2020
Mahita fifaliana ao amin’i Kristy
Nôvambra 2020


Mahita fifaliana ao amin’i Kristy

Ny fomba azo antoka indrindra ahitana fifaliana eto amin’ity fiainana ity dia ny fiarahana amin’i Kristy amin’ny fanampiana ny hafa.

Tsy mangataka ny zatovontsika ao amin’ny Fisoronana Aharôna mba hanao ny zava-drehetra ny Tompo; fa ny zavatra angatahany dia tena mahatalanjona.

Taona vitsy lasa izay dia nandalo ny zavatra andalovan’ny fianakaviana maro eto amin’ity tontolo lavo ity ny fianakaviana kelinay. Tratry ny homamiadana i Tanner Christian Lund zanakay faralahy. Fanahy nahatalanjona izy toy ny ankamaroan’ny zaza sivy taona. Tia sangisangy be izy no sady nahavariana be ihany koa ny aim-panahiny. Sady nadiditra izy no anjely kely. Fony izy mbola kely sady nanahirana anay isan’andro tamin’ny ditraditra nataony dia nanontany tena izahay hoe ho lasa mpaminany ary ve izy sa ho lasa mpandroba banky. Na izany na tsy izany dia toa hametraka marika eto amin’izao tontolo izao izy.

Avy eo dia lasa narary mafy izy. Nampiasa fomba fitsaboana feno fahasahiana hanavotan’aina ny fitsaboana maoderina nandritra ireo telo taona nanaraka, ka tafiditra tao anatin’izany ny fandidiana anankiroa famindrana tsoka tao aminy izay nahatonga azy ho voan’ny pnemônia, ka nitaky ny fampiasany fitaovana manampy amin’ny fisefoana sady tsy nahatsiaro tena nandritra ny 10 herinandro. Nihatsara tamim-pahagagana nandritra ny fotoana fohy izy; dia niverina indray anefa ilay homamiadana avy eo.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia nandrakotra ny taolany ilay homamiadana ary na dia nampiasa fanafody mahery vaika fanamaivanana fanaintanana aza izy dia mbola nijaly ihany. Zara izy raha afaka nitsangana avy teo am-pandriana. Indray alahady maraina dia niditra tao an’efiny i Kalleen reniny, mba hijery azy alohan’ny handehanan’ny fianakaviana any am-piangonana. Gaga izy nahita azy nahavita niakanjo irery ary nipetraka teo amin’ny sisim-pandriany, sahirana mafy nanidy ny bokotra tamin’ny lobany. Nipetraka teo akaikiny i Kalleen. “Tanner a” hoy izy, “vitanao ve ny handeha any am-piangonana? Sao dia tokony hijanona ato an-trano ianao ary haka aina androany.”

Nandinika ny gorodona izy. Diakona izy tamin’izany. Nanana kôlejy izy. Ary nanana andraikitra.

“Tokony hizara ny fanasan’ny Tompo aho androany.”

“Mino aho fa misy olona afaka hanao izany amin’ny toeranao.”

“Eny,” hoy izy “saingy … hitako ny fomba fijerin’ny olona ahy rehefa mizara ny fanasan’ny Tompo aho. Hitako hoe manampy azy ireo izany.”

Koa dia nanampy azy nanidy ny lobany sy namatotra ny karavatony i Kalleen ary avy eo dia nankany am-piangonana izy ireo. Tena nazava fa nisy zavatra manan-danja nitranga.

Avy namonjy fivoriana hafa aho no nankany am-piangonana ary gaga raha nahita an’i Tanner nipetraka teo amin’ny sezan’ireo diakona. Nolazain’i Kalleen moramora tamiko ny antony naha teo azy sy ny zavatra noteneniny hoe: “Manampy olona izany.”

Koa dia nandinika ireo diakona nanatona ny latabatry ny fanasan’ny Tompo aho. Niankina moramora teo amin’ny diakona iray hafa izy raha nanolotra ny lovia misy ny mofo tamin’izy ireo ireo mpisorona. Taorian’izany dia nankeny amin’ny toerana natokana ho azy i Tanner ary nihazona ilay dabilio mba tsy hianjera raha nanolotra ny fanasan’ny Tompo.

Toa nitodika tany aminy avokoa ny maso rehetra tao amin’ilay trano fiangonana, nalahelo noho ny fahasahiranany rehefa nanao ilay anjarany izay tena tsotra izy. Nahavita nampita lesona mangina i Tanner, raha nitety dabilio tamin’ny fomba manetriketrika, ny lohany sady sola no tsemboka, nisolo tena ny Mpamonjy toy ny ataon’ny diakona. Ny vatan’ity diakona tsy nanaiky lembenana taloha ity dia azo lazaina hoe voatorotoro sy vaky ary potipotika, nanaiky hijaly an-tsitrapo mba hanompo amin’ny fitondrana ireo tandindon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Ny fandinihana ny fiheverany ny maha-diakona azy dia nanova ny fijerinay ihany koa, momba ny fanasan’ny Tompo, momba ny Mpamonjy, ary momba ireo diakona sy mpampianatra ary mpisorona.

