2020
Hery maharitra
Nôvambra 2020


Hery maharitra

Ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra izay mameno ny atifanahintsika irery ihany no ampy mba hanohana antsika—sy hamela antsika hahazo ny heriny.

Rehefa namerina nijery ireo fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika aho dia nahita teny iray izay nampiasainy matetika tao amin’ny lahateny maro. Hery izany teny izany.

Niresaka momba ny hery ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany taorian’ny nanohanana azy ho Apôstôly. 1 Nanohy nampianatra momba ny hery izy nandritra ny taona maro. Hatramin’ny nanohanantsika ny Filoha Nelson ho mpaminanintsika dia efa nampianatra momba ny fitsipiky ny hery izy—indrindra fa ny herin’ Andriamanitra—sy ny fomba ahafahantsika mahazo izany. Nampianatra ny fomba ahafahantsika mahazo sy mampiasa ny herin’ Andriamanitra rehefa eo am-panompoana ny hafa izy, 2 ny fomba hanasan’ny fibebahana ny herin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ho ao amin’ny fiainantsika, 3 ary ny fomba hitahian’ny fisoronana—ilay hery sy fahefan’ Andriamanitra—ny olon-drehetra izay manao fanekempihavanana Aminy sy mitandrina izany. 4 Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Nelson fa ny herin’ Andriamanitra dia azon’ireo rehetra izay nandray ny fanafiana masina tao amin’ny tempoly raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo izy ireo. 5

Tena nampihetsi-po ahy manokana ny fanamby iray izay nomen’ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020. Nanoro lalana antsika izy mba “[handalina sy hivavaka] mba hianatra bebe kokoa momba ny hery sy ny fahalalana izay nanaovana fanafiana masina anao, na izay hanaovana fanafiana masina anao amin’ny ho avy.” 6

Ho valin’izany fanamby izany dia efa nandalina sy nivavaka ary efa nianatra zavatra mitondra soa momba ny hery sy ny fahalalana izay nanaovana fanafiana masina ahy aho, na izay hanaovana fanafiana masina ahy amin’ny ho avy.

Tsy mora ny hahatakarana ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny herin’ Andriamanitra ao amin’ny fiainantsika, saingy fantatro fa azo atao izany amin’ny alalan’ny fandinihana izany ao an-tsaintsika sy ny fivavahana mba hanazavan’ny Fanahy Masina antsika. 7 Ny Loholona Richard G. Scott dia nanolotra famaritana mazava ny amin’ny atao hoe herin’ Andriamanitra: izany dia ny “hery ahafahana manao zavatra bebe kokoa noho izay azon’ny tenantsika manokana atao.” 8

Ny famenoana ny fontsika sy ny fanahintsika ihany koa amin’ny tenin’ Andriamanitra ary ny fanorenana ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy dia tena zava-dehibe amin’ny fahazoana sy fampiasana ny herin’ Andriamanitra mba hanampiana antsika amin’izao fotoana tena sarotra izao. Raha tsy mahazo ny tenin’ Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesoa Kristy lalina ao am-pontsika isika dia mety tsy hatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona sy ny finoana ao amintsika, ary mety tsy afaka hahazo ny hery izay tian’ Andriamanitra homena antsika intsony isika. Tsy ampy ny finoana tsy amin-kitsimpo. Ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra izay mameno ny atifanahintsika irery ihany no ampy mba hanohana antsika—sy hamela antsika hahazo ny heriny.

Raha nitaiza ireo zanakay izaho sy Rahavavy Johnson dia namporisihinay ny tsirairay tamin’izy ireo mba hianatra hitendry zava-maneno. Saingy tsy namela ny zanakay hianatra ireo lesona momba ny mozika izahay raha tsy nanao ny anjarany izy ireo ka nanazatra tena manokana tamin’ny zava-manenon’izy ireo isan’andro. Indray sabotsy izay dia nientanentana ny handeha hilalao miaraka amin’ireo namany i Jalynn zanakay vavy, saingy tsy mbola nanao fanazaran-tena nitendry pianô izy. Fantany tsara fa nanolo-tena ny hanao fanazaran-tena mandritra ny 30 minitra izy ka dia nikasa ny hampiasa fitaovana mpanisa fotoana, satria tsy te hanao fanazaran-tena na dia mihoatra ny iray minitra monja aza amin’izay notakina taminy izy.

