2020
Tiavo ny fahavalonareo
Nôvambra 2020


Tiavo ny fahavalonareo

Ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra daholo isika dia manome antsika fahatakarana araka an’ Andriamanitra ny amin’ny hasarobidin’ny olona hafa rehetra sy ny fahavononana tsy hamela ny fitanilàna hibaiko ny saintsika.

Maharitra mandrakizay ny fampianaran’ny Tompo ary natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Hanome ohatra vitsivitsy avy eto Etazonia aho ato amin’ity hafatra ity, kanefa azo ampiharina na aiza na aiza ny fitsipika ampianariko.

Miaina ao anatin’ny fotoan’ny fahatezerana sy fankahalana eo amin’ny fifandraisana sy ireo lalàna ary ireo fomba amam-panao ara-pôlitika isika. Tsapantsika izany nandritra ity fahavaratra ity tamin’ny nahitantsika olona nihoa-pefy ka tsy nanaja ny fanaovana fitokonana tamim-pilaminana ary niroso tamin’ny fanehoana fihetsika feno herisetra. Tsapantsika izany ao anatin’ireo fampielezan-kevitra sasantsasany irotsahana hofidiana amin’ireo andraikitra ara-panjakana. Indrisy anefa fa ny sasany tamin’izany aza dia niitatra any amin’ireo fanambarana ara-pôlitika sy ny fanaratsiana olona tao anatin’ireo fivoriam-piangonantsika.

Ao anatina governemanta demôkratika dia tsy maintsy tsy hitovy hevitra foana isika amin’ireo mpirotsaka hofidiana sy ireo lalàna izay aroso. Kanefa, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia tsy maintsy miala amin’ny hatezerana sy ny fankahalana izay entina hiadiana hevitra na hiampangana ireo safidy ara-pôlitika amin’ny sehatra rehetra isika.

Sary
Toriteny teo an-tendrombohitra

Inty ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay mety ho be mpahalala, saingy zara raha ampiharina:

“Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiava ny fahavalonareo, [tsofy rano ireo izay manozona anareo, manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, mivavaha ho an’ireo izay ratsy fitondra anareo sy manenjika anareo]” (Matio 5:43–44). 1

Tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby dia nampianarina ny Jiosy mba hankahala ireo fahavalony, ary nijaly teo ambanin’ny fanapahana sy ny halozan’ny fibodoan’ny Romana izy ireo. I Jesoa anefa dia nampianatra azy ireo hoe “Tiavo ny fahavalonareo” ary “manaova soa amin’ireo izay ratsy fitondra anareo.”

Sary
I Jesoa nampianatra tany Amerika

Fampianarana tena mitondra fanovana lehibe eo amin’ny fifandraisan’ny olona tsirairay sy eo amin’ny ara-pôlitika izany. Fa mbola izany ihany no didin’ny Mpamonjintsika hatao. “Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy” (3 Nefia 11:29).

Tsy mora izany mitia ny fahavalontsika sy ny mpifanandrina amintsika izany. “Tsy mbola tody amin’izany dingan’ny … fitiavana ary famelana izany ny ankamaroantsika,” hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley, dia nampiany hoe: “Mitaky fifehezan-tena efa hila ho lehibe noho izay vitantsika izany.” 2 Kanefa dia tsy maintsy hoe tena ilaina izany fitiavana izany, satria isan’ireo didy roa lehiben’ny Mpamonjy mba “[hitia] an’i Jehovah Andriamanitrao” sy “[hitia] ny namanao tahaka ny tenanao” izany (Matio 22:37, 39). Ary tsy maintsy hoe azo tanterahina izany, satria nampianatra koa Izy hoe: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo” (Matio 7:7). 3

Ahoana no hanajantsika ireo didy masina ireo ao anatin’ny tontolo izay iainantsika eo ambany fifehezan’ny lalàn’ olombelona ihany koa? Soa ihany fa manana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manokana isika ny amin’ny fomba hampifandanjana ny lalàny mandrakizay sy ny fomba ahafahana mampiasa ny lalàna nataon’ olombelona. Rehefa nitady ny hamandrika Azy ireo fahavalo tamin’ny fanontaniana iray momba ny tokony handoavan’ny Jiosy hetra ho an’i Rôma na tsia, dia nanondro ny sarin’i Kaisara teo amin’ny vola madinik’izy ireo Izy dia nanambara hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra” (Lioka 20:25). 4