Mahavariana ahy ilay fahagagana mangina nanosika azy tamin’io maraina io hamaly amin’ny herim-po an’ilay antso malefaka sy tony hanompo, ary ny tanjaka sy ny fahaizan’ireo zatovo vao misondrotra rehefa manosika ny tenan’izy ireo hamaly ny antson’ny mpaminany mba hirotsaka amin’ny tafik’ Andriamanitra ary hanao ny asa ho an’ny famonjena sy fisandratana izy ireo.

Isaky ny mihazona ny lovia fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo ny diakona iray dia tsaroantsika ilay tantara masin’ny Fanasana farany, sy ny Getsemane, sy ny Kalvary ary ilay zaridaina nisy ny fasana. Rehefa nilaza tamin’ny Apôstôliny ny Mpamonjy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy,” 1 dia niresaka tamin’ny tsirairay amintsika ihany koa Izy. Niresaka momba ny fahagagana tsy manam-piafarana izay ho atolony amin’ny maha-diakona sy mpampianatra ary mpisorona any aoriana azy Izy rehefa manolotra ny tandindony sy manasa ireo zanany mba hanaiky ny fanomezany mitondra fanavotana.

Ireo tandindona rehetra ao amin’ny fanasan’ny Tompo dia manondro izany fanomezana izany. Mandinika ilay mofo izay novakiany tamin’izany isika, ary ny mofo izay potipotehan’ireo mpisorona eo anoloantsika amin’izao. Mieritreritra ny dikan’ilay rano voatokana tamin’izany sy ankehitriny isika rehefa miampita avy eo am-bavan’ireo mpisorona ho ao anaty fontsika sy any an-danitra amin’ny fomba manetriketrika ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, izay fanavaozana ireo fanekempihavanana mampifandray antsika amin’ny herin’ny famonjen’i Kristy mihitsy. Afaka mieritreritra isika ny hoe midika inona ny diakona mitondra ny tandindona masina mankeo amintsika, mijoro amin’ny toerana izay mety hijoroan’i Jesoa raha teo Izy, manolo-tena ny hanamaivana ny enta-mavesatra sy ny fanaintainantsika.

Soa ihany fa tsy mila marary ireo zatovolahy sy zatovovavy vao afaka mahalala ny fifaliana sy ny tanjona amin’ny fanompoana ny Mpamonjy.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa mba hahafahantsika mivoatra sy lasa tahaka ireo misiônera dia tokony manao ny ataon’ ireo misiônera isika ary avy eo, “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ary fitsipika anampy fitsipika, … dia afaka ny ho tonga tsikelikely ilay misiônera … andrasan’ny Mpamonjy [isika].” 2

Torak’izany koa, raha maniry ny ho “lasa tahaka an’i Jesoa” 3 isika dia tokony hanao ny ataon’i Jesoa, ary tao anatin’ny fehezan-teny tena mahatalanjona iray dia nanazava ny zavatra ataony ny Tompo: Hoy izy hoe, “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.” 4

Ny asa nanirahana ny Mpamonjy hatramin’izay sy amin’ny mandrakizay dia ny hanompo ny Rainy amin’ny famonjena ireo zanany.

Ary ny fomba azo antoka indrindra ahitana fifaliana eto amin’ity fiainana ity dia ny fiarahana amin’i Kristy amin’ny fanampiana ny hafa.

Izany no fahamarinana tsotra izay nipoiran’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo.

Ireo zavatra rehetra atao sy ireo fampianarana rehetra ao amin’ny Ankizy sy Zatovo dia miompana amin’ny fanampiana ireo tanora ho lasa tahaka an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fiarahana Aminy amin’ny fanaovana ny asany ho an’ny famonjena sy fisandratana.

