2020
Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra
Nôvambra 2020


Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra

Afaka ny ho lasa mpandray anjara isika, amin’ny fombantsika manokana, eo amin’ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Tompo sy fampanantenany, mpandray anjara amin’ny filazantsara izay mitahy an’izao tontolo izao.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, vao tsy ela aho no nanatanteraka famehezana tao amin’ny tempoly, sady nanaja ireo toromarika mahakasika ny COVID-19. Niaraka tamin’ireo mpifamofo, izay samy efa nahavita asa fitoriana tamim-boninahitra, ny ray aman-drenin’izy ireo sy ireo iray tampo rehetra amin’izy ireo. Tsy mora izany. Ilay tovovavy dia fahasivy amin’ny zanaka folo. Nipetraka nilahatra teo ireo iray tampo aminy, arakara-jokiny, nanaja ny elanelana mazava ho azy.

Niezaka ny ho olona tsara teo anivon’ny mpiara-monina io fianakaviana io na taiza na taiza no nipetrahan’izy ireo. Kanefa nisy fiaraha-monina iray izay tsy nety nandray tsara azy ireo, noho izy ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, araka ny filazan’ny renin’ilay tovovavy.

Nanao izay rehetra vitany ilay fianakaviana hahazoana namana tany am-pianarana, sy handraisana anjara ary mba ho voaray tsara, saingy tsy nahomby. Nivavaka hatrany ilay fianakaviana mba halefaka ny fon’ny olona.

Indray alina dia nahatsapa ilay fianakaviana fa nivaly ny vavak’izy ireo, na dia tamin’ny fomba tsy nampoizina aza. May ny tranon’izy ireo ary rava tanteraka. Saingy nisy zavatra hafa nitranga. Nanalefaka ny fon’ireo mpiara-monina ilay hain-trano.

Nanangona akanjo sy kiraro ary fitaovana hafa ilain’ilay fianakaviana izay namoy ny fananany manontolo ireo mpiara-monina sy ny sekoly teo an-toerana. Ny hatsaram-panahy no niteraka fahatakarana. Tsy izay ny fomba nandrandrain’ilay fianakaviana hoe hamaliana ny vavak’izy ireo. Saingy maneho fankasitrahana izy ireo noho ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ireo zava-tsarotra niainana sy ireo valiny tsy nampoizina tamin’ireo vavaka avy amin’ny fo.

Tena marina fa ho an’ireo manana fo mahatoky sy maso mahita dia miseho eo anivon’ireo olana eo amin’ny fiainana ny famindram-pon’ny Tompo. Ireo olana sy fahafoizan-tena atrehana amim-pinoana dia tena mitondra ireo fitahian’ny lanitra. Amin’izao fiainana an-tany izao isika dia mety hanary na hiandry zavatra sasantsasany mandritra ny fotoana voafetra, saingy amin’ny farany dia ho hitantsika izay manan-danja indrindra. 1 Izany no fampanantenana ataony. 2

Ilay fanambarana nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona tamin’ity 2020 ity dia manomboka amin’ilay fampanantenana tena tsy manavaka fa “Tian’ Andriamanira avokoa ireo zanany any amin’ny firenena rehetra maneran-tany.” 3 Amintsika tsirairay any amin’ny firenena sy foko sy fiteny ary vahoaka tsirairay, 4 dia mampanantena sy manao fanekempihavanana ary manasa antsika Andriamanitra handray amin’ny fifaliany sy ny hatsarany fatratra.

Voambara manerana ny soratra masina ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona rehetra. 5 Io fitiavana io dia ahitana ny fanekempihavan’i Abrahama sy ny fanangonana an’ireo zanak’ Andriamanitra miely patrana, 6 ary ilay drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Ao amin’ny ankohonan’ny mpino dia tsy misy vahiny, tsy misy mpivahiny, 7 tsy misy manankarena sy mahantra, 8 tsy misy “hafa” any ivelany. Amin’ny maha “mpiray fanjakana amin’ny olona masina” antsika, 9 dia asaina isika hanova izao tontolo izao ho tsara kokoa, avy ao anatiny mankany ivelany, olona iray, fianakaviana iray, fiaraha-monina iray isaky ny mandeha.

