2020
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-190
Nôvambra 2020


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-190

Teo anivon’ny fotoam-pisalasalana dia nahita fotoam-piadanana ny olona an-tapitrisany maro nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany noranterahina tamin’ny 3–4 ôktôbra 2020. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nampitodika antsika ho amin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ireo hafatra mikasika ny firaisan-kina sy ny fitiavana, ny fanantenana sy ny fanasitranana, ary ny fiadanana ao amin’ny tanjana masina.

Nampianatra antsika ny fomba hahazoana ny fitahiana avy amin’ny hoe lasa vahoakan’ Andriamanitra ny Russell M. Nelson.

“Rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo ianareo dia hahita manokana ianareo fa Andriamanitra dia -Andriamanitry ny fahagagana- [Môrmôna 9:11].” —Filoha Russell M. Nelson (jereo ao amin’ny pejy 92)

Mpandahateny maro no niresaka momba ny fitomboan’ny tena manokana amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, ny fatokisana Azy, ary ny fanoavana ny sitrapony.

“Rehefa mitodika [amin’i Jesoa Kristy] amim-panetren-tena isika dia hampitomboiny ny fahafahantsika miova.” —Becky Craven (jereo ny pejy 58)

Mbola nitondra fiantraikany hatrany tamin’ny zavatra hitantsika sy rentsika tamin’ny fihaonambe ny coronavirus. Noho ny fananana traikefa bebe kokoa anefa dia nisy ny fomba fijery nivelatra kokoa ka ireo mpandahateny dia tsy nifantoka tamin’ny fanantenana fotsiny ihany fa tamin’ny fahatakarana lehibe kokoa ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay ihany koa.

“Ireo fitsapana eo amin’ny sekolin’ny fiainana an-tany dia singa manan-danja eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay. … Mivavaka aho mba hianarantsika … ireo lesona manan-danja izay ireo zava-tsarotra iainana ihany no afaka mampianatra izany antsika —Loholona David A. Bednar (jereo ny pejy 8)

Noho ny tsy filaminana ara-piarahamonina izay misy any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia nanameloka ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny herisetra ireo mpitarika. Niantso antsika Olomasin’ny Andro Farany izy ireo mba ho iray ao amin’ny fahamarinana, hahita firaisan-kina ao anatin’ny fahasamihafana, ary hanampy amin’ny fanorenana fiarahamonina anjakan’ny fahamarinana sy ny fitiavana.

“Miaina ao anaty tontolo misaratsaraka tokoa isika. … Afaka ny ho hery hampahery sy hitahy ny fiarahamonina manontolo isika.” —Loholona Quentin L. Cook (jereo ny pejy 18)

Eo am-piainanao indray ny fihaonambe amin’ny alalan’ity laharana ity dia manantena izahay fa hiaina indray ny fanantenana sy ny fampaherezana tsapanao tamin’ny voalohany ianao, ary koa hahazo fahatakarana vaovao amin’ny alalan’ny fandalinanao mandritra ireo volana ho avy.