Sary
Aloavy izay an’i Kaisara

Noho izany dia tokony hanaraka ny lalàn’ny tany isika (mandoa ny an’i Kaisara) mba hiaina amim-pilaminana eo ambanin’ny fahefan’ny fitondram-panjakana, ary manaraka ny lalàn’ Andriamanitra mankany amin’izay hiafarantsika mandrakizay isika. Ahoana anefa no hanaovantsika izany, indrindra fa ny hoe ahoana no hianarantsika mitia ny mpifanandrina amintsika sy ny fahavalontsika?

Dingana tsara voalohany tokony harahana ilay fampianaran’ny Mpamonjy tsy “hifanditra amim-pahatezerana”. Ny devoly no rain’ny fifandirana, ary izy no maka fanahy ny olona hifanditra amim-pahatezerana. Manidrahindra ny fifanoherana sy ny fifandraisana feno fankahalana eo anivon’ny tsirairay sy ao anatin’ireo vondrona izy. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson fa ny fatezerana dia “fitaovan’i Satana,” satria “rehefa tezitra isika dia midika hoe manaraka ny fitaoman’i Satana. Tsy misy na iza na iza afaka mahatonga antsika ho tezitra. Safidintsika izany.” 5 Ny fahatezerana no lalana mitondra mankany amin’ny fizarazarana sy ny fifankahalana. Mizotra mankany amin’ny fitiavana ireo fahavalontsika isika rehefa misoroka ny fahatezerana sy ny fankahalana ireo izay tsy itovizantsika hevitra. Manampy ihany koa raha toa ka vonona mihitsy aza isika ny hianatra avy amin’izy ireo.

Isan’ireo fomba hafa hananana ny hery hitia ny hafa ilay fomba tsotra voafariparitra ao amin’ny tonon’ny hira iray fahiny. Rehefa miezaka ny mahatakatra sy mampitaha ireo olona miaina kolontsaina hafa isika dia tokony hiezaka mahafantata azy ireo. Hita tamin’ny toe-javatra maro fa mitondra amin’ny finamanana, eny hatramin’ny fifankatiavana ny endrikendrika na fankahalana ataon’ny olon-tsy fantatra, rehefa miteraka fahatakarana sy fifanajana ny fifankahafantaran’ny olona. 6

Fanampiana iray mbola lehibe kokoa noho izany amin’ny fianarana mitia izay mifanandrina amintsika sy ireo fahavalontsika ny mikatsaka ny hahatakatra ny herin’ny fitiavana. Ireto misy telo amin’ireo fampianarana maro avy amin’ny mpaminany momba izany.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ohabolana tsy tontan’ny ela ny hoe ny fitiavana dia miteraka fitiavana. Andeha isika hampitobaka ny fitiavana, haneho ny hatsaram-panahintsika amin’ny olon-drehetra.” 7

Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Hahazo tombontsoa lehibe ny tontolo izay iainantsika raha mampihatra ny fitiavana madion’i Kristy izay malemy fanahy, mietry am-po, ary tsy miavona am-po ny olombelona. Tsy mialona sy tsy miavonavona izany. … Tsy mila tambiny izany. … Tsy manome toerana ho an’ny fanavakavahana, na ny fankahalana, na ny herisetra izany. … Mamporisika ny olona isan-karazany hiara-honina ao anatin’ny fitiavana Kristianina izany na inona na inona ny antokom-pivavahana, na ny volon-koditra, na ny firenena niaviana, na ny fari-piainana, na ny kolontsaina.” 8

Ary ny Filoha Russell M. Nelson dia nanentana antsika mba “hampitombo hatrany hatrany ny olona tiavintsika mandra-pitiavantsika ny olombelona rehetra.” 9

Ampahany manan-danja amin’ny fitiavantsika ny fahavalontsika ny mandoa izay an’i Kaisara amin’ny alalan’ny fitandremana ireo lalàna ao amin’ireo firenentsika samihafa. Na dia nitondra fiovana lehibe aza ireo fampianaran’i Jesoa, dia tsy nampianatra tolom-piavotana na fandikana lalàna Izy. Nampianatra tamin’ny fomba tsara kokoa Izy. Mampianatra toy izany koa ny fanambarana maoderina.