Izany no mitranga rehefa miaina sy mizara ny filazantsara isika. Tany amboalohan’ity fotoampitantanana ity dia nandray faminaniana iray tena miavaka ny Mpaminany Joseph, fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny tsirairay na aiza na aiza, hahita ny fitiavan’ Andriamanitra ary hiaina ny heriny entina mampitombo sy manova.

Sary
Tranon-dry Smith

Io faminaniana io dia noraisina teto, tao amin’ilay tranon-dry Smith vita amin’ny vatan-kazo, tao Palmyra, New York. 10

Sary
Loholona sy Rahavavy Gong ao amin’ny tranon-dry Smith

Naorina indray teo amin’ny fototra nisy azy tany am-boalohany ny tranon-dry Smith ary vita tamin’ny 1998. Ny efitrano ao amin’ny rihana faharoa dia mifanandrify tanteraka amin’ilay toerana mirefy 5,5 x 9 x 3 metatra izay nahatongavan’i Môrônia, izay mpitondra hafatra feno voninahitra avy tamin’ Andriamanitra, teo amin’i Joseph, ny harivan’ny 21 septambra 1823. 11

Tsaroanareo ny zavatra notantarain’ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Nilaza [i Môrônia] … fa manana asa ampanaovina ahy Andriamanitra, fa ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra ny anarako. …

“Nilaza [i Môrônia] fa misy boky iray milevina, … fa mirakitra ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay izany.” 12

Miato kely aloha isika eto. Mitsaoka an’ Andriamanitra ilay Ray mandrakizay isika, sy i Jesoa Kristy Zanany, fa tsy ny Mpaminany Joseph Smith na izay mety ho lehilahy na vehivavy mety maty.

Kanefa, diniho ny fahatanterahan’ireo faminaniana omen’ Andriamanitra an’ireo mpanompony. 13 Ny sasany dia tanteraka aloha, ny sasany aty aoriana, saingy samy tanteraka avokoa izy rehetra. 14 Rehefa mihaino ny fanahin’ny faminaniana avy amin’ny Tompo isika dia afaka ny ho lasa mpandray anjara amin’ny fombantsika manokana amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniany sy fampanantenany, mpandray anjara amin’ny filazantsara izay mitahy an’izao tontolo izao.

Tamin’ny 1823 i Joseph dia zatovolahy tsy fanta-daza 17 taona, nonina tao amin’ny tanàna iray tsy fantapantatra, tao amin’ny firenena iray vao nahazo fahaleovantena. Raha tsy hoe marina izany, dia ahoana no hahafahany mihevitra ny hilaza fa izy dia ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ary handika amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy hery avy amin’ Andriamanitra rakitsoratra masina izay ho lasa fantatra na aiza na aiza?

Kanefa, noho ilay izy hoe marina, dia afaka manatri-maso ny fahatanterahan’izany faminaniana izany izaho sy ianao ary asaina mihitsy aza isika hanampy amin’ny fanatanterahana izany.

Ry rahalahy sy anabavy maneran-tany, isika tsirairay izay mandray anjara amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020 ity dia anisan’ireo firenena sy foko ary samy hafa fiteny voalaza.

Ankehitriny ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia monina any amin’ny firenena sy faritra 196 ary ahitana tsatòkan’ny Fiangonana 3446 any amin’ny 90 amin’izy ireo. 15 Voasolontsika tena na ireo faritra maro samihafa, na koa ireo ivontoerana matanjaka.

Iza, tamin’ny 1823, no hihevitra fa amin’ny taona 2020 dia hisy firenena telo izay samy hahitana mpikamban’ity Fiangonana ity mihoatra ny iray tapitrisa avy, dia i Etazonia sy i Meksika ary i Brezila?

