2020
Miresaka an’i Kristy isika
Nôvambra 2020


Miresaka an’i Kristy isika

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy.

Maneho ny fitiavako anareo aho, ry namana sy mpiray finoana malalanay. Talanjona aho tamin’ny finoana sy ny herim-po nanananareo nandritra izay volana maromaro lasa izay, raha nanakorontana ny fiainantsika sy naka ireo havantsika sy namantsika sarobidy ity valanaretina maneran-tany ity.

Nandritra ity fotoana nampisavorovoro saina ity dia nahatsapa fankasitrahana tsy toy ny mahazatra aho noho ny fahalalako azo antoka fa i Jesoa no Kristy. Efa nanana fahatsapana toy izany ve ianao? Maro ireo zava-tsarotra mivesatra eo amintsika tsirairay avy, saingy eo anoloantsika foana Izy manambara am-panetrentena hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” 1 Na dia miaritra fotoana ifanalavirana ara-batana amin’ny hafa aza isika dia tsy tokony hiaritra mihitsy fotoana ifanalavirana amin’ny lafiny ara-panahy Aminy, Izy izay miantso antsika am-pitiavana hoe: “Mankanesa atỳ amiko.” 2

Tahaka ny kintana fitarik’andro eny amin’ny lanitra mazava no anazavan’i Jesoa Kristy ny lalantsika. Tonga tety an-tany tao an-tranon’omby tsotra iray Izy. Nanana fiainana lavorary Izy. Nanasitrana ny marary Izy ary nanangana ny maty. Naman’ireo izay tsy noraharahiana Izy. Nampianatra antsika hanao ny tsara Izy, sy hankatò, ary hifankatia. Nohomboana tamin’ny hazofijaliana Izy, nitsangana tamim-boninahitra telo andro taty aoriana, izay nanome fahafahana antsika sy ireo izay tiantsika hiaina any ankoatry ny fasana. Tamin’ny alalan’ny famindram-pony sy ny fahasoavany dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika sy ny fijaliantsika Izy, sady nitondra famelana rehefa mibebaka isika ary fiadanana ao anatin’ireo tafiotry ny fiainana. Tiantsika Izy. Deraintsika Izy. Arahintsika Izy. Izy no vatofantsiky ny fanahintsika.

Mahavariana fa na dia tsy mitsaha-mitombo ao anatintsika aza io faharesen-dahatra ara-panahy io dia misy ny maro eto amin’izao tontolo izao izay tena kely no fantany momba an’i Jesoa Kristy, ary any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao izay efa nanambarana ny anarany nandritra ny taonjato maro, dia mihena ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ireo Olomasina be herim-po tao Eorôpa dia nahita ny fihenan’ny finoana tao amin’ny firenena misy azy ireo nandritra ny taona maro. 3 Mampalahelo fa eto Etazonia dia mihena ihany koa ny finoana. Nisy fandalinana vao tsy ela nanambara fa tao anatin’ny 10 taona lasa dia 30 tapitrisa ny olona eto Etazonia no niala tamin’ny finoana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. 4 Raha manerana an’izao tontolo izao no jerena dia nisy fikarohana iray hafa naminavina fa ao anatin’ny am-polo taonany maro ho avy dia ho mihoatra ny avo roa heny ny isan’ny olona hiala amin’ny Kristianisma ireo izay hanaiky izany. 5

Isika mazava ho azy dia manaja ny zon’ny tsirairay hisafidy, kanefa ny Raintsika any An-danitra dia nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.” 6 Mijoro ho vavolombelona aho fa ho avy ny andro izay handohalihan’ny lohalika rehetra sy hianianan’ny lela rehetra fa i Jesoa no Kristy. 7

Ahoana no tokony hasetrintsika izao tontolo misy antsika izay miova izao? Na tsy miraharaha ny finoany aza ny sasany, ny hafa kosa dia mikatsaka ny fahamarinana. Efa nitondra eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy isika. Inona no zavatra fanampiny mila ataontsika?