Aoka tsy hisy olona handika ny lalàn’ny tany, fa izay mitandrina ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy tokony handika ny lalàn’ny tany.

Koa manoava ny hery izay misy ambara-panjakany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21–22).

Ary ny fanekem-pinoantsika, izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny niaretan’ireo Olomasina fanenjehana mavaivay avy amin’ireo manampahefana tao Missouri, dia manambara hoe: “Mino ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, amin’ ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna” (Fanekem-pinoana 1:12).

Tsy midika akory izany fa manaiky izay rehetra ataon’ireo olona mampihatra ny lalàna isika. Midika izany fa mankatò ny lalàna misy ankehitriny isika ary mampiasa fomba milamina hanovana izany. Midika ihany koa izany fa manaiky amim-pitoniana ny vokatr’ireo fifidianana isika. Tsy handray anjara amin’ireo herisetra izay hampihorohoroan’ireo olona diso fanantenana amin’ny voka-pifidianana isika. 10 Ao anatin’ny fiarahamonina demôkratika isika dia manana foana ny fahafahana sy ny adidy mba hanohy hiaina amim-pilaminana mandra-pahatongan’ny fifidianana manaraka.

Ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hitia ny fahavalontsika dia mifototra amin’ilay fahamarinana fa zanaka malalan’ Andriamanitra ny olombelona rehetra. Izany fitsipika mandrakizay izany sy ireo fitsipika fototry ny lalàna sasany dia nosedraina tao anatin’ireo fitokonana vao haingana tao amin’ireo tanàna maro teto Amerika.

Sary
Fanoherana atao anatin’ny fandriampahalemana

Amin’ny lafiny iray dia toa manadino ny sasany fa ny Didy hitsy volana voalohany amin’ny Lalam-panorenan’i Etazonia dia manome antoka ny amin’ny “fananan’ny olona zo hivory sy hangataka amim-pilaminana amin’ny fitondram-panjakana mba hampanjaka izay rariny mifandray amin’ireo zavatra itoriana.” Izany no fomba nahazoana lalana mba hanairana ny sain’ny vahoaka sy hifantohana amin’ireo zavatra tsy ara-drariny ao amin’ny votoatin’ireo lalàna sy ny fampiharana izany. Ary tena nisy ny zavatra tsy ara-drariny. Ny fanenjehana ara-heloka sy ny fihetsitsika manokana dia nahitana fanavakavaham-bolon-koditra sy ireo zavatra itoriana mifandray amin’izany. Tao anatin’ny famoronan-dahatsoratra iray mandresy lahatra nosoratana manokana, ny Révérende Theresa A. Dear avy ao amin’ny Fikambanana Nasiônaly ho an’ny Fampandrosoana ny Olona tsy fotsy hoditra (NAACP) dia nampahatsiahy antsika fa “ny fanavakavaham-bolon-koditra dia mihamahazo vahana amin’ny alalan’ny fankahalana, ny fanaovana tsindry hazo lena, ny tsikombakomba miafina, ny fileferana, ny tsy firaharahiana ary ny fahanginana.” 11 Amin’ny maha-olom-pirenena sy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia tsy maintsy manao izay vitantsika isika hamongorana ny fanavakavaham-bolon-koditra.

Sary
Fikomiana tsy ara-dalàna

Etsy an-kilany indray dia toa nanadino ny olona vitsy tamin’ireo mpandray anjara sy mpanohana an’ireo fitokonana ireo sy ireo zavatra tsy ara-dalàna natao taorian’izany fa ny fitokonana arovan’ny Lalam-panorenana dia fitokonana am-pilaminana. Tsy manana zo ny hamotika, na hanimba, na hangalatra fananan’olona, na hanozongozona ny fitandroana filaminana ara-dalàna ataon’ny fanjakana ny mpitokona. Tsy ahitana fanasana hanao tolo-piavotana na hanao fanjakan’i Baroa ao anatin’ny Lalam-panorenana. Isika rehetra, na mpitandro ny filaminana, na mpitokona, na mpanohana, na mpijery fotsiny, dia tokony hahatakatra ny fetran’ny zo ananantsika sy ny maha-zava-dehibe ny adidintsika mba tsy hihoa-pefy ny lalàna izay misy. Marina ny nolazain’i Abraham Lincoln rehefa niteny izy hoe: “Tsy misy zavatra itakiana ny rariny ka ho voavahan’andian’olona maro mampihatra an-keriny ny lalàna izay tian’izy ireo hampiharina.” 12 Ny fampiharan’ny andian’olona an-keriny ny lalàna tiany dia fampiharana lalàna amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Fanjakan’i Baroa izany, toe-javatra iainana izay tsy misy fitondram-panjakana mahefa sy mpitandro filaminana ara-dalàna, izay manakantsakana fa tsy miaro ny zon’ny tsirairay.

