2020
Ny kolontsain’i Kristy
Nôvambra 2020


Ny kolontsain’i Kristy

Azontsika rehetra ankamamiana ny tsara indrindra ao amin’ny kolontsaintsika manokana eto an-tany sady mandray anjara feno ihany amin’ilay kolontsaina mandrakizay izay avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tontolo mahafinaritra izaitsizy tokoa ity iainantsika sy iarahantsika manana ity, fonenana isian’ny olona, sy fiteny, sy fomba, ary tantara isan-karazany, izay miparitaka amina firenena an-jatony sy vondron’olona an’arivony, samy manana ny kolontsainy. Manana zavatra betsaka ireharehana sy hankalazana ny zanak’olombelona. Fa na dia toetra ianarana aza ny kolontsaina, ireo zavatra miseho amintsika noho ny kolontsaina nahalehibe antsika, dia mety ho hery lehibe eo amin’ny fiainantsika, ary mety hisy fotoana koa anefa ho lasa sakana lehibe.

Mety ho lalim-paka tanteraka ao anatin’ny fisainantsika sy ny fihetsitsika ny kolontsaina ka tsy ho azo ovaina. Sady ny ankamaroan’ny zavatra tsapantsika rahateo no mamaritra antsika sy ahatsapantsika ny maha-izy antsika. Mety ho fitaomana tena mahery tokoa izany ka mety tsy hahitantsika ireo fahalemena na lesok’olombelona ao amin’ny kolontsaintsika, hany ka miteraka fisalasalana eo amin’ny fanariana ny sasany amin’ireo “fomban-drazantsika.” Ny firaiketana be loatra amin’ny kolontsain’ny olona iray dia mety hitarika amin’ny fandavana hevitra sy toetra ary fitondran-tena mendrika, na dia araka an’ Andriamanitra aza izany.

Nahafantatra lehilahy mahafinaritra iray aho, tsy dia ela loatra izay, nanampy tamin’ny fanazavana io fitsipiky ny fahajambana ara-kolontsaina maneran-tany io. Tany Singapore no nihaonako taminy voalohany raha voatendry ho mpampianatra isan-tokantrano misahana ny fianakaviany aho. Profesora malaza ao Sanskirt sy Tamil izy, ary avy any atsimon’i Inde. Mpikamban’ny Fiangonana ny vadiny sy ny zanany roa lahy, saingy tsy mbola niditra ho mpikambana na nihaino firy ny fampianaran’ny filazantsara mihitsy izy. Nahafaly azy ny fivoaran’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary nanohana azy ireo tanteraka izy tamin’ny zavatra nataon’izy ireo sy ny andraikitra sahanin’izy ireo tao am-piangonana.

Rehefa nanolo-tena ny hampianatra azy ny fitsipiky ny filazantsara sy hizara aminy ny finoantsika aho dia nandà izy tamin’ny voalohany. Somary ela vao fantatro hoe nahoana: nahatsapa izy fa raha manao izany dia ho lasa mpamadika ny lasany sy ny olony ary ny tantarany! Tamin’ny fieritreretany dia handà ny maha-izy azy, sy izay zavatra nampianarin’ny fianakaviany azy ary ny vakoka ananany amin’ny maha-indiana azy izy. Tao anatin’ireo volana vitsivitsy taorian’izay dia afaka niresaka momba ireo olana ireo izahay. Talanjona aho (fa tsy gaga!) tamin’ny fomba nanokafan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny masony ka nahafahany nanana fijery hafa.

Ao anatin’ny ankamaroan’ny kolontsain’ny olombelona dia sady ahitana ny tsara no ahitana ny ratsy, sady mampiorina no manimba.

Maro amin’ireo olana misy eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity no vokatry ny fifandonana eo amin’ireo izay manana hevitra sy fomba tsy mitovy noho ny kolontsainy. Kanefa saika ny fifandonana sy ny savorovoro rehetra no hisinda vetivety raha toa ka tsy manaiky afa-tsy ny kolontsainy fototra izao tontolo izao, dia ilay kolontsaintsika vao tsy ela akory izay. Io kolontsaina io dia nanomboka tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Izany no kolontsain’i Adama sy i Enoka. Io no kolontsaina hita ao amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana, ary mbola misy izany ankehitriny ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra. Tsy manam-paharoa izy io. Izy no lehibe indrindra amin’ny kolontsaina rehetra ary avy amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana, izay nataon’ Andriamanitra sy arovan’i Kristy. Mampiray izy fa tsy mampisaraka. Manasitrana izy fa tsy mandratra.