Ny fiomanan’ny Filoha Russell M. Nelson

Mety ho tonga angamba ny ampahany amin’ny valin-tenintsika rehefa tsaroantsika ny fomba nampianaran’ny Tompo ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ireo volana nialoha ny niantsoana azy ho Filohan’ny Fiangonana. Raha niresaka ny Filoha Nelson taona iray talohan’ny niantsoana azy dia nanasa antsika izy mba handalina lalina kokoa ireo filazana miisa 2.200 milaza ny anaran’i Jesoa Kristy voatanisa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. 8

Sary
Ny Filoha Nelson mandalina soratra masina

Telo volana taty aoriana tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily dia niresaka izy fa nisy fiantraikany lehibe taminy io fandalinana lalina kokoa momba an’i Jesoa Kristy io, na dia efa mpanara-dia mahafatra-po am-polo taonany aza izy. Nanontany azy ny fiantraikan’izany ny Ranabavy Wendy Nelson. Dia novaliany hoe: “Niova aho!” Niova izy? Efa 92 taona dia niova? Dia nanazava ny Filoha Nelson hoe:

“Rehefa manokana fotoana hianarana momba ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony isika dia manjary voasarika [ho any Aminy]. …

“… [Lasa] eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika.” 9

Hoy ny Mpamonjy: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra.” 10

Ao anatin’ny tontolon’ny asa sy ahiahy ary fanaovana ezaka mendrika, dia afantotsika any Aminy, izay fanantenana sy famonjena ho antsika, ny fontsika sy ny saintsika ary ny eritreritsika.

Raha toa ka nanampy ny Filoha Nelson hiomana ny fanavaozana ny fandalinana momba ny Mpamonjy, moa ve tsy hanampy antsika hiomana ihany koa izany?

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Raha nanamafy ny anaran’ny Fiangonana ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “Raha toa isika te-higoka ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy … mba hanadio sy hanasitrana antsika, hankahery sy hanome lanja antsika, ary amin’ny farany dia hanandratra antsika, dia mazava ho azy fa mila manaiky Azy ho ny loharanon’izany hery izany isika.” 11 Nampianatra antsika ny Filoha Nelson fa ny fampiasana foana ny tena anarana marin’ny Fiangonana, zavatra izay toa kely, dia tsy kely mihitsy, ary tena hisy fiantraikany amin’ny hoavin’izao tontolo izao.

Fampanantenana iray ho an’ny fiomananareo

Mampanantena anareo aho fa rehefa manomana ny tenanareo tahaka ny nataon’ny Filoha Nelson ianareo, dia hiova ihany koa ianareo, hieritreritra bebe kokoa momba ny Mpamonjy, hiresaka Azy imbetsaka kokoa ary tsy am-pihambahambana. Rehefa mihamahafantatra sy tia Azy lalina kokoa ianareo, dia hisosa tsara kokoa ny teninareo toy ireny miresaka momba ny iray amin’ireo zanakareo na namanareo malala ireny ianareo. Hanana fahatsapana ny tsy hiady hevitra na handà anareo kokoa ary te hianatra bebe kokoa avy aminareo ireo izay mihaino anareo.

Miresaka an’i Jesoa Kristy izaho sy ianao saingy angamba afaka manao tsaratsara kokoa isika. Raha hihena ny firesahan’izao tontolo izao momba Azy, iza no handeha hiresaka betsaka momba Azy? Isika! Miaraka amin’ireo Kristiana hafa mahafatra-po!

Miresaka an’i Kristy ao an-tokantranontsika

Misy sarin’ny Mpamonjy ve ao an-tokantranontsika? Moa ve miresaka matetika amin’ireo zanatsika momba ireo fanoharana nataon’i Jesoa isika? “Ny tantaran’i Jesoa dia toy ny rivotra mitsoka mamakivaky ny afon’ny finoana ao am-pon’ireo zanatsika.” 12 Rehefa mametraka fanontaniana aminao ireo zanakao dia eritrereto am-pahatsiarovan-tena ny hampianatra ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy. Ohatra, raha manontany ny zanakao hoe: “Dada a, nahoana isika no mivavaka?” Dia azonao valiana hoe: “Tsara izany fanontaniana izany. Tadidinao ve i Jesoa rehefa nivavaka? Andeha hiresaka momba ny antony nivavahany sy ny fomba nivavahany isika.”

“Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” 13

Miresaka an’i Kristy ao amin’ny Fiangonana

Ampian’io soratra masina io ihany hoe “mitory an’i Kristy” isika. 14 Ao anatin’ny fotoam-pivavahana ataontsika dia aoka isika hifantoka amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny fanomezampahasoavan’ny sorompanavotany. Tsy midika izany fa tsy afaka miresaka traikefa tamin’ny fiainantsika manokana isika na hizara hevitra avy amin’ny hafa. Na dia mikasika ny fianakaviana na fanompoana na tempoly na iraka nampanaovina vao tsy ela aza ny lohahevitsika dia tokony hifantoka any amin’ny Jesoa Kristy Tompo ny zavatra rehetra ao amin’ny fitsaohantsika.

Telopolo taona lasa izay ny Filoha Dallin H. Oaks dia niresaka momba ana taratasy izay voarainy “avy tamina lehilahy iray izay nilaza fa namonjy fivoriana [fanasan’ny Tompo] iray ary nihaino fijoroana ho vavolombelona miisa fito ambin’ny folo tsy naharenesana fanononana ny Mpamonjy.” 15 Dia nomarihin’ny Filoha Oaks avy eo hoe: “Mety nampitomboana izany filazana izany saingy tononiko eto satria manome fampahatsiahivana mafy ho antsika.” 16 Avy eo izy dia nanasa antsika hiresaka bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo lahateny sy fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasy ataontsika. Nahita aho fa mihamifantoka bebe kokoa amin’i Kristy isika ao amin’ireo fivoriam-piangonantsika. Aoka isika hanohy hatrany am-pahatsiarovan-tena ireo ezaka tena tsara ireo.

Miresaka an’i Kristy amin’olon-kafa

Amin’ireo manodidiana antsika isika dia aoka hisokatra bebe kokoa sy hazoto bebe kokoa hiresaka an’i Kristy. Hoy ny Filoha Nelson hoe : “Ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao.” 17

Indraindray isika dia mieritreritra fa rehefa miresaka aman’olona dia tokony hahatonga azy ireo ho any am-piangonana na hahita ireo misiônera izany. Avelao ny Tompo hitarika azy ireo rehefa vonona izy ireo, fa isika kosa hieritreritra kokoa momba ny andraikitra amin’ny maha feony antsika, misaintsaina sy miresaka malalaka momba ny finoantsika. Nampianatra antsika ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa rehefa misy olona manontany antsika momba ny faran’ny herinandrontsika dia tokony hamaly am-pitsikiana isika fa tiantsika ny nihaino ireo ankizy tao amin’ny Kilonga nihira ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa.” 18 Aoka isika hijoro ho vavolombelona amin-katsaram-panahy ny finoantsika an’i Kristy. Raha misy olona mizara momba ny olana iray eo amin’ny fiainany manokana dia afaka miteny isika hoe: “Jaona, Maria, fantatrao fa mino an’i Jesoa Kristy aho. Nieritreritra zavatra iray nolazainy aho izay mety hanampy anao.”

