2020
Miambena ka mivavaha mandrakariva
Nôvambra 2020


Miambena ka mivavaha mandrakariva

Anio aho dia manitatra ny antso ataoko ho an’ny olona rehetra avy amin’ny firenena rehetra maneran-tany mba hivavaka.

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, nandritra ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoany teto an-tany, dia nampianatra ny mpianany i Jesoa hoe: “Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” 1

Anisan’ireo “zavatra hitranga” alohan’ny Fiaviany Fanindroany ny “ady sy filazana ady[,]… mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, amin’ny tany samy hafa.” 2

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Ary hisamboaravoara ny zava-drehetra; … fa ho tonga amin’ny olon-drehetra ny tahotra.” 3

Mazava ho azy fa miaina ao anatin’ny fotoana misamboaravoara isika. Betsaka ny olona matahotra ny hoavy, ary maro ny fo no nivily tamin’ny finoany an’ Andriamanitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy.

Feno tantarana herisetra ireo vaovao. Avoaka amin’ny internet ny fanalam-baraka ara-pitondrantena. Novingavingaina ireo fasana, fiangonana, moske, sinagoga ary toerana masina ara-pivavahana.

Ny areti-mandringana maneran-tany dia efa saika tonga tany amin’ny vazan-tany rehetra—olona an-tapitrisany no voan’ilay aretina, efa mihoatra ny iray tapitrisa no maty. Nikatso ny fizarana diplaoma tany an-tsekoly, ny fotoam-pivavahana tany am-piangonana, ny fanambadiana, ny asa fitoriana ary ny hetsika maro hafa manan-danja eo amin’ny fiainana. Fanampin’izany, olona tsy tambo isaina no tavela irery sy natokana.

Ny fikorontanana ara-toekarena dia niteraka olana ho an’ny maro, indrindra ho an’ireo marefo indrindra amin’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Nahita olona mazoto mampiasa ny zon’izy ireo hanao fihetsiketsehana am-pilaminana isika, ary nahita korontana feno vahoaka romotra.

Mandritra izany fotoana izany dia manohy mahita fifandonana eran’izao tontolo izao isika.

Mieritreritra matetika anareo izay mijaly, mitebiteby, matahotra na mahatsiaro ho manirery aho. Manome toky anareo tsirairay avy aho fa mahafantatra anareo ny Tompo, fantany ny fiahiahianareo sy ny fijalianareo ary tiany ianao—akaiky, manokana, lalina ary mandrakizay.

Isaky ny mivavaka aho ny alina dia mangataka amin’ny Tompo mba hitahy ireo rehetra vesaran’ny alahelo, fanaintainana, ireo manirery ary malahelo. Fantatro fa ny mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana dia manao izany vavaka izany koa. Ny fonay, tsirairay sy miaraka, dia mankany aminareo ary ny vavakay dia mankany amin’ Andriamanitra ho anareo.

Nandany andro maromaro tany amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Etazonia aho tamin’ny taon-dasa nitsidika ireo toerana ara-tantara Amerikana sy toerana ara-tantara an’ny Fiangonana, nanatrika fivoriana niaraka tamin’ireo misiônerantsika sy ireo mpikambana ato amintsika aho, ary nitsidika mpitarika fanjakana sy orinasa.

Ny alahady 20 ôktôbra dia nanao lahateny tamin’ny fivoriana lehibe iray tany akaikin’i Boston, Massachusetts aho. Nandritra ny fotoana nitenenako, dia voatosika aho hiteny hoe: “Miangavy anareo aho… hivavaka ho an’ity firenena ity, ho an’ny mpitondra antsika, ho an’ny vahoakantsika, ary ho an’ireo fianakaviana izay monina ato amin’ity firenena lehibe naorin’ Andriamanitra ity.” 4

Nolazaiko ihany koa fa, toy ny taloha, i Amerika sy ny firenena maro ambonin’ny tany dia eo amin’ny sampanan-dalana lehibe iray hafa ary mila ny vavaka ataontsika. 5

Tsy tao anatin’ny lahateny nomaniko ilay fiangaviako. Tonga tamiko ireo teny ireo rehefa nahatsapa aho fa nanosika ahy ny Fanahy hanasa ireo izay nanatrika teo mba hivavaka ho an’ny fireneny sy ireo mpitarika azy ireo.