Na koa firenena 23 samy ahitana mpikamban’ny Fiangonana maherin’ny 100.000 avy, dia telo any Amerika Avaratra, efatra ambin’ny folo any Amerika Afovoany sy Atsimo, iray any Eorôpa, efatra any Azia, ary iray any Afrika? 16

Ny Filoha Russell M. Nelson dia miantso ny Bokin’i Môrmôna hoe “fahagagana mahagaga.” 17 Ireo vavolombelony dia manamarina hoe “Aoka ho fantatry ny firenena, ny foko ary ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra …ity.” 18 Ankehitriny dia azo arahina amin’ny fiteny 100 ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny Filoha Nelson dia efa nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny tany amin’ny firenena 138 ary mbola mitombo hatrany izany.

Nanomboka tamin’ny tahadika 5.000 vita printy an’ny Bokin’i Môrmôna natonta voalohany tamin’ny 1830, dia teo amin’ny 192 tapitrisa no Bokin’i Môrmôna navoaka manontolo na tamin’ny ampahany ary tamin’ny fiteny 112. Azo jerena amin’ny endriny nomerika na aiza na aiza ihany koa ireo dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna misy ankehitriny dia ahitana ny ankamaroan’ireo fiteny 23 misy eto an-tany izay ahitana mpampiasa maherin’ny 50 tapitrisa, izay raha atambatra dia tenin-drenin’ny olona eo amin’ny 4,1 lavitrisa eo ho eo. 19

Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra, izay anasana antsika tsirairay handray anjara, no anatanterahana zavatra lehibe.

Ohatra, nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka iray tao Monroe, Utah, izay ahitana mpikambana 2.200 [roanjato sy roa arivo], dia nanontany aho hoe firy no efa namita iraka nitory filazantsara. Saika ny tanana rehetra no nitsangana. Tato anatin’ny taona vitsivitsy, avy ao amin’io tsatòka tokana io fotsiny, no nahitana misiônera 564 izay nanompo tany amin’ireo fanjakana rehetra miisa 50 aty Etazonia sy firenena 53, tany amin’ny kaontinanta rehetra ankoatra an’i Antarktika.

Efa miresaka an’i Antarktika ihany, na dia tany Ushuaia aza, any amin’ny tendro farany atsimon’i Argentine, dia nahita fahatanterahana faminaniana aho raha nizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ireo misiônerantsika tany amin’ny toerana iray antsoina hoe “faran’ny tany.” 20

Sary
Sary hosodoko voarafitry ny fonon’ireo boky Olomasina

Ilay sary hosodoko voarafitry ny fonon’ireo bokintsika efatra hoe Olomasina 21 dia maneho karipetra maneran-tany ahitana ireo vokatsoan’ny fiainana ny filazantsara tonga amin’ireo Olomasina mahatoky na aiza na aiza. Ny tantaran’ny Fiangonantsika dia miorim-paka amin’ny fijoroana ho vavolombelona niainan’ny mpikambana tsirairay sy ny lalana nodiaviny teo amin’ny filazantsara, anisan’izany i Mary Whitmer, ilay rahavavy mahatoky izay nanehoan’i Môrônia ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna. 22

Sary
Gazetiboky vaovaon’ny Fiangonana

Ho tonga amin’ny Janoary 2021 ireo gazetibokintsika maneran-tany telo vaovao an’ny Fiangonana, dia ny Namana, sy ny Ho zatovo mahery!, ary ny Liahona, izay manasa ny rehetra hiombona sy hifampizara traikefa sy fijoroana ho vavolombelona amin’ny fiarahamonim-pinoana misy antsika maneran-tany. 23

Ry rahalahy sy anabavy isany, rehefa mampitombo ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy isika, sy mandray ireo fitahiana azo amin’ny fiainana ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny sy ireo fanekempihavanana masina, ary mandalina sy misaintsaina ary mizara ilay Famerenana amin’ny laoniny andalam-pahatanterahana, dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana faminaniana.

Miova isika ary manova an’izao tontolo izao araka ny lamin’ny filazantsara izay mitahy fiainan’olona na aiza na aiza.

Nisy rahavavy Afrikanina iray nilaza hoe “Ny fanompoan’ny vadiko ao amin’ny fisoronana dia mahatonga azy hanam-paharetana sy ho tsara fanahy kokoa. Ary izaho dia lasa vady sy renim-pianakaviana tsara kokoa.”