Mampianatra antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa manana tanjona ny fiainana. Tsy tongatonga ho azy na fahadisoan-javatra no nampisy antsika eto! Misy antony ny maha-eto antsika.

Io kolontsaina io dia mifototra amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa misy ny Raintsika any An-danitra, tena misy Izy ary tia antsika tsirairay manokana. Isika no “asa[ny] sy voninahi[ny].” 1 Manohana ny hevitry ny fitoviana lenta io kolontsaina io. Tsy misy fanavahana saranga na sokajy izany. Sady isika rahateo dia mpianakavy avokoa, zanaka ara-panahin’ny ray aman-drenintsika any an-danitra ara-bakiteny. Tsy ahitana toe-tsaina mpitsaratsara foana na “mpomba ny atsy sy aroa” ao amin’ilay lehibe indrindra amin’ny kolontsaina rehetra. Samy mpomba ny “atsy” daholo isika. Samy mpomba ny “aroa” avokoa isika. Mino isika fa manana andraikitra ary tompon’andraikitra amin’ny tenantsika, amintsika samy isika, amin’ny Fiangonana, ary amin’izao tontolo izao. Ny andraikitra sy ny maha-tompon’andraikitra dia tena manan-danja eo amin’ny fitomboantsika.

Ny fiantrana, ilay tena fikarakarana ny hafa tahaka ny nataon’i Kristy, no fototr’io kolontsaina io. Mahatsapa fiahiana marina ny amin’ny filan’ny mpiara-belona amintsika isika, na ara-nofo na ara-panahy, ary manao zavatra araka izany fahatsapana izany. Manala ny fitsaratsarana foana sy ny fankahalana izany.

Misitraka kolontsaina isian’ny fanambarana isika, izay mifototra amin’ny tenin’ Andriamanitra araka ny andraisan’ireo mpaminany azy (ary azontsika tsirairay hamarinina manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany). Ny olombelona rehetra dia afaka mahafantatra ny sitrapo sy ny sain’ Andriamanitra.

Io kolontsaina io dia miaro ny fitsipiky ny fahafahana misafidy. Ny fahafahana misafidy dia tena manan-danja lehibe ho amin’ny fivoarantsika sy ny fahasambarantsika. Zava-dehibe ny misafidy amim-pahendrena.

Kolontsain’ny fianarana sy fandalinana izy io. Mikatsaka fahalalana sy fahendrena isika ary ny tsara indrindra amin’ny zava-drehetra.

Kolontsain’ny finoana sy fankatoavana izy io. Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fitsipika voalohany amin’ny kolontsaintsika ary ny fankatoavana ireo fampianarany sy ny didiny no vokatr’izany. Miteraka fifehezan-tena izany.

Kolontsain’ny vavaka izy io. Mino isika fa tsy hoe mihaino antsika fotsiny Andriamanitra, fa manampy antsika ihany koa.

Kolontsain’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy izy io, fenitra ara-pitondrantena ambony, fahafoizan-tena, famelan-keloka sy fibebahana, ary fikarakarana ny vatantsika, izay tempoly. Ireo rehetra ireo dia mijoro ho vavolombelon’ny fanoloran-tenantsika ho an’ Andriamanitra.

Izy io dia kolontsaina tantanan’ny fisoronana, ilay fahefana entina manao zavatra amin’ny anaran’ Andriamanitra, ilay herin’ Andriamanitra hitahiana ny zanany. Mampiorina sy manome fahafahana ny olona ho lasa olona, mpitarika, reny, ray, ary vady tsaratsara kokoa izany, ary manamasina ny tokantrano izany.

Feno fahagagana marina ao anatin’io, ilay kolontsaina ela indrindra, izay ateraky ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny herin’ny fisoronana, ny vavaka, ny fivoaran’ny tena manokana, ny tena fiovam-po, ary ny famelan-keloka.

Kolontsain’ny asa fitoriana izy io. Lehibe ny hasarobidin’ny olona.

Ao amin’ny kolontsain’i Kristy ny vehivavy dia asondrotra amin’ny lenta sahaza azy ireo mandrakizay. Tsy eo ambany fifehezan’ny lehilahy izy ireo, tahaka ny amin’ny ankamaroan’ny kolontsaina amin’izao tontolo izao ankehitriny, fa mpiara-miasa feno ary mitovy lenta aminy eto sy any amin’ny tontolo ho avy.

Io kolontsaina io dia manaiky ny fahamasinan’ny fianakaviana. Ny fianakaviana no rafitra fototry ny mandrakizay. Mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny fahatanterahan’ny fianakaviana, araka ny nampianarina hoe: “tsy misy fahombiazana mahaonitra ny tsy fahombiazan’ny tokantrano.” 2 Ny tokantrano no toerana ahatontosantsika ny asa tsara indrindra avy amintsika ary ao no ahatratrarantsika ny fahasambarantsika lehibe indrindra.