Miresaha malalaka kokoa eny amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fatokianao an’i Kristy. Hanaja ny finoanareo ny ankamaroan’ny olona, fa raha misy olona manao tsinontsinona rehefa miresaka momba ny Mpamonjy ianareo dia ento hankahery anareo ilay fampanantenany hoe: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona … noho ny amiko. … Fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.” 19 Miahiahy bebe kokoa ny amin’ny fanarahantsika Azy isika mihoatra ny hoe mahazo “J’aime” avy amin’ireo mpanaraka antsika. Nampianatra i Petera hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly [noho] ny fanantenana ao anatinareo.” 19 Andeha isika hiresaka an’i Kristy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy. Saika ny pejy rehetra dia mijoro ho vavolombelona ara-bakiteny ny Mpamonjy sy ny iraka masina nampanaovina Azy. 21 Ahitana fahatakarana ny sorompanavotany sy ny fahasoavany manenika ireo pejy ao anatiny. Amin’ny maha-mpiara-miasa amin’ny Testamenta Vaovao azy dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny antony nahatongavan’ny Mpamonjy hanavotra antsika sy ny fomba ahafahantsika manatona Azy bebe kokoa ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy mazava amin’ireo Kristiana namantsika sasany indraindray ny zavatra inoantsika sy manosika antsika. Andeha isika hiara-paly tokoa amin’izy ireo ao amin’ny finoantsika iraisana an’i Jesoa Kristy sy ao amin’ireo soratra masina Testamenta Vaovao izay tiantsika rehetra. Ao anatin’ireo andro ho avy dia mila mifampinamana sy mifanohana ireo izay mino an’i Jesoa Kristy. 22

Sary
Ilay Fahazavan’izao tontolo izao

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy. Rehefa miseho ny tena maha-mpianany antsika, dia maro amin’ireo manodidina antsika no ho vonona hihaino. Rehefa mizara ny hazavana voaraintsika taminy isika dia hamiratra amin’ireo izay vonona ny hanokatra ny fony ny hazavany sy ny heriny manavotra lehibe. Hoy i Jesoa: “Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana.” 23

Manandratra ny faniriana ao amintsika hiresaka an’i Kristy

Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsainy ny fiverenany. Na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana Izy no ho tonga, dia ho mahavariana tokoa ny zavatra hitranga amin’ny fiverenany! Ho avy eo amin’ny rahon’ny lanitra amin’ny halehibeny sy ny voninahitra Izy miaraka amin’ny anjeliny masina rehetra. Tsy anjely vitsy fotsiny fa ny anjeliny masina rehetra . Tsy ireo kerobima mena takolaka nataon’i Raphael sary hosodoko hita ao amin’ireny karatra firarian-tsoa amin’ny fetin’ny mpifankatia ireny no resahina eto. Ireo no anjelin’ny taonjato maro, ny anjely nalefa hanakombona ny vavan’ny liona, 24 hamoha ny varavaran’ny trano-maizina, 25 hanambara ny fahaterahany izay efa nandrasana hatry ny ela, 26 hampahery Azy tao Getsemane, 27 hanome toky ireo mpianatra tamin’ny fiakarany tany an-danitra, 28 ary hanokatra ilay Famerenana amin’ny laoniny tamim-boninahitra ny filazantsara. 29

Sary
Ny Fiaviana fanindroany

Azonareo sary an-tsaina ve ny hoe hakarina hitsena Azy, na eto amin’ity lafiny ity na any amin’ny lafiny ilan’ny voaly? 30 Izany no fampanantenany ho an’ny olo-marina. Izany traikefa mahatalanjona izany dia hanamarika ny fanahintsika mandrakizay.

Tena feno fankasitrahana isika noho ny mpaminany malalantsika dia ny Filoha Russell M. Nelson, izay nampitombo ny faniriantsika hitia ny Mpamonjy sy hanambara ny fahamasinany. Vavolombelona nahita maso ny tanan’ny Tompo eo aminy aho sy ny fanomezampahasoavan’ny fanambarana izay mitarika azy. Ry Filoha Nelson, tsy andrinay ny haheno ny hafatrao.

Ry namana malala manerana izao tontolo izao, aoka isika hiresaka an’i Kristy, ary hiandrandra ny fampanantenana be voninahitra nomen’ny Mpamonjy hoe: “Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko … izy eo anatrehan’ny Raiko.” 30 Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 14:6.

  2. Matio 11:28.

  3. Jereo ny Niztan Peri-Rotem, “Religion and Fertility in Western Europe: Trends across Cohorts in Britain, France and the Netherlands,” European Journal of Population, May 2016, 231–65, ncbi.nlm.nih.gov/pmc/articles/PMC4875064.

