2020
Rafitra an-jotra ho an’ny horonan-taratasy fangataham-bavaka ao amin’ny tempoly
Nôvambra 2020


Rafitra an-jotra ho an’ny horonan-taratasy fangataham-bavaka ao amin’ny tempoly

Misy ny rafitra an-jotra noforonina mba hahafahan’ireo mpikambana mandefa ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny namany any amin’ny tempoly, izay hametrahana ny anaran’ireo olona ireo ao amin’ny horonan-taratasy fangataham-bavaka. Ny fangatahana hametraka anarana iray eo amin’ny horonan-taratasy fangataham-bavaka dia azo atao amin’ny alalan’ny fitsidihana ny pejy misy ny mombamomba ny tempoly tsirairay ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/temples ary ny fanindriana ny rohy misy ny horonan-taratasy fangataham-bavaka. Azo atao amin’ny alalan’ilay fizarana momba ny tempoly ao amin’ny application mobile Outils pour les membres ihany koa ireo fangatahana. Rehefa tafiditra ireo anarana dia halefa any amin’ilay tempoly (na any amin’ny tempoly am-perinasa akaiky indrindra).

Mivavaka ho an’ny olon-tiany sy ny hafa izay miatrika aretina sy olana hafa ny mpikambana ao amin’ny fivavahana maro. Ny soratra masina dia mamariparitra ohatra maro fony i Jesoa Kristy nivavaka tao anaty vondrona ka namporisika ireo nanatrika mba hivavaka ihany koa. Izany fomba fanao izany dia tanterahina any amin’ny tempoly, ka any ireo mpikambana dia mivondrona am-pinoana sy am-bavaka, mangataka amin’ Andriamanitra mba hitahy ireo olona voasoratra anarana eo amin’ny horonan-taratasy fangataham-bavaka.