2020
Ny Manuel général d’instructions amin’ny endrika nomerika
Nôvambra 2020


Ny Manuel général d’instructions amin’ny endrika nomerika

Mbola mitohy ny fanaovana fanitsiana ny Manuel général d’instructions : Servir dans l’Église de Jésus-Christ des Saints des Derniers Jours, ka hivoaka ato ho ato amin’ny fiteny be mpampiasa miisa 21 ny dikantenin’ny ampahany voafantina ao amin’izany.

Ilay boky torolalana vaovao dia nivoaka tamin’ny endrika nomerika tamin’ny teny Anglisy tamin’ny febroary 2020, ary nisy ireo fanitsiana fanampiny nampidirina tamin’ny martsa sy jolay. Hatreto dia 16 amin’ireo fizarana 38 ao amin’ilay boky no efa vonona sy navoaka. Ireo fizarana ambiny dia hahitsy mandritra ireo volana ho avy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana mahakasika ny fanamorana sy fanatsorana ny famakiana.

Fotoana fohy aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020 dia hanomboka hivoaka amin’ny fiteny miisa 21 (ankoatra ny fiteny Anglisy) ny fizarana 32, “Repentir et commissions d’examen du statut de membre,” sy ampahany amin’ny fizarana 38.6, “Règles concernant les questions de morale” (izay manohana ny fizarana 32). Efa mandalo fandikan-teny ny fizarana fanampiny hafa ary omanina mba hivoaka mandritra ireo volana ho avy, ary any aoriana any dia hivoaka amin’ny fiteny 35 ny boky torolalana manontolo.

Na dia azo jerena ao amin’ny tranokalan’ny Fiangonana sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile aza ilay boky torolalana dia ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana no olona kendrena voalohany hampiasa izany. Ilay boky torolalana nasiam-panitsiana dia hisolo ny Boky torolalana 1 (ho an’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka) sy ny Boky torolalana 2 (ho an’ny mpitarika rehetra) ka hanambatra ny fampahalalana rehetra ao amin’ny boky torolalana ho ao amina boky tokana.

Ilay boky torolalana vaovao dia horafetina manodidina ny asa famonjena sy ny fisandratana, ka hahitana lafiny efatra ifantohana eo amin’ny fankanesana amin’i Kristy sy amin’ny fanampiana amin’ny asan’ Andriamanitra:

  1. Miaina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy

  2. Mikarakara ireo izay sahirana

  3. Manasa ny rehetra handray ny filazantsara

  4. Mampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay

Ireo fizarana dia natao hanampy ny mpitarika manerana izao tontolo izao hanompo amin’ny fomban’i Kristy rehefa mampiasa ireo fandaharan’asa isan-karazany sy fenitra arahina, ary sata mifehy ao amin’ny Fiangonana, ary hampifanaraka izany amin’ny toe-javatra ao an-toerana rehefa ilaina izany.

Ny famoahana ny boky torolalana amin’ny endrika nomerika dia mamela ny fanaovana fanitsiana sy fanovana rehefa mitombo ny Fiangonana ary rehefa mila fanamboarana ireo fenitra arahina. Nampidirana fitsipika mahakasika ny fahaizana mampifanaraka amin’ny toe-java-misy ny boky torolalana mba hanampy ny mpitarika hampihatra ireo fitsipika sy fandaharan’asan’ny Fiangonana amin’ny fomba mahomby any amin’ireo vondrona mpiangona amin’ny endrika rehetra sy manerana ny fianakaviamben’ny Olomasina maneran-tany izay samihafa karazana.