  4. “[Dimy amby enim-polo isan-jaton’] ny Amerikana no milaza ny tenany ho Kristiana rehefa nanontaniana momba ny fivavahany, ka izany dia 12 isan-jato latsaky ny tamin’ny folo taona lasa. Fa ireo izay mitonona ho tsy manam-pivavahana, izay ahitana olona milaza ho tsy mino an’ Andriamanitra, tsy mino na inona na inona na -tsy mino zavatra iray manokana- dia 26%, niakatra 17% hatramin’ny 2009” (Pew Research Center, “In U.S., Decline of Christianity Continues at Rapid Pace,” Oct. 17, 2019, pewforum.org).

  5. Jereo ny Pew Research Center, “The Future of World Religions: Population Growth Projections, 2010–2050,” Apr. 2, 2015, pewforum.org.

  6. Marka 9:7; Lioka 9:35; jereo ihany koa ny Matio 3:17; Joseph Smith—Tantara 1:17.

  7. Jereo ny Filipiana 2:9–11.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Prophets, Leadership, and Divine Lawfampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2017), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  9. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40–41.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  11. Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 88.

  12. Neil L. Andersen, “Raconte-moi les histoires de Jésus,” Liahona, mai 2010, 108.

  13. 2 Nefia 25:26.

  14. 2 Nefia 25:26.

  15. Dallin H. Oaks, “Another Testament of Jesus Christ” (takariva amorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, 6 jona 1993), 7, speeches.byu.edu.

  16. Dallin H. Oaks, “Witnesses of Christ,” Ensign, Nov. 1990.

  17. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” 40.

  18. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17; “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 40.

  19. Matio 5:11–12.

  20. 1 Petera 3:15.

  21. “Rehefa nanoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny [Zanaka Malalan’ Andriamanitra ireo mpaminany mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna] dia manonona ny anarany amin’ny salan’isa 1.7 isan’andininy amin’ny endrika samihafa izy ireo. Miantso an’i Jesoa Kristy amina anarana 101 ara-bakiteny isan-karazany [izy ireo]. … Rehefa hitantsika fa ny andinin-tsoratra masina iray mazàna dia ahitana fehezan-teny iray, amin’ny ankapobeny, isika dia tsy afaka … hamaky fehezan-teny roa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna … ka tsy hahita karazana fiantso milaza an’i Kristy” (Susan Easton Black, Finding Christ through the Book of Mormon [1987], 5, 15).

    “Raha miseho indray mandeha ihany ao amin’ny dikantenin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny Anglisy nataon’i King James ny teny hoe nanao sorompanavotana na sorompanavotana amin’ny endriny samihafa, izy ireo dia hita in-35 avo heny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Noho ny maha-Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy azy dia manome fanampim-pahazavana sarobidy momba ny Sorompanavotany izany” (Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996.)

  22. Ireo izay miala amin’ny maha-Kristiana ao Etazonia dia olona tanora. “Mihoatra ny olona valo amin’ny folo ao amin’ny Génération silencieuse (ireo izay teraka teo anelanelan’ny 1928 sy 1945) no mamaritra ny tenany ho Krisitiana (84%), tahaka ireo telo ampahaefatr’ireo izay ao amin’ny Génération du baby-boom (76%). Lavitra tanteraka anefa raha ampitahaina, ny antsasaky ny Génération du millénaire (49%) ihany no milaza ny tenany ho Krisitiana, ny efatra amin’ny folo dia -tsy miraharaha- fivavahana, ary olona ao amin’ny Génération du millénaire iray amin’ny folo no mitonona ny tenany ho tsy Kristiana” (“Ao amin’ny U.S., Decline of Christianity Continues,” pewforum.org).

  23. Jaona 12:46.

  24. Jereo ny Daniela 6:23.

  25. Jereo ny Asan’ny Apostoly 5:19.

  26. Jereo ny Lioka 2:2–14.

  27. Jereo ny Lioka 22:42–43.

  28. Jereo Asan’ny Apôstôly 1:9–11.

  29. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; 27:12–13; 110:11–16; Joseph Smith—Tantara 1:27–54.

  30. Jereo ny 1 Tesaloniana 4:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:96–98.

  31. Matio 10:32.