Anio aho dia manitatra ny antso ataoko ho an’ny olona rehetra avy amin’ny firenena rehetra maneran-tany mba hivavaka. Na manao ahoana fomba fivavahanareo, na iza na iza no ivavahanareo, mba ampiharo ny finoanareo—na inona na inona finoanareo—ary mivavaha ho an’ny firenenareo sy ho an’ireo mpitondra ny firenenareo. Araka ny nolazaiko tamin’ny volana ôktôbra lasa teo tany Massachusetts, mijoro eo amin’ny sampanan-dalana lehibe amin’ny tantara isika ankehitriny, ary ireo firenena eto an-tany dia tena mila fitaomam-panahy sy fitarihana avy amin’ Andriamanitra tokoa. Tsy resaka politika na fenitra mihefy izany. Izany dia momba ny fiadanana sy ny fanasitranana izay mety hitranga amin’ny fanahin’ny tsirairay ary koa amin’ny fanahin’ny firenena—ny tanànany, sy ny vohitra misy azy—amin’ny alalan’ilay Andrian’ny Fiadanana sy loharanon’ny fanasitranana rehetra, dia i Jesoa Kristy Tompo.

Nandritra izay volana vitsy lasa izay dia nahatsapa aho fa ny fomba tsara indrindra hanampiana ny toe-draharaha eto amin’izao tontolo izao ankehitriny dia ny fiankinan’ny olona rehetra bebe kokoa amin’ Andriamanitra ary ny fampitodihany ny fony any Aminy amin’ny alalan’ny vavaka marina. Ny fanetren-tena sy ny fikatsahana fitaomam-panahy avy any an-danitra mba haharitra na handresy izay eo alohantsika no ho fomba azo antoka indrindra handrosoantsika am-pahatokisana mandritra izao fotoan-tsarotra izao.

Manasongadina ny vavaka natolotr’i Jesoa ary koa ny fampianarany momba ny vavaka nandritra ny asa fanompoany teto an-tany ny soratra masina. Hotsaroanareo ny vavaky ny Tompo:

“Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”

“Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

“Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

“Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena.” 6

Ity vavaka mahafinaritra feno fifantohana ity izay averimberina matetika ao amin’ny tontolo Kristiana manontolo dia manazava fa mety ny mangataka mivantana ny “Rain[tsika] Izay any an-danitra” mba hahazoana valiny amin’izay zava-manahirana antsika. Noho izany, ’ndeha isika hivavaka mba hahazo ny fitarihan’ Andriamanitra.

Manasa anareo aho hivavaka mandrakariva. 7 Mivavaha ho an’ny fianakavianareo. Mivavaha ho an’ireo mpitondra firenena. Mivavaha ho an’ireo olona be herim-po izay eo amin’ny laharana voalohany amin’ny ady atao amin’ny loza ara-tsosialy, tontolo iainana, politika ary biolojika izay misy fiantraikany amin’ny olona rehetra maneran-tany, ny manan-karena sy ny mahantra, ny tanora sy ny antitra.

Nampianatra antsika ny Mpamonjy mba tsy hametra izay hivavahantsika. Hoy Izy: “Tiava ny fahavalonareo, tsofirano ireo izay manozona anareo, manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’ireo izay ratsy fitondra anareo sy manenjika anareo.” 8

Teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary, toerana nahafatesan’i Jesoa noho ny fahotantsika, dia nampihariny ny zavatra nampianariny rehefa nivavaka Izy hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” 9

Ny fivavahana amin-kitsim-po ho an’ireo izay mety heverina ho fahavalontsika dia maneho ny finoantsika fa Andriamanitra dia afaka manova ny fontsika sy ny fon’ny hafa. Ny vavaka toy izany dia tokony hanamafy ny fanapahan-kevitsika hanao izay fanovana ilaina eo amin’ny fiainantsika, ny fianakaviantsika ary ny fiarahamonina misy antsika manokana.

Na aiza na aiza onenanao, na inona na inona fiteny iresahanao, na ireo fanamby atrehanao, Andriamanitra dia mihaino sy mamaly anao amin’ny fombany sy amin’ny fotoany. Satria zanany isika, dia afaka manatona azy hitady fanampiana, fampiononana ary faniriana vaovao hitondra fanovana tsara eto amin’izao tontolo izao.

Matetika no tsy ampy ny fivavahavana momba ny fahamarinana, fandriampahalemana, ny mahantra ary ny marary. Rehefa avy mandohalika mivavaka isika dia mila mitsangana avy eo am-pandohalihana ary manao izay azontsika atao entina manampy—hanampy ny tenantsika sy ny hafa. 10

Feno ohatra amin’ny olona manam-pinoana izay nanambatra ny vavaka sy ny asa mba hanisy fiovana teo amin’ny fiainany manokana sy teo amin’ny fiainan’ny hafa ny soratra masina. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ohatra, dia mamaky momba an’i Enôsa isika. Voamarika fa “manodidina ny roa ampahatelon’ny bokiny fohy dia mamariparitra vavaka, na andiana vavaka, ary ilay fifandanjana dia milaza ny zavatra nataony vokatry ny valiny azony.” 11

