2020
Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy
Nôvambra 2020


Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy

Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy, sy ny fibebahana, ary ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia afaka ny hositranina izay zavatra mety ho simba eny amintsika na inona na inona anton’izany.

Hatramin’ny fiantombohan’ity taona ity dia niaina trangan-javatra tsy nampoizina maro isika. Nisy fiantraikany goavana teo amin’ny fiarahamonina sy ny toekarena maneran-tany ny famoizana aina sy ny fahaverezan’ny fidiram-bola noho ilay valanaretina maneran-tany.

Ireo horohoron-tany sy afo ary tondradrano tany amin’ny toerana samihafa teto amin’izao tontolo izao, sy ireo loza hafa mifandray amin’ny toetrandro dia nahatonga ny olona hahatsapa ho tsy afa-manoatra, kivy, ary nalahelo, nanontany tena raha toa ka mbola hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’izy ireo.

Mamelà ahy hitantara aminareo tantaram-piainana iray momba ny zavatra simba.

Fony mbola kely ireo zanakay dia nanapa-kevitra ny hianatra hitendry pianô izy ireo. Te hanome izany fahafahana izany an’ireo zanakay izaho sy ny vadