2020
Tempoly vaovao miisa enina nambara
Nôvambra 2020


Tempoly vaovao miisa enina nambara

Tempoly vaovao miisa enina no nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nambara fa hahazo tempoly i:

  • Tarawa, Kiribati. Ny Kiribati dia firenena iray ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika akaiky ny tsipika iraisam-pirenena fanasarahana daty ka izany dia nosy 32 voahodidina haran-dranomasina.

  • Port Vila, Vanuatu. Ny Vanuatu dia firenena ahitana nosy miisa 80 ao amin’ny Pasifika Atsimo.

  • Lindon, Utah, Etazonia. Lindon dia 64 km atsimon’i Salt Lake City.

  • Guatemala Renivohitra sy ny manodidina, Guatemala. Ny Guatemala, ao Amerika Afovoany dia hanana tempoly efatra ato ato.

  • São Paulo Atsinanana, Brésil. Io no ho tempoly faha-12 nambara ho an’i Brésil.

  • Santa Cruz, Bolivie. Io no ho tempoly faharoa ho an’ity firenena any Amerika Atsimo ity.

Hatramin’ny naha-lasa azy Filohan’ny Fiangonana tamin’ny 2018 dia nanambara ny hananganana tempoly vaovao miisa 49 ny Filoha Nelson. Ankehitriny ny Fiangonana dia manana tempoly efa nambara, eo an-dalam-panamboarana, na am-perinasa miisa 230.