Rehefa nandeha teo akaikin’ilay lafaoro micro onde teo amin’ny lalany mankeo amin’ny pianô izy dia niato ary nanindry bokotra maromaro. Saingy raha toa ka tokony nandefa ny mpanisa fotoana izy dia naleony nandefa ny micro-onde mba hahandro mandritra ny 30 minitra ary nanindry ny fandefasana izany. Rehefa avy nanao fanazaran-tena nandritra ny 20 minitra teo izy dia nandeha niverina tao an-dakozia mba hijery ny fotoana sisa tavela ka nahita fa nirehitra ilay lafaoro micro-onde.

Taorian’izany dia nihazakazaka tany an-tokontany izay nanaovako asan-jaridaina izy sady niantsoantso hoe mirehitra ny trano. Nihazakazaka haingana tao an-trano aho ary tena hitako nirehitra tokoa ilay lafaoro micro-onde.

Mba hiezahana hanavotra ny tranonay tsy hirehitra dia nanakatra ny tao ambadik’ilay lafaoro micro-onde aho, ka notsoahiko ny tsaidrianaratra ary nampiasaiko ny tariby mpitondra herinaratra mba hibatana ilay lafaoro micro-onde mirehitra hiala ny latabatra. Noho izaho nanantena ny ho mahery fo sy hahita vahaolana ary hanavotra ny tranonay dia nahodinkodiko tamin’ilay tariby mpitondra herinaratra ilay lafaoro micro-onde mba hanalavitra ny vatako, nandeha tany an-tokontany, dia nanipy ilay lafaoro micro-onde teny amin’ny bozaka maitso tamin’ny alalan’ny fanodinkodinana izany indray. Teo vao afaka namono ireo afo niredareda tamin’ny alalan’ny fampiasana fantsona fitaritan-drano izahay.

Fa inona no tsy nety? Ny lafaoro micro-onde dia mila zavatra hitsentsitra ny heriny, ary rehefa tsy misy zavatra ao anatiny mba hitsentsitra ilay hery dia ilay lafaoro izy tenany ihany no mitsentsitra ilay hery, lasa mafana, ary mety hirehitra, hanimba ny tenany amin’ny lelan’afo sy lavenona. 9 Nirehitra sy may ilay lafaoro micro-onde iray manontolo satria tsy nisy zavatra tao anatiny.

Torak’izany koa, ireo izay manana finoana sy manana ny tenin’ Andriamanitra lalim-paka ao am-pon’izy ireo dia afaka ny hitsentsitra sy handresy ireo zana-tsipika mirehitra izay azo antoka fa halefan’ilay fahavalo mba hamotika antsika. 10 Raha tsy izany, ny finoantsika, ny fanantenana, sy ny faharesen-dahatra ao amintsika dia mety tsy haharitra, ary tahaka ilay lafaoro micro-onde tsy misy zavatra ao anatiny, isika ihany koa dia mety ho lasibatra.

Nianatra aho fa ny fananana ny tenin’ Andriamanitra lalim-paka ao amin’ny fanahiko, miampy finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia mamela ahy hahazo sy hampiasa ny herin’ Andriamanitra mba handresena ny fahavalo sy ny zava-drehetra izay mety hakany fanahy ahy. Rehefa miatrika fanamby isika dia afaka miantehitra amin’ny fampanantenan’ny Tompo izay nampianarin’i Paoly hoe: “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” 11

Fantatsika fa ny Mpamonjy tamin’ny fahazazany “dia nitombo ka nihahery sady feny fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.” 12 Fantatsika fa rehefa nitombo taona i Jesoa “dia nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.” 13 Ary fantatsika fa tamin’ny fotoana nanombohan’ny asa fanompoany, ireo izay nandre Azy dia “talanjona tamin’ny fampianarany: satria nisy fahefana ny teniny.” 14

Nitombo hery sy afaka nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fiomanana. 15 Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika ary miomana amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra sy mampiorim-paka ny finoantsika, dia afaka ihany koa mahazo sy mampiasa ny herin’ Andriamanitra mba hanoherana ny fakam-panahy.

