ny fitaratra mpanova endrika natao hahatsikaiky, izay mampiseho ny tenantsika na ho vaventy lavitra kokoa na ho mahia lavitra kokoa noho ny tena izy.

Ireo namana sy fianakaviana azo itokisana dia afaka manampy antsika hahita ny tenantsika amin’ny fomba marina kokoa, saingy na izy ireo aza, na te ho be fitiavana sy tia manampy toa ny ahoana aza, dia mety hahita amin’ny fomba tsy tanteraka. Noho izany dia iankinan’ny aina ny hanontaniantsika ny Raintsika any An-danitra ny zavatra ilaintsika sy izay tokony hampifantohantsika ny ezaka ataontsika. Fomba fijery tonga lafatra no ahitany antsika ary hampiseho amintsika ny fahalementsika amin’ny fomba feno fitiavana Izy. 11 Mety hianatra ianao fa ianao dia mila manana faharetana, na fanetren-tena, na fiantrana, na fitiavana, na fanantenana, na fahazotoana, na fankatoavana bebe kokoa raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy. 12

Vao tsy ela izay no nanana traikefa nampivelatra ara-panahy aho rehefa nisy mpitarika iray feno fitiavana tato anivon’ny Fiangonana nanao soso-kevitra mivantana fa izaho dia mila miezaka eo amin’ny toetra iray. Tsy nanova ny marina izy satria nanao izany tamim-pitiavana. Nozaraiko tamin’ny vadiko izany traikefa izany tamin’io alina io. Feno hatsaram-panahy sy fiantrana izy na dia rehefa nanohana ny soso-kevitr’ilay namana aza. Nohamafisin’ny Fanahy Masina tamiko fa avy tamin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ny torohevitr’izy ireo.

Mety afaka manampy ihany koa ny famitana am-pahamarinana ilay asa atao momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny toko faha 6 amin’ny Torio ny Filazantsarako. 13

Rehefa avy nanao fanombatombanana am-pahamarinana sy nanapa-kevitra ny hanomboka ilay fianihana tendrombohitra ianao dia mila mibebaka. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra tamim-pitiavana hoe: “Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.” 14

Ny fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy dia mitaky ny fanovana ny fontsika sy ny saintsika, eny, ny toetrantsika mihitsy, ary tsy ho azo tanterahina izany raha tsy noho ny fahasoavana feno fanavotan’i Jesoa Kristy. 15

Fantaro ary raiso ny andraikitra

Ankehitriny rehefa avy nanapa-kevitra ny hiova sy hibebaka ianao ary nikatsaka fitarihana tamin’ny alalan’ny vavaka, sy ny fisaintsainana am-pahamarinana, ary mety ho naka torohevitra tamin’ny hafa, dia mila misafidy toetra iray izay hifantohanao manokana. Mila manolo-tena ianao hanao ezaka manan-danja. Ireo toetra ireo dia tsy ho tonga mora foana sy tampoka eo, fa amin’ny alalan’ny fahasoavany no ahatongavan’izy ireo tsikelikely rehefa manao ezaka mafy.

Ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana mba hitahiana antsika sy ireo manodidina antsika. Araka izany ny ezaka ataontsika mba hananana ireo toetra ireo dia hitaky fitalahoana avy amin’ny fo mba handraisana ny fanampiana avy Aminy. Raha toa isika ka mikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana ireo mba hanompoana tsara kokoa ny hafa dia hitahy antsika Izy amin’ny ezaka ataontsika. Ny fikatsahana feno fitiavan-tena fanomezam-pahasoavana iray avy amin’ Andriamanitra dia hiafara amin’ny fahadisoam-panantenana sy fahasosorana.

Rehefa mifantoka mafy ianao amin’ny toetra iray izay ilaina ka mandroso amin’ny fandraisana izany toetra izany dia hanomboka handray toetra hafa ihany koa. Moa ve ny olona iray izay mifantoka mafy amin’ny fiantrana tsy hitombo fitiavana sy fanetren-tena? Moa ve ny olona iray izay mifantoka mafy amin’ny fankatoavana tsy handray fahazotoana sy fanantenana bebe kokoa? Ireo ezaka manan-danja ataonao mba handraisana toetra iray dia ho lasa ilay samonta izay mampiakatra ny sambo rehetra eo amin’ny seranan-tsambo.

Raketo an-tsoratra ary tohizo hatrany

Manan-danja amiko ny mirakitra an-tsoratra ireo traikefa azoko sy ny zavatra izay ianarako rehefa miezaka ny ho tonga tahaka Azy aho. Rehefa mandalina sy mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetrany aho dia mianatra zava-baovao avy ao amin’ny soratra masina rehefa mahita ohatra momba io toetra io eo amin’ny fampianarany, sy ny fanompoana nataony ary ireo mpanara-dia Azy. Lasa mifantoka kokoa amin’ny famantarana ilay toetra eo amin’ny olon-kafa ny masoko. Nahita olona maro mahafinaritra aho, mpikambana sy tsy mpikamban’ny Fiangonana, izay manana toetra miezaka ny ho tonga tahaka Azy. Izy ireo dia ohatra mahery vaika amin’ny fahafahan’ireo toetra ireo ho hita taratra eny amin’ny olombelona tsotra amin’ny alalan’ny fahasoavany feno fitiavana.