Antony iray nahatonga ireo fitokonana vao haingana teto Etazonia ho nanafintohina ny maro tokoa ny hoe tsy tokony ho tsapa aty Etazonia ireo fankahalana sy fomba fanao tsy ara-dalàna izay iainan’ireo foko isan-karazany any amin’ireo firenen-kafa. Tokony hahavita be amin’ny famongorana ny fanavakavaham-bolon-koditra ity firenena ity, tsy izay atao amin’ny Amerikana Mainty ihany, izay nisongadina indrindra tao anatin’ireo fitokonana vao haingana, fa izay atao amin’ireo Latinô sy ny Aziatika ary ireo vondrona hafa ihany koa. Nampalahelo ny tantaran’ny fanavakavaham-bolon-koditra teto amin’ity firenena ity, ary mila miala amin’izany isika.

Sary
Ellis<nb/>Island
Sary
Mpifindra monina

I Etazonia dia naorin’ireo mpifindra monina avy amin’ny firenena samy hafa sy foko samy hafa. Ny tanjona nampitambarana azy ho iray dia tsy hoe hanangana fivavahana iray manokana na hampaharitra ny iray amin’ireo kolontsaina isan-karazany na ireo fomba amam-panaon’ny foko tany amin’ireo firenena zokiny. Nikatsaka ny hitambatra tamin’ny alalan’ny lalam-panorenana sy lalàna vaovao ny taranaka nanorina an’i Etazonia. Tsy midika akory izany fa tonga lafatra ireo antontan-taratasy nampitambatra antsika, na ny fahatakaran’ny olona tamin’izany ny hevitra nofonosin’izany. Ny tantaran’ireo taonjato roa voalohany momba an’i Etazonia dia maneho fa nisy fanatsarana betsaka nilaina natao, toy ny zo handatsa-bato ho an’ny vehivavy ary indrindra fa ny fanafoanana ny fanandevozana, anisan’izany ireo lalàna izay hakana antoka fa ho afaka ny hanatanteraka ny zavatra rehetra azon’ny olona afaka atao ireo izay nandevozina.

Vao haingana ny manam-pahaizana anankiroa avy ao amin’ny Oniversite an’i Yale no nampahatsiahy antsika hoe:

“Na dia eo aza ireo tsy fahatanterahany, I Etazonia dia afaka manana fahafahana amin’ny fomba miavaka ny hampiray fiarahamonina ahitana karazan’olona sy mizarazara. …

“… Tsy voatery hisafidy ny olom-pirenena ao aminy hoe hahazo ny zo maha-olon’ny firenena iray, na hiaina ao anatin’ny fifangaroan’ny kolontsaina sy ny foko maro. Afaka manana azy roa ireo ny Amerikana. Fa ny zavatra tena ilaina ao anatin’izany dia ny fitiavan-tanindrazana mifanaraka amin’ny lalam-panorenana. Tokony hijanona hitambatra ho iray amin’ny alalan’ny Lalam-panorenana isika, na dia eo asa ny tsy fitoviantsika hevitra.” 13

Taona maro lasa izay dia nanome ity torohevitra tsara ity tao anatin’ny adihevitra iray natao tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny minisitry ny raharaham-bahiny Britanika iray hoe: “Tsy manana olona miara-miasa amintsika mandrakizay izany isika ary tsy manana olona mijoro ho fahavalontsika mandrakizay. Ny zavatra ilaintsika sy iriantsika no mandrakizay sy maharitra, ary ireo zavatra ilaina sy faniriana ireo no ilaintsika tanterahina.” 14

