2020
Loholona Brent H. Nielson
Nôvambra 2020


Loholona Brent H. Nielson

Fiadidian’ny Fitopololahy

Iray amin’ireo lesona manan-danja nianaran’ny Loholona Brent H. Nielson taorian’ny nandaozan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany ny Fiangonana nandritra ny taona maromaro dia ny hoe mila ny fitiavana sy ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Rehefa nandalina ny Lioka 15 niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’izany fotoana izany dia lasa nahatakatra ny fanorahana momba ilay zanaka adala tamin’ny fomba vaovao ny Loholona Nielson.

“Noho ny antony tsy fantatra loatra dia nahatsapa foana ho toy ilay zanakalahy nijanona tao an-trano aho. … Tamin’io maraina io anefa dia tsapako toy ny hoe izaho ilay zanaka adala,” hoy izy. “Isika rehetra dia tsy manana ny voninahitra avy amin’ny Ray (jereo ny Romana 3:23). Isika rehetra dia mila ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy mba hanasitrana antsika. Olona very isika rehetra ary mila tadiavina.”1

Ny Loholona Brent Hatch Nielson dia notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny 3 ôktôbra 2020 taorian’ny nisaorana ny Loholona L. Whitney Clayton, izay nomena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra.

Teraka tany Burley, Idaho, Etazonia tamin’ny 8 desambra 1954 ny Loholona Nielson. Fony izy tanora dia nanao asa fanompoana tamin’ny fotoana feno tany Failandy. Nanambady an’i Marcia Ann Bradford tamin’ny jona 1978 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka enina izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence en études anglaises tao amin’ny Oniversite Brigham Young izy tamin’ny 1978. Nahazo doctorat tao amin’ny Oniversiten’i Utah izy tamin’ny 1981. Taorian’izay izy dia lasa mpisolovava sy mpiara-mpiasa tao amina cabinet d’avocats tao Twin Falls, Idaho, Etazonia nandritra ny 30 taona latsaka kely.

Efa mpanolotsaina tao amin’ny Vondromparitra Pasifika sy ny Vondromparitra Nosy Filipina ary Filohan’ny Vondromparitra Nosy Filipina ny Loholona Nielson. Nanomboka tamin’ny 2015 ka hatramin’ny 2020 izy dia Tale mpanatanteraky ny Departemanta misahana ny asa Fitoriana.

Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2009 dia filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Idaho izy.

Fanamarihana

  1. Brent H. Nielson, “Miandry ilay nania,” Liahona, mey 2015, 103.