2020
Vaovao momba ny fanavaozana ny boky Fihirana
Nôvambra 2020


Vaovao momba ny fanavaozana ny boky Fihirana

Tamin’ny jona 2018 dia nambara ny hanavaozana ny boky Fihirana an’ny Fiangonana sy ny bokin-kiran’ny ankizy, niaraka tamin’ny fangatahana ireo mpikambana hanolotra fanehoan-kevitra momba ny hira masina ary antso avo ho an’ireo mpikambana mba handefa fihirana sy hira ary lahatsoratra vaovao. Mpikambana saika ho 50000 isa no namaly ny antso momba ilay fanadihadiana momba ny hira masina ato amintsika amin’izao fotoana izao. Ireo izay nandray anjara dia nizara ihany koa ny fahatsapany momba ireo hira nofantenina avy amin’ny finoana hafa izay eo an-dalam-pandinihana ny hampidirana azy ireo ho ao amin’ny amboaran-kira.

Hira naroso mihoatra ny 16000 no voaray avy amin’ny mpikambana avy amin’ny firenena miisa 66. Vondrona iraisam-pirenena ahitana mpikambana manan-talenta sy ireo vaomiera mpandinika ao amin’ny Foiben’ny Fiangonana no mandinika tsy am-pahalalana sy imbetsaka ireo fihirana sy hira vaovao ireo amin’izao fotoana izao.

Ireo vaomiera dia mankasitraka ireo mpikambana manerana izao tontolo izao amin’ny fanolorana ny fotoana sy ny talentan’izy ireo mba hanampy ny hafa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny hira masina. Eto am-pandinihana akaiky ireo hira vaovao naroso rehetra dia azo andrandraina fa ireo amboaran-kira vaovao dia ho vonona afaka taona vitsivitsy.