2020
Raiso amim-pinoana ny hoavy
Nôvambra 2020


Raiso amim-pinoana ny hoavy

Ho feno voninahitra ny hoavy ho an’ireo izay vonona sy manohy miomana mba ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo.

Ity dia takariva tsy ho hay hadinoina. Ry anabaviko malala isany, voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo. Matetika tokoa aho no nahatsiaro anareo tato an-tsaiko nandritra izay volana vitsivitsy lasa izay. Maherin’ny valo tapitrisa izao ianareo. Tsy ny isanareo ihany dia ampy hanovana an’izao tontolo izao fa ny hery ara-panahy anananareo koa. Izay mihitsy no hitako nataonareo nandritra ity valanaretina ity.

Ny sasany taminareo tampoka teo dia lasa nitady vatsy izay tsy ampy, na koa asa iray vaovao. Maro no nampianatra ankizy tao an-trano ary nanara-maso hoe manao ahoana ireo mpifanolobodirindrina. Ny sasany dia nandray misiônera izay nody mialoha noho ny neritreretina, raha ny hafa taminareo kosa nanova ny tokantranonareo ho foibe fanofanana misiônera. Nampiasa teknôlojia ianareo hifandraisana amin’ny fianakaviana sy ireo namana, sy hanompoana ireo izay tsapanareo fa nitoka-monina, ary hiarahana mandalina ny Avia, hanaraka Ahy amin’ny hafa. Nahita fomba vaovao ianareo hanaovana ny Sabata ho tonga fahafinaretana ho anareo. Ary nanamboatra aro-vava ianareo, an-tapitrisany!

Amim-pangorahana sy fitiavana avy ao am-po no hanehoako fiaraha-miory amin’ireo vehivavy maro maneran-tany izay namoy ireo malalany. Miara-ory aminareo izahay. Ary mivavaka ho anareo izahay. Midera anareo izahay sy mivavaka ho an’ireo rehetra izay miasa tsy mitandro hasasarana mba hiarovana ny fahasalaman’ny hafa.

Ianareo zatovovavy dia nampiaiky ihany koa. Na dia tondraky ny fifandirana aza ny tambajotran-tserasera, dia maro aminareo no nahita fomba hampaherezana ny hafa sy hizarana ny fahazavan’ny Mpamonjy.

Ry anabavy isany, tena nahery fo tokoa ianareo! Talanjona aho mahita ny tanjakareo sy ny finoanareo. Nasehonareo fa na tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza dia nataonareo tamin-kerim-po izay tokony hatao. Tiako ianareo, ary manome toky anareo aho fa tia anareo ny Tompo ary mahita ny asa lehibe tanterahinareo. Misaotra indrindra! Mbola noporofoinareo indray fa ianareo no fanantenana ho an’i Isiraely ara-bakiteny!

Ianareo no maneho fahatanterahan’ny zavatra nantenain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ho anareo tamin’izy nampahafantatra “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” 25 taona lasa izay, tamin’ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany volana septambra 1995. 1 Misy dikany ny nisafidianany ireo rahavavy ato amin’ny Fiangonana tamin’ny nampahafantatra an’io fanambarana manan-danja io. Izany fomba izany no nanantitranteran’ny Filoha Hinckley ny anjara toerana tsy azo soloina sahanin’ny vehivavy eo amin’ny drafitry ny Tompo.

Ankehitriny dia tiako ho fantatra izay nianaranareo tamin’ity taona ity. Nanatona kokoa ny Tompo ve ianareo, sa ve mahatsiaro ho lavitra Azy kokoa? Inona no tsapanareo mikasika ny hoavy noho ireo zava-mitranga amin’izao fotoana izao?