Manana ohatra maro isika ny amin’ny fomba nitondran’ny vavaka fiovana teo amin’ny tantaram-piangonantsika manokana, manomboka amin’ny vavak’i Joseph Smith notononiny mafy voalohany tao anaty ala iray teo akaikin’ny tranohazon’ny ray aman-dreniny tamin’ny lohataona 1820. Raha nikatsaka famelan-keloka sy fitarihana ara-panahy i Joseph dia nanokatra ny lanitra ny vavaka nataony. Ankehitriny isika dia mpisitraka tombotsoa avy amin’i Joseph ilay Mpaminany sy ireo lehilahy sy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izay nivavaka sy niasa hanampiana amin’ny fananganana Ny Fiangonan’i Jesosy Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Matetika aho no mieritreritra ny vavaky ny vehivavy mahatoky toa an’i Mary Fielding Smith izay, niaraka tamin’ny fanampian’ Andriamanitra, nitaona ny fianakaviany tamim-pahasahiana avy tamin’ny fanenjehana goavana tany Illinois ho amin’ny toerana azo antoka teo amin’ity lohasaha ity izay niroboroboan’ny fianakaviany teo amin’ny ara-panahy sy ara-batana. Rehefa avy nandohalika nivavaka mafy izy dia niasa mafy mba handresena ireo olany sy hitahiana ny fianakaviany.

Ny vavaka dia hampitraka antsika ary hampivondrona antsika isam-batan’olona, fianakaviana, Fiangonana, ary izao tontolo izao. Ny vavaka dia hitaona ny mpahay siansa ary hanampy azy ireo hahita vaksiny sy fanafody hamaranana ity valanaretina ity. Ny vavaka dia hampionona ireo izay namoy havan-tiana. Hitarika antsika hahalala izay tokony hatao mba hiarovana antsika manokana ihany koa izany.

Ry rahalahy sy ranabavy, mamporisika anareo aho mba hampitombo ny fanoloran-tenanareo hivavaka. Mamporisika anareo aho hivavaka ao amin’ny toera-miafinareo, amin’ny dianareo isan’andro, any an-tokantranonareo, any amin’ny paroasinareo, ary ao am-ponareo mandrakariva. 12

Amin’ny anaran’ireo mpitarika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, misaotra anareo aho noho ny vavaka nataonareo ho anay. Mamporisika anareo aho hanohy hivavaka mba hahazoanay ny fitaomam-panahy sy ny fanambarana hitarika ny Fiangonana mandritra izao fotoan-tsarotra izao.

Afaka manova ny fiainantsika manokana ny vavaka. Raha taomin’ny vavaka amin-kitsim-po isika, dia afaka mampivoatra sy manampy ny hafa hanao toy izany koa.

Fantatro ny herin’ny vavaka tamin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana. Vao haingana aho no irery tao amin’ny biraoko. Vao avy nandalo fitsaboana teo amin’ny tanako aho. Mainty sy mangana izany, nivonto sady narary. Rehefa nipetraka teo amin’ny latabatro aho dia tsy afaka nifantoka tamin’ireo raharaha manan-danja sy lehibe satria variana tamin’io fanaintainana io.

Nandohalika nivavaka aho ary nangataka tamin’ny Tompo mba hanampy ahy hifantoka hahavitako ny asako. Nijoro aho ary niverina teo amin’ireo antontan-taratasy teo ambony latabatro. Vetivety dia tonga tao an-tsaiko ny fahazavana sy ny fifantohana ary afaka namita ireo raharaha maika teo anoloako aho.

Ny toe-javatra misavorovoro ankehitriny dia mety toa mampatahotra rehefa mandinika ireo olana sy fanamby marobe isika. Fa fijoroako ho vavolombelona mahery vaika ny hoe raha mivavaka sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana sy fitarihana ilaina isika dia ho fantatsika ny fomba ahafahantsika mitahy ny fianakaviantsika, ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny vondrom-piaraha-monina misy antsika eny na dia ny firenena onenantsika aza.

Nivavaka ny Mpamonjy ary avy eo dia “nandeha nanao soa” 13 tamin’ny alalan’ny famahanana ny mahantra, tamin’ny fanomezana herim-po sy fanampiana ireo mila fanampiana, ary tamin’ny fanolorana fitiavana, famelan-keloka, fiadanana ary fitsaharana ho an’izay rehetra nanatona Azy. Manohy manolo-tanana antsika Izy.

Manasa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra aho, ary koa ny mpifanolobodirindrina amintsika sy sakaizantsika amin’ireo vondrona finoana hafa maneran-tany, mba hanao araka ny torohevitry ny Mpamonjy tamin’ny mpianany hoe: “Miambena ka mivavaha mandrakariva hahazoana fiadanana, fampiononana, fiarovana, ary fahafahana hifanompo. 14

Endrey ny halehiben’ny herin’ny vavaka ary ilaina tokoa ny vavaka amim-pinoana amin’ Andriamanitra sy ny Zanaka Malalany eto amin’izao tontolo izao ankehitriny! Handeha isika hahatsiaro sy hankasitraka ny herin’ny vavaka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.