2020
Eveka L. Todd Budge
Nôvambra 2020


Eveka L. Todd Budge

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Episkôpà Mpiahy

Rehefa avy nanompo nandritra ny 18 volana tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ny Eveka L. Todd Budge dia notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy izy. Ny Eveka Dean M. Davies, izay voantso ho Fitopololahy Manampahefana Ambony no soloiny.

Nahazo mari-pahaizana licence en économie tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 1984 ny Eveka Budge. Niasa ho an’ny Bain & Company Japan; Citibank, N.A.; ary ny GE Capital tao Japana sy Atlanta, Georgia, Etazonia izy. Lasa filoha sy tale jeneralin’ny Tokyo Star Bank Limited izy tamin’ny 2003, ary filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2011. Mpikambana tao anatin’ny birao mpitantan’ny Hawaiian Airlines ihany koa izy.

Tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainany, raha nandinika ny hiova asa izy, dia nahazo torohevitra lehibe ny Eveka Budge. “Mila olona manana fahitsian-toetra isika ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana,” hoy ny mampianatra iray taminy, izay nampiany koa hoe hanome fahafahana betsaka azy hanoro hevitra sy ny hanampy olona ny lalankasa hodiaviny.

Raha ny marina dia nitondra fahafahana betsaka ho an’ny Eveka Budge mba ho hery ho an’ny tsara tao amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny asany, ka tafiditra tao anatin’izany ny nanokafana varavarana hizarana ny filazantsara tao Japana, izay nanaovany asa fitoriana tamin’ny fotoana feno taloha tao amin’ny misiônan’i Fukuoka Japana. Taty aoriana izy dia filohan’ny misiônan’i Tokyo.

“Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara” hoy izy nampianatra, “dia tsy fampanantenana fiainana tsy misy alahelo sy fahoriana fa fiainana feno tanjona sy manan-danja: fiainana izay ahafahan’ny alahelo sy ny fahoriantsika ho -voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy- [Almà 31:38].”1

Teraka tamin’ny 29 desambra 1959 tao Pittsburg, Californie, Etazonia i Lawrence Todd Budge. Nihaona tamin’i Lori Capener izy fony mpianatra taona voalohany tao amin’ny Oniversite Brigham Young. Nivady tamin’ny 1981 tao amin’ny tempolin’i Logan Utah izy ireo. Manan-janaka enina izy ireo.

Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka, filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka, eveka, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona ny Eveka Budge.

Fanamarihana

  1. L. Todd Budge, “Fitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefy,” Liahona, nôv. 2019, 47.