Marina fa tamin’ny fomba hentitra no niresahan’ny Tompo mikasika izao androntsika izao. Nampitandrina Izy fa amin’izao androntsika izao dia “[ho] reraka ny fon’ny olona” 2 ary na dia ny olom-boafidy aza dia mety ho voafitaka. 3 Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Izy fa “[ho] hanesorana ny fiadanana eto an-tany” 4 ary antambo maro no hanjo ny zanak’olombelona. 5

Kanefa ny Tompo dia nanolotra ihany koa fahitana ny amin’ny maha-miavaka an’ity fotoampitantanana ity. Nanainga ny fanahin’ny Mpaminany Joseph Smith Izy hanambara fa “ny asa amin’… izao andro farany izao dia goavana aok’izany. … Tsy hay fariparitana ny voninahiny, ary tsy misy mahatoraka ny habeny.” 6

Marina fa mety tsy ny teny hoe lehibe no hosafidianao hamaritana izay volana vitsivitsy lasa izay! Ahoana ary no fomba samy hiatrehantsika na ireo faminaniana manjombona na ireo fanambarana be voninahitra mikasika izao androntsika izao? Nolazain’ny Tompo izany tamin’ny fanomezan-toky tsotra kanefa mahagaga hoe: “raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.” 7

Fampanantenana tsy misy ohatr’izany! Fampanantenana izay afaka manova ara-bakiteny ny fomba fijerintsika ny hoavy. Vao tsy ela aho no naheno vehivavy iray manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka niaiky fa ilay valanaretina niampy horohoron-tany tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake dia nanampy azy hahita fa tsy vonona arak’izay noheveriny izy. Rehefa nanontaniako izy hoe ny tahirin-tsakafony ve sa ny fijoroany ho vavolombelona no tiany holazaina, dia nitsiky izy ka nilaza hoe, “Eny!”

Raha ny fiomanana izany no fanalahidy handraisantsika amim-pinoana ity fotoam-pitantanana ity, ahoana ary no fomba tsara indrindra hiomanantsika?

Efa am-polo taonany ireo mpaminanin’ny Tompo no nanentana antsika hitahiry sakafo sy rano ary tahiry ara-bola ho amin’ny fotoana ilàna izany. Ny valanaretina amin’izao fotoana izao dia mbola nanamafy ny fahendren’izany torohevitra izany. Mamporisika anareo aho handray fepetra hivononana ara-batana. Saingy vao mainka aho sahiran-tsaina raha ny mikasika ny fiomananareo ara-panahy sy ara-pihetseham-po.

Mahakasika izany dia betsaka no azontsika ianarana avy amin’ny Kapiteny Môrônia. Tamin’ny naha mpitari-tafika Nefita azy izy dia nifanehitra tamina hery mpanohitra izay natanjaka kokoa sy maro kokoa ary masiaka kokoa. Noho izany i Môrônia dia nanomana ny vahoakany tamin’ny fomba telo manan-danja.

Voalohany, nampiany izy ireo hanangana toerana izay hahatsapan’izy ireo ho voaro—“toeram-piarovana” no niantsony azy ireo. 8 Faharoa, nomaniny “ny sain’ny vahoaka ho mahatoky amin’ny Tompo Andriamaniny.” 9 Ary fahatelo, tsy nitsahatra mihitsy izy nanomana ny vahoakany, na ara-batana na ara-panahy. 10 Andeha hodinihantsika ireo fiitsipika telo ireo.

Fitsipika voalohany: Manangana toeram-piarovana.

Nohamafisin’i Môrônia ny tanàna Nefita tsirairay tamin’ny ampiantany sy ny manda ary ny rindrina. 11 Rehefa tonga hifanehitra tamin’izy ireo ny Lamanita dia “talanjona izaitsizy tokoa noho ny fahendren’ny Nefita tamin’ny fanomanany ny toeram-piarovany. 12

Tahaka izany koa, rehefa mandravarava manodidina antsika ny korontana dia mila manangana toerana isika izay hahavoaro antsika sady ara-batana no ara-panahy. Rehefa lasa toerana masin’ny finoana ho anareo manokana, izay hanjakan’ny Fanahy, ny tokantranonareo, dia io no hanjary ho fiarovana eny amin’ny lohalaharana.

Tahaka izany koa, ireo tsatòkan’i Ziona dia “fialofana amin’ny tafio-drivotra” 13 satria izy ireny dia tarihin’ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana sy mampiasa fahefan’ny fisoronana. Rehefa manohy manaraka ny torohevitr’ireo izay nomen’ny Tompo fahefana hitarika anareo ianareo dia hahatsapa ho voaro kokoa.