Ao amin’ny kolontsain’i Kristy dia misy fomba fijery, ary fifantohana sy fizorana any amin’ny mandrakizay. Io kolontsaina io dia miompana amin’ireo zavatra manana lanjany mandrakizay! Avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany, izay maharitra mandrakizay, ary manazava ny antom-pisiantsika sy ny hoavintsika. (Mandray ny olona rehetra izy io fa tsy manilika.) Koa satria io kolontsaina io dia vokatry ny fampiharana ireo fampianaran’ny Mpamonjy antsika dia manolotra balsama manasitrana izay tena ilain’izao tontolo izao fatratra izany.

Tena fitahiana tokoa ny fahafahana miaina ity fomba fiainana lehibe sy mendri-kaja ity! Hitaky fiovana ny fahafahana hiaina ao anatin’ity lehibe indrindra amin’ny kolontsaina rehetra ity. Nampianatra ireo mpaminany fa ilaina ny famelana izay zavatra tamin’ny kolontsaintsika taloha ka tsy mifanaraka amin’ny kolontsain’i Kristy. Saingy tsy midika izany fa tsy maintsy mandao ny zava-drehetra isika. Nanamafy ihany koa ireo mpaminany fa isika, isika rehetra sy ny tsirairay amintsika, dia asaina hitondra ny finoantsika sy ny talentatsika ary ny fahalalantsika, izay rehetra tsara eo amin’ny fiainantsika sy ny kolontsaitsika manokana, miaraka amintsika, ary hamela ny Fiangonana “hampitombo” izany amin’ny alalan’ny hafatry ny filazantsara. 3

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy fiarahamonina Tandrefana na trangan-javatra ara-kolontsaina amerikana. Fiangonana maneran-tany izy io, araka ny nananganana azy. Ankoatra izay dia avy any an-danitra izy io. Ireo mpikambana vaovao manerana izao tontolo izao dia mitondra harena, fahasamihafana ary fientanentanana ho an’ny fianakaviambentsika izay tsy mitsaha-mitombo. Olomasin’ny Andro Farany maro maneran-tany izao no mbola mankalaza sy manaja ny vakoka ananany sy ny maherifony, saingy ankehitriny izy ireo dia anisan’ny zavatra mbola lehibe lavitra ihany koa. Ny kolontsain’i Kristy dia manampy antsika hahita ny tenantsika amin’ny tena maha-izy antsika, ary rehefa hita amin’ny alalan’ny maso mibanjina ny mandrakizay izany, ampiarahina amin’ny fahamarinan-toetra, dia mampitombo ny fahafahantsika manatanteraka ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.

Inona ary no nitranga tamin’ilay namako? Nampianarina ireo lesona izy ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nofehezina mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay ny fianakaviany taorian’izay tao amin’ny tempolin’i Sydney Australie. Nilavo lefona kely izy, dia nahazo ny hery ahafahana manao ny zavatra rehetra. Hitany fa mbola afaka nankalaza ny tantarany ihany izy, mbola afaka nirehareha ny amin’ny razambeny, ny hira sy dihy ary ny literatiorany, ny sakafony, ny taniny ary ny vahoakany ihany. Nahita izy fa tsy misy olana mihitsy ny mampiditra ny tsara indrindra amin’ny kolontsainy ho ao amin’ilay lehibe indrindra amin’ny kolontsaina rehetra. Nahita izy fa ny fitondrana izay mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny fahamarinan-toetra teo amin’ny fiainany taloha ho ao amin’ny fiainany vaovao dia tsy manao afa-tsy ny manatsara ny fiarahany amin’ireo Olomasina ary manampy amin’ny fampiraisana ny rehetra ho iray ao amin’ny fiarahamonin’ny lanitra.

Azontsika rehetra ankamamiana tokoa ny tsara indrindra ao amin’ny kolontsaintsika manokana eto an-tany kanefa mbola mandray anjara feno amin’ilay kolontsaina antitra indrindra amin’izy rehetra, ilay kolontsaina fototra, tena izy, mandrakizay izay avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Vakoka tena mahatalanjona tokoa no iarahantsika manana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Mosesy 1:39.

  2. J. E. McCulloch, ao amin’ny Enseignements des présidents de l’église: David O. McKay (2011), 154.

  3. Jereo ny Teachings of Presidents of the Church: George Albert Smith (2011), xxviii; Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Liahona, Nov. 2002, 78–81.