Ny mpandraharaha iray avy any Amerika Afovoany izay toteny ankehitriny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nilaza hoe talohan’ny nahitany ny filazantsaran’ Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny dia nirenireny tsy nanan-tanjona teny an-dalana izy. Ankehitriny izy sy ny fianakaviany dia mahafantatra ny maha-izy azy ary manana tanjona sy nahazo hery.

Misy ankizy lahy iray any Amerika Atsimo miompy akoho ary mivarotra ny atodin’izy ireo mba hanampiana hividianana varavarankely ho an’ny trano izay aorin’ny fianakaviany. Ny fahafolonkareny no efainy aloha. Hahita ara-bakiteny ny fisokafan’ny varavaran’ny lanitra izy.

Any Four Corners, tanana kely iray any atsimo andrefan’i Etazonia, dia misy fianakaviana Indianina Amerikana mamboly foton-draozy iray tsara tarehy izay mamony eo amin’ny tany karankaina, tandindon’ny finoana ny filazantsara sy ny fizakan-tena.

Rahalahy iray any Azia Atsimo-Atsinanana, akanga sisa nanamborana tamin’ny ady an-trano mahatsiravina, no kivy fa hoe tsy nisy dikany ny fiainana. Nahita fanantenana izy tao amin’ny nofy iray izay nahitany mpiara-mianatra taloha nihazona lovian’ny fanasan’ny Tompo ary nijoro ho vavolombelona momba ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Manasa antsika na aiza na aiza ny Ray any An-danitra hahatsapa ny fitiavany, hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’ny fandrantoana fianarana, sy ny asa mendrika, sy ny fanompoana ao anatin’ny fizakan-tena, ary ireo lamin’ny hatsaram-panahy sy ny fahasambarana izay hitantsika ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Rehefa lasa mahatoky an’ Andriamanitra isika, indraindray amin’ny alalan’ny fitalahoana mandritra ireo fotoana maizina sy manirery ary feno ahiahy indrindra iainantsika, dia mianatra fa mahafantatra antsika sy tia antsika Izy, mihoatra noho ny ahafantarantsika sy itiavantsika ny tenantsika.

Izany no antony ilantsika ny fanampian’ Andriamanitra rehefa hanorina fahamarinana sy fitoviana sy fampanjakana rariny ary fiadanana maharitra ao an-tokantranontsika sy any amin’ireo fiarahamonina misy antsika. Ny tantara sy toerana ary fampiraisana marina sy lalina ary araka ny tena izy indrindra iainantsika dia mitranga rehefa mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra manavotra, sy mikatsaka fahasoavana sy fahagagana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Zananilahy, ary manorina fifandraisana maharitra amin’ny alalana fanekempihavanana masina isika.

Ilaina ny hatsarana sy ny fahendrena eo amin’ny lafiny fivavahana eo amin’ny tontolo ankehitriny feno saritaka sy tabataba ary voaloto. Inona koa no fomba hafa ahafahantsika manavao sy mitaona fanahy ary mampiorina ny fanahin-draolombelona? 24

Sary
Mamboly hazo any Haïti
Sary
Mamboly hazo any Haïti
Sary
Mamboly hazo any Haïti

Ny fambolen-kazo any Haïti dia iray monja amin’ireo ohatra an-jatony ahitana olona mitambatra miara-manao zavatra tsara. Ny fiarahamonina teo an-toerana, anisan’izany ny 1.800 tamin’ny mpikamban’ny Fiangonantsika, izay nanolotra ireo zana-kazo, no niombona ka namboly teo amin’ny zana-kazo 25.000 teo. 25 Io tetikasa fanarenana ala maharitra taona maro io dia efa nahafahana namboly hazo maherin’ny 121.000. Mbola maminavina ny hamboly an’aliny maro fanampiny izy io.