Ny tempoly na tranon’ny Tompo no toeram-piarovana tsy mitovy na amin’inona na amin’inona. Any ianareo ry ranabavy no tafiana herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masin’ny fisoronana izay ataonareo. 14 Any no hamehezana ny fianakavianareo ho mandrakizay. Eny fa na tamin’ity taona ity aza, raha voafetra aok’izany ny fahafahana miditra ao amin’ireo tempolintsika dia ny fanafiana masina natao anareo no nanome anareo fahafahana hahazo tsy tapaka ny herin’ Andriamanitra rehefa nanaja ireo fanekempihavanana izay nataonareo taminy ianareo.

Raha tsorina, ny toeram-piarovana dia na aiza na aiza toerana hahafahanareo mahatsapa ny fisian’ny Fanahy Masina sy hahafahanareo hotarihany. 15 Rehefa miaraka aminareo ny Fanahy Masina dia afaka mampianatra fahamarinana ianareo eny fa na dia mifanohitra amin’ireo hevitra manjaka eo amin’izao tontolo izao aza izany. Ary afaka mandalina ireo fanontaniana avy ao am-po mikasika ny filazantsara ianareo, ao anatin’ny tontolo ahafahana mandray fanambarana.

Manasa anareo aho, ry anabaviko malala isany, hanorina tokantrano izay ho toeram-piarovana. Ary havaoziko ny fanasako anareo hampitombo ny fahatakaranareo ny herin’ny fisoronana sy ireo fitahiana ary fanekempihavanan’ny tempoly. Ny fananana toeram-piarovana izay hahafahanareo mialokaloka dia hanampy anareo handray ny hoavy amim-pinoana.

Fitsipika faharoa: Omano ny sainareo ho mahatoky amin’ Andriamanitra.

Nanatanteraka tetik’asa goavana isika hanitarana ny fahatezan’ny Tempolin’i Salt lake sy ny habeny.

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo an-dalam-panamboarana

Nisy ny nametra-panontaniana ny ilàna ny andraisana fepetra tsy mahazatra tahaka izany. Kanefa rehefa niharan’ny horohoron-tany nahatratra 5.7 teo amin’ny mari-drefy ny Lohasahan’i Salt Lake tany amin’ny voalohandohan’ity taona ity, dia nihozongozona mafy ity tempoly mendri-kaja ity ka ampy hampianjera ny trômpetra teo amin’ny sarivongan’ny anjely Môrônia izany! 16

Sary
Anjely Môrônia nianjera trômpetra

Tsy misy hafa amin’ny tsy maintsy ananan’ny fototry ny Tempolin’i Salt Lake tanjaka ampy hahatantesany loza voajanahary no tsy maintsy hahamafy tsara koa ny fototsika ara-panahy. Ka rehefa manozongozona ny fiainantsika ny horohoron-tany ara-tsarinteny dia ho “mafy sy tsy azo hozongozonina” isika noho ny finoantsika. 17

Nampianarin’ny Tompo antsika ny fomba hampitomboana ny finoantsika amin’ny fikatsahana “fianarana, amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.” 18 Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa miezaka mitandrina ireo didiny sy “mahatsiaro azy mandrakariva.” 19 Ankoatr’izay dia mitombo ny finoantsika isaky ny mampihatra ny finoantsika Azy isika. Izany no dikan’ny hoe mianatra amim-pinoana.

Ohatra, isaky ny manana finoana isika hankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, eny fa na manambany antsika aza ny hevitr’izao tontolo izao, na koa isaky ny mahatohitra ny fampifalifaliana na hevi-dravina izay manindrahindra fandikana fanekempihavanana, dia mampihatra ny finoantsika isika, ary izany indray avy eo no mampitombo ny finoantsika.

Ankoatr’izay, vitsy ihany ny zavatra izay mampiorina finoana kokoa noho ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy boky hafa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mahery sy mazava tahaka azy. Ireo mpaminany ao, rehefa nobitsihin’ Andriamanitra dia nahita izao androntsika izao ary nifantina ireo fotopampianarana sy fahamarinana izay hanampy antsika indrindra. Ny Bokin’i Môrmôna no boky torolalana fiavotana ho antsika amin’izao andro farany izao.

