2020
Fanovana nambara eo anivon’ny mpitarika ny Fiangonana
Nôvambra 2020


Fanovana nambara eo anivon’ny mpitarika ny Fiangonana

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020 dia nambara ny niantsoana mpikambana vaovao iray ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao iray, mpikambana iray vaovao ao amin’ny Episkôpà Mpiahy, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa efatra.

Ny Loholona Brent H. Nielson dia notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, taorian’ny nisaorana ny Loholona L. Whitney Clayton, izay nomena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra. Ankehitriny ny Loholona Patrick Kearon no Filohan’ny Fitopololahy ela nanompoana indrindra, toerana nohazonin’ny Loholona Clayton teo aloha.

Ny Loholona Dean M. Davies dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, taorian’ny nisaorana azy tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Episkôpà Mpiahy azy. Ny Eveka W. Christopher Waddell dia notohanana hanolo ny Loholona Davies ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpà Mpiahy, ary ny Eveka L. Todd Budge, izay nisaorana tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy, dia notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa (ilay toerana nohazonin’ny Eveka Waddell teo aloha).

Ny Loholona Enrique Falabella sy ny Loholona Richard J. Maynes dia nisaorana ihany koa tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary nomena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Azo jerena manomboka amin’ity pejy ity ny tantaram-piainan’ireo mpitarika voafantina. Nisy ihany koa ny fampilazana ny fisaorana Fitopololahin’ny Vondromparitra miisa 47 ary ny fiantsoana Fitopololahin’ny Vondromparitra miisa efatra (jereo ny pejy 30).