Ny Ankizy sy Zatovo dia fitaovana hanampiana ny ankizy ao amin’ny Kilonga sy ny zatovo rehetra hitombo ao amin’ny maha-mpianatra azy ary hahazo fomba fijery feno finoana ny amin’ny hoe manao ahoana ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Hianatra ny hiandrandra sy hikaroka ireo fiantsonana sy ireo famantarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo, ho atao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary avy eo ho mpikambana ao anaty kôlejy sy kilasin’ny Zatovovavy, ary hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanampiana ny hafa amin’ny alalan’ireo asa fanompoana maro tahaka ny an’i Kristy ho ataon’izy ireo. Hametraka tanjona lehibe sy kely izy ireo, izay hitondra fandanjalanjana eo amin’ny fiainany raha eo am-piezahana ho lasa tahaka ny Mpamonjy izy ireo. Ireo fihaonambe sy gazetiboky Ho zatovo mahery sy ny Namana, ary ny application Vivre l’Évangile dia hanampy azy ireo hifototra amin’ny fahitana fifaliana ao amin’i Kristy. Hiandrandra ireo fitahiana avy amin’ny fihazonana fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly izy ireo ary maro no hahatsapa ny fanahin’i Elia amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ho tarihana amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana dia hahita ny tenany hiditra ny tempoly izy ireo mba ho tafiana amin’ny hery sy hahita fifaliana any rehefa ho tafaray mandrakizay amin’ny fianakavian’izy ireo, na inona na inona hitranga.

Eo anatrehan’ny tafiotry ny areti-mandringana sy ny loza isan-karazany dia mbola andalam-pivoarana ny fanatanterahana ny tena tanjon’ilay fandaharan’asa vaovao Ankizy sy Zatovo, saingy an-kamehana ny tokony hanaovana izany. Tsy afaka miandry an’izao tontolo izao hilamina ireo zatovontsika vao ho tonga amin’ny fahafantarana ny Mpamonjy. Ny sasany amin’izy ireo dia mandray fanapahan-kevitra amin’izao mihitsy, izay tsy ho noraisin’izy ireo raha fantany hoe iza tokoa izy ireo ary iza tokoa Izy.

Noho izany ny antso maika hamonjy ny tafik’ Andriamanitra ho amin’ilay fiomanana manan-danja indrindra dia ny hoe “Tongava daholo!”

Ry reny sy ray, ny zanakareo lahy dia mila ny fanohananareo feno fahalianana mihoatra ny taloha tamin’izy ireo variana tamin’ny zavatra kely toy ny mari-pamantarana sy ny petatratra. Ry reny sy ray, ry mpitarika ny fisoronana sy mpitarika ny Zatovovavy, raha sahirana ireo zatovonareo dia hanampy amin’ny fitondrana azy ireo ho eo amin’ny Mpamonjy ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo, ary hitondra fiadanana ho azy ireo ny Mpamonjy. 5

Ry fiadidian’ny kôlejy sy kilasy, mandrosoa ary raiso ny toerana izay anareo ao amin’ny asan’ny Tompo.

Ry Eveka, ampifandraiso amin’ny fanalahidy hazonin’ireo filohan’ny kôlejy ny fanalahidy hazoninareo, ary dia hiova mandrakizay ireo kôlejinareo sy ireo paroasinareo.

Ary ho anareo taranaka vao misondrotra dia mijoro ho vavolombelona aho, noho ny fahalalako izany, fa zanakalahy sy zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianareo ary manana asa ho anareo Izy.

Rehefa mijoro amin’ny toeranareo izay tena avo tokoa ianareo, amin’ny fonareo, sy ny eritreritrareo, sy ny sainareo ary ny herinareo manontolo, dia lasa hahafantatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy hitandrina ny fanekempihavanana nataonareo ary hatoky ny fisoronany rehefa miasa mba hitahy ny hafa, izay hanomboka ao an-tokantranonareo.

Mivavaka aho mba hiezaka mafy ianareo, amin’ny hery mitombo avo roa heny sy mendrika izao fotoana izao, hanompo, hampihatra finoana, hibebaka ary hihatsara isan’andro, ka ho mendrika handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra izay tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy irery ihany. Mivavaka aho mba hiomana ho lasa ilay misiônera mazoto, sy ilay vady mahatoky ary ilay ray na reny feno fitiavana izay nampanantenainareo fa hahatongavanareo any aoriana any ianareo amin’ny alalan’ny maha-mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy ianareo.

Enga anie ianareo ka hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy ka handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lioka 22:19.

  2. David A. Bednar, “Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 46.

  3. “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa, hanara-dia Azy koa. Haneho fitia toa Azy koa amin’ny izay rehetra atao” (“Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 40).

  4. Mosesy 1:39.

  5. Maneho fankasitrahana manokana aho ho an’ireo ray aman-dreny sy mpitarika feno fanoloran-tena nandritra ny tantarantsika izay nanampy tamin-kerim-po tokoa ireo tanora mba hiaina fitomboana. Fantatro fa ilay ezaka vaovao mifantoka amin’ny Ankizy sy Zatovo dia vokatra avy amin’ireo hetsika sy fandaharan’asa momba ny fahombiazana tsirairay.