Io ezaka iraisana io dia manome alokaloka, mikajy ny nofon-tany, ary mampihena ny tondra-drano amin’ny ho avy. Manatsara ny tontolo manodidina izy io, mampatanjaka ny fiarahamonina, mamahana ny mponina ary mamelombelona ny fanahy. Raha anontanianao an’ireo Haisianina hoe iza no hioty ny vokatra avy amin’ireo hazo ireo, dia milaza izy ireo hoe “Na iza na iza tsy manan-kohanina.”

Ny 80 isan-jaton’ny mponina maneran-tany dia mitonona ho manana finoana ivavahana. 26 Ireo fiarahamonim-pinoana dia mamaly faingana rehefa misy filana eo no ho eo aorian’ny loza voajanahary, ary koa amin’ireo filana maharitra kokoa mahakasika sakafo, fialofana, fianarana, fahaizana mamaky teny sy manoratra, ary fampiofanana arak’asa. Maneran-tany ireo mpikambana ao amintsika sy ireo namana ary ny Fiangonana no manampy fiarahamonina hanohana ireo mpitsoa-ponenana ka mamatsy rano, fidiovana, fahafahana mandeha ho an’ny kilemaina, fikarakarana ny maso, olona iray, tanàna iray, hazo iray isaky ny mandeha. 27 Na aiza na aiza isika dia mikatsaka ny ho ray aman-dreny tsara sy ho olom-pirenena vanona, ny hitondra anjara biriky eo amin’ny manodidina sy ny fiarahamonina, tafiditra amin’izany ny amin’ny alalan’ny Latter-day Saint Charities. 28

Omen’ Andriamanitra fahafaha-misafidy isika, ary koa andraikitra. Hoy ny Tompo, “Izaho Tompo Andriamanitra dia manafaka anareo, koa afaka tokoa ianareo.” 29 Eo am-panambarana “fanafahana amin’ny babo,” 30 dia mampanantena ny Sorompanavotany sy lalana ao amin’ny filazantsara ny Tompo, izay afaka manapatapaka ireo fatorana ara-nofo sy ara-panahy. 31 Noho ny famin-drampo dia mipaka ihany koa amin’ireo izay efa nandao ny fiainana an-tany io fahafahana manavotra io.

Taona maro lasa izay, nisy mpisorona tany Amerika Afovoany nilaza tamiko fa mandalina ny “Fanaovan’ireo Môrmôna batisa ho an’ny maty” izy. “Toa rariny,” hoy ilay mpisorona, “raha toa Andriamanitra ka hanolotra ny olon-drehetra fahafahana handray ny batisa, na aiza na aiza ary na oviana na oviana izy no niaina, ankoatra ireo zaza madinika, izay -velona ao amin’i Kristy.- 32 Ny Apôstôly Paoly,” hoy ilay mpisorona, “dia miresaka momba ireo maty miandry ny batisa sy ny fitsanganana amin’ny maty.” 33 Ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly dia mampanantena amin’ny “firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra” fa tsy misy tokony hitoetra ho andevon’ny fahafatesana na ny helo na ny fasana. 34

Rehefa lasa mahafantatra an’ Andriamanitra isika, dia indraindray misy valim-bavaka tsy ampoizina mitondra antsika avy eny amin’ny arabe, ka mitondra antsika mankany amin’ny fiarahamonina, mandroaka ny haizina avy ao amin’ny fanahintsika, ary mitantana antsika hahita fialofana ara-panahy sy fiombonana ao amin’ny hatsaran’ireo fanekempihavanany sy ny fitiavany mitoetra.

Ireo zavatra lehibe dia matetika miantomboka amin’ny kely, saingy hita isan’andro ireo fahagagan’ Andriamanitra. Velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fanomezana masin’ny Fanahy Masina, sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ny fotopampianarany sy ny ôrdônansiny ary ny fanekempihavanany nambara izay hita ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izay antsoina amin’ny Anarany.

Enga anie isika hanaiky amim-pifaliana ny fanasana ataon’ Andriamanitra handray sy hanampy amin’ny fanatanterahana ireo fitahiana nampanantenainy sy efa nolazainy mialoha any amin’ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra, izany no vavaka ataoko, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.