Mazava ho azy fa tonga ny fiarovana antsika faratampony rehefa mifamatotra amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy isika! Ny fiainana tsy misy an’ Andriamanitra dia fiainana feno tahotra. Ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra dia fiainana feno fiadanana. Izany dia satria fitahiana ara-panahy no tonga amin’ireo mahatoky. Ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana no anisan’ny goavana indrindra amin’izany fitahiana izany.

Nampanantena ny Tompo fa raha mangataka isika dia handray “fanambarana miampy fanambarana.” 20 Mampanantena aho fa raha mampitombo ny fahafahanareo mandray fanambarana ianareo dia hotahian’ny Tompo hahazo fitarihana mihavosa ho an’ny fiainanareo sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsy misy fetra.

Fitisipika fahatelo: Aza mitsahatra miomana.

Na dia nizotra tsara aza ny zava-drehetra dia nanohy nanomana ny vahoakany hatrany ny Kapiteny Môrônia. Tsy nitsahatra mihitsy izy. Tsy nety ho afa-po mihitsy izy.

Tsy mitsahatra manafika ny fahavalo. Ka noho izany dia tsy afaka mitsahatra miomana mihitsy isika! Arakaraka ny mampizaka tena antsika, ara-nofo sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, no maha vonona kokoa antsika hanohitra ny fanafihana tsy an-kiato ataon’i Satana.

Ry anabavy malala isany, havanana ianareo amin’ny fanorenana toeram-piarovana ho an’ny tenanareo sy ho an’ireo olona tianareo. Ankoatra izany dia nahazo fanafiana masina ianareo izay hahafahanareo manorina finoana ao amin’ny hafa amin’ny fomba tena mahasarika. 21 Ary ianareo dia tsy mitsahatra mihitsy. Mbola nasehonareo indray izany tamin’ity taona ity.

Miangavy aho, tohizo hatrany izany! Ny fahamailoanareo hiaro ny tokantranonareo sy hampitsiry finoana ao am-pon’ireo izay tianareo no hitondra valisoa ho an’ireo taranaka ho avy.

Ry anabaviko malala isany, zavatra betsaka tokoa no azontsika andrandraina! Napetraky ny Tompo ety ianareo ankehitriny satria fantany fa ianareo dia manana ny fahaizana miatrika ireo olan-tsarotra iainana amin’izao ampahany faramparany amin’izao andro farany izao. Fantany ianareo fa hahatakatra ny maha goavana ny asany ary hanam-paniriana hanampy hahatanteraka izany.

Tsy milaza akory aho hoe ho mora ireo andro izay miandry, saingy mampanantena anareo aho fa ho feno voninahitra ny hoavy ho an’ireo izay vonona sy manohy miomana mba ho fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo.

Ry anabaviko malala isany, aoka isika tsy hoe hiaritra fotsiny mandritra ity vanim-potoana ity. Fa andeha isika handray amim-pinoana ny hoavy! Ireo fotoan-tsarotra dia fotoana ahafahantsika miezaka ara-panahy. Misy fotoana izay hoe afaka hampahomby lavitra kokoa ny fitaomantsika noho ny amin’ny fotoana tony kokoa.

Mampanantena aho fa rehefa manorina toeram-piarovana isika, sy manomana ny saintsika ho mahatoky amin’ Andriamanitra, ary tsy mitsahatra miomana mihitsy, dia hotahin’ Andriamanitra. “Hanafaka [antsika] Izy; eny, hany ka [h]anambara fiadanana Izy ho an’ny fanahin[tsika], ary [h]otoviny [amintsika] ny finoana lehibe, ary … ataony izay [hahafahantsika manantena] ny fanafahana an[tsika] ao Aminy.” 22

Eo am-piomananareo handray am-pinoana ny hoavy, dia hihatra aminareo ireo fampanantenana ireo! Izany no ijoroako ho vavolombelona, miaraka amin’ny fanehoako ny fitiavako ho anareo sy ny fatokiako anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.