Mandritra izao fotoana hamerana ny fivorivoriana izao izay mahatonga ny tsy fahafahana manatrika tsy tapaka ny tempoly dia nanao ezaka manokana aho mba hanohy handalina sy hianatra misimisy kokoa momba ny herin’ Andriamanitra izay tonga amintsika rehefa manao sy mitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly isika. Araka ny nampanantenaina tao amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia mitafy ny herin’ Andriamanitra isika rehefa miala avy ao amin’ny tempoly. 16 Tsy mety lany daty ny herin’ Andriamanitra nomena ireo izay manao sy mitandrina ny fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly, no sady tsy misy koa famerana ny fahazoana ilay hery mandritra ny valanaretina. Ny hany mampihena ny heriny eo amin’ny fiainantsika dia rehefa tsy mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika sy tsy miaina amin’ny fomba izay mamela antsika ho mendrika hatrany ny handray ny heriny isika.

Nahita maso ny herin’ Andriamanitra izay tonga tamin’ireo izay manao sy mitandrina ny fanekempihavanana masin’ny tempoly izaho sy ny vady malalako tamin’ny naha mpitarika misiôna anay tany Thailand, Laos, ary Myanmara. Ny vatsim-bola fanampiana ny olona handeha any amin’ny tempoly dia nanampy ny Olomasina maro tany amin’ireo firenena telo ireo mba hahafahan’izy ireo nankany amin’ny tempoly taorian’ny nanaovan’izy ireo izay azon’izy ireo natao tamin’ny alalan’ny fahafoizan-tena manokana sy ny fiomanana. Tsaroako ny nihaonako tamina vondrona Olomasina mahatoky 20 avy any Laos tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Bangkok, Thailand mba hanampiana azy ireo hifindra ho any amina seranam-piaramanidina hafa ao Bangkok mba hanatratra ny sidin’izy ireo ho any Hong Kong. Ireo mpikambana ireo dia feno fientanentanana satria afaka nandeha tany amin’ny tranon’ny Tompo ihany nony farany.

Sary
Ireo mpikambana any Laos

Rehefa nihaona tamin’ireo Olomasina tsara ireo izahay tamin’ny fiverenan’izy ireo dia hita nibaribary amin’izy ireo ny fitomboan’ny fahamatorana ao amin’ny filazantsara sy ny hery mifanaraka amin’izany vokatry ny fandraisana ny fanafiana masin’ny tempoly sy ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Tena hita mazava fa nivoaka ny tempoly “nitondra ny heri[ny] izy ireo.” 17 Izany hery hahafahana manao zavatra mihoatra izay azon’izy ireo atao manokana izany dia nanome azy ireo hery hiaretana ireo fanamby amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny firenena iavian’izy ireo sy handehanana hitondra “amin’ny fahamarinana tokoa, ireo vaovao lehibe fatratra sy be voninahitra,” 18 rehefa nanohy nanorina ny fanjakan’ny Tompo tany Laos izy ireo.

Nandritra ny fotoana izay tsy nahafahantsika nankany amin’ny tempoly, moa ve isika tsirairay avy niantehitra tamin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika tao amin’ny tempoly mba hametrahana lalana mazava sy tsy miova hizorana eo amin’ny fiainantsika? Ireo fanekempihavanana ireo, raha toa ka tandremana dia manome antsika tanjona sy fiandrandrana zavatra momba ny hoavy ary fanapahan-kevitra mazava tsara mba ho mendrika ny handray ny zavatra rehetra izay nampanantenain’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahatokiantsika.

Manasa anareo aho mba hikatsaka ny hery izay tian’ Andriamanitra homena anareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mikatsaka an’io hery io isika dia homena fahatakarana bebe kokoa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa satria tia ahy sy ianao ny Ray any An-danitra dia nalefany ny Zanakalahiny malalany, i Jesoa Kristy, mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho, Izy izay manana ny hery rehetra, 19 ary ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.