Antony tsara iray ara-piarahamonina hanatontosantsika ireo zavatra ilaina sy iriantsika eo amin’ny lafiny ara-pôlitika izany. Ankoatra izay dia mampianatra antsika zavatra ilaina sy iriana iray hafa maharitra mandrakizay mba hitarika antsika ny fotopampianaran’ny Fiangonan’ny Tompo: dia ny fampianaran’ny Mpamonjintsika izay nanome fitaomam-panahy hanaovana ny Lalam-panorenan’i Etazonia sy ireo lalàna fototra ao amin’ny maro amin’ireo firenentsika. Ny fahatokiana mba hametraka lalàna fa tsy ny “fitambarana hiara-hiasa” ao anatin’ny fotoana voafetra no fomba tsara indrindra hitiavana ny mpifanandrina amintsika sy ny fahavalontsika eo am-pikatsahantsika ny hitambatra ho iray ao anatin’ny fahasamihafana.

Ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra daholo isika dia manome antsika fahatakarana araka an’ Andriamanitra ny amin’ny hasarobidin’ny olona hafa rehetra sy ny fahavononana tsy hamela ny fitanilàna sy ny fanavakavaham-bolon-koditra hibaiko ny saintsika. Rehefa nipetraka nandritra ny taona maro tany amin’ny toerana samy hafa teto amin’ity firenena ity aho dia nampianatra ahy ny Tompo fa azo atao tsara ny mankatò sy mikatsaka ny hanatsara ny lalàn’ny firenentsika sy ny mitia ihany koa ireo mpifanandrina amintsika sy ny fahavalontsika. Na dia sarotra aza izany dia azo tanterahina tsara miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy Tompontsika. Nomeny io didy io mba holalaina, ary mampanantena ny fanampiany rehefa mikatsaka ny hankatò izany isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa tiana isika ary hanampy antsika ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo koa ny Lioka 6:27–28, 30.

  2. Gordon B. Hinckley, “The Healing Power of Christ,” Ensign, nôv. 1988, 59; jereo koa ny Teachings of Gordon B. Hinckley1997), 230.

  3. Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5.

  4. Jereo koa ny Matio 22:21; Marka 12:17.

  5. Thomas S. Monson, “School Thy Feelings, O My Brother,” Liahona, nôv. 2009, 68.

  6. Jereo ny Becky and Bennett Borden, “Moving Closer: Loving as the Savior Did,” Ensign, 24 sept. 2020.

  7. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 5:517. Tahaka izany ihany, i Martin Luther King Jr. (1929–1968) dia niteny hoe: “Ny famaliana ny herisetra amin’ny herisetra, dia mampitombo ny herisetra, ary manampy haizin-kitroka ny alina iray izay tsy ahitana kintana. Tsy afaka mandroaka ny haizina ny haizina, fa ny hazavana ihany no afaka manao izany. Tsy afaka mandroaka ny fankahalana ny fankahalana, fa ny fitiavana ihany no afaka manao izany” (Where Do We Go from Here: Chaos or Community? [2010], 64–65).

  8. Enseignements des présidents de l’Eglise: Howard W. Hunter (2015), 263.

  9. Russell M. Nelson, “Blessed Are the Peacemakers,” Liahona, Nov. 2002; jereo koa ny Teachings of Russell M. Nelson (2018), 83.

  10. Jereo ny “A House Divided,” The Economist, 5 sept. 2020, 17–20.

  11. Theresa A. Dear, “America’s Tipping Point: 7 Ways to Dismantle Racism,” Deseret News, 7 jona, 2020, A1.

  12. Lahateny iray natao tao amin’ny Lisea an’ny Zatovolahy tao Springfield, Illinois (27 jan. 1838); nindramina ao amin’ny John Bartlett, Bartlett’s Familiar Quotations, 18th ed. (2012), 444.

  13. Amy Chua and Jed Rubenfeld, “The Threat of Tribalism,” Atlantic, Oct. 2018, 81, theatlantic.com.

  14. Henry John Temple, Viscount Palmerston, remarks in the House of Commons, Mar. 1, 1848; in Bartlett, Bartlett’s Familiar Quotations, 392; nampiana fanamafisana.