2020
Fiovana ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Nôvambra 2020


Fiovana ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana

Hisy fiovana lehibe ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana manomboka ny janoary 2021. Ny Liahona dia ho lasa ny gazetiboky ho an’ny mpamaky olon-dehibe, izay hanomezana gazetiboky tokana hivoaka ho an’ireo olon-dehibe maneran-tany. Ireo gazetiboky ho an’ny zatovo sy ny ankizy, izay ho gazetiboky mahaleo tena, dia hivoaka manerana izao tontolo izao. Ary ireo votoatin-javatra nomerika sy tovana ahitana zavatra vokarina eo an-toerana dia hampivelatra sy hanatsara ny fahatakarana ny filazantsara sy ireo loharanom-pitaovana misy ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza misy azy ireo.

Tsy hoampiasaina intsony ny hoe Ensign , ny gazetiboky ho an’ny zatovo dia ho fantatra amin’ny hoe Ho zatovo mahery! (hanolo ny New Era), ary ny Namana dia mbola hitohy ho ny lohatenin’ny gazetiboky ho an’ny ankizy.

Ireo fanamboarana eo amin’ny lafiny gazetiboky ireo dia hitondra tombotsoa betsaka ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao:

  • Ho voalohany izao ireo fianakaviana any ivelan’ireo firenena miteny Anglisy no hanana fahafahana hamandrika gazetiboky natokana manokana ho an’ny ankizy sy ny zatovo.

  • Any amin’ny faritra sy fiteny sasany dia hivoaka matetika kokoa mihoatra noho ny tamin’ny lasa ireo votoatin-javatra.

  • Ny fianakaviamben’ny Fiangonana maneran-tany dia samy hahazo avokoa ireo hafatra mampiray hina amin’ny alalan’ireo gazetiboky maneran-tany.