Mba hahitana fivoarana tena marina dia mila manao ezaka tsy tapaka ianao. Mitovy amin’ny fianihana tendrombohitra iray izay mitaky fiomanana mialoha ny fianihana ary fitozoana sy faharetana mandritra ny fianihana, ity fiezahana ho tonga tahaka Azy ity ihany koa dia mitaky fiezahana marina sy fahafoizan-tena. Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay hiezahantsika ho tonga tahaka ny Tompontsika dia nitaky hatrany ny ezaka tsara vitantsika. 16

Izao ary dia misy teny fampitandremana fohy. Tsy natao hahatonga anao hahatsapa ho meloka na tsy mendrika na tsy tiana ilay didy ny ho tonga tahaka Azy. Ny traikefantsika manontolo amin’ny fiainana an-tany dia mahakasika ny fivoarana sy fiezahana sy tsy fahombiazana ary fahombiazana. Na nirinay mivady mafy aza ny hoe mba afaka nanakipy ny masonay dia avy eo tonga ho azy teny an-tampon’ilay tendrombohitra tamin’ny fomba mahagaga dia tsy izany mihitsy ny tanjon’ny fiainana.

Efa tsara ny vitanao, tiana ianao, saingy tsy midika akory izany hoe efa tomombana ianao. Mbola misy asa ilaina vitaina eto amin’izao fiainana izao sy any amin’ny manaraka. Miaraka amin’ny fanampiana masina avy Aminy ihany no hahafahantsika ho tonga tahaka Azy.

Amin’izao fotoana izao, rehefa “[hita fa toa] misamboaravoara ny zava-drehetra; ary … ny tahotra [dia toa] efa tonga amin’ny olon-drehetra,” 17 ny hany fanafana, ny hany fanafody, dia ny fiezahana ho tonga tahaka ny Mpamonjy, 18 ilay Mpanavotra 19 ny zanak’olombelona rehetra, ilay fahazavan’izao tontolo izao, 20 ary ny fikatsahana an’ilay nanambara hoe “Izaho no lalana.” 21

Sary
Ny Mpanavotra

Fantatro fa ny fahatongavana ho tahaka Azy amin’ny alalan’ny fanampiana masina sy tanjaka avy Aminy dia azo tratrarina tsikelikely. Raha tsy izany dia tsy ho nanome antsika izany didy izany Izy. 22 Ampahany tamin’ny nahafantarako izany dia noho ny fahitako ireo toetrany eo amin’ny ankamaroanareo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. 3 Nefia 27:27. Jereo ny Matio 5:48 ahitana didy avy amin’ny Mpamonjy mifandray amin’izany (“Koa amin’ izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any An-danitra.”); 1 Jaona 2:6 (“Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa”); Môzià 3:19 (“Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy”); Almà 5:14 (“Ary ankehitriny, indro manontany anareo aho ry rahalahiko ao amin’ny fiangonana, efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo?”); 3 Nefia 12:48 (“Koa mba tiako ianareo ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”).

  2. Neal A. Maxwell, Even as I Am (1982), 16.

  3. Charles M. Sheldon, In His Steps (1979), 185.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–17.

  5. Jereo ny Matio 5:48, fanamarihana ambany pejy b.

  6. Jereo ny Isaia 9:6; 2 Nefia 19:6.

  7. Jereo ny 1 Korintiana 2:14; Môzià 3:19.

  8. Jereo ny Matio 7:23; 25:12; Môzià 26:24; jereo ihany koa ireo fanamarihana ambany pejy amin’ny soratra masina tsirairay; David A. Bednar, “Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, Nôv. 2016, 102–5.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2.

  10. Jereo ny Môrônia 7:12–19.

  11. Jereo ny Etera 12:27.

  12. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera, ed. nohavaozina (2019), toko 6, “Ahoana no Fomba hananako ireo toetra tahaka ny an’i Kristy?” Ireo soratra masina momba ny toetran’ny Mpamonjy hafa dia hita any amin’ny andinin-tsoratra masina maro samihafa. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny Môzià 3:19; Almà 7:23; Fanekem-pinoana 1:13.

  13. Jereo ny Torio ny Filazantsarako, 139.

  14. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67.

  15. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana”, scriptures.ChurchofJesusChrist.org.Fahasoavana

  16. Jereo ny Sheldon, In His Steps, 246: “Raha ny famaritantsika ny hoe Kristianina dia ny mankafy fotsiny ny tombontsoa avy amin’ny fitsaohana, ny ho malala-tanana fa tsy misy sarany avy amintsika, ny hiaina fotoana mahafinaritra hodidinin’ny namana mahafinaritra sy zavatra mampahazo aina, miaina fiainana mendrika eo anivon’ny fiaraha-monina sady miezaka ny misoroka ny fahotana lehibe eo amin’izao tontolo izao sy ireo fahasorenana satria mitondra fanaintainana loatra ny mizaka izany—”raha izany no famaritantsika ny maha-Kristianina dia azo antoka fa isika dia lavitra ny fanarahana ny dian’izay nandeha tamin’ny fangirifiriana sy tomany sy sento noho ny fahotan’izao tontolo izao; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ny tany, izay nihiaka teo amin’ny hazo fijaliana, -Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?-”

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91.

  18. Jereo ny Isaia 43:3.

  19. Jereo ny Joba 19:25.

  20. Jereo ny Jaona 8:12.

  21. Jaona 14:6.

  22. Jereo ny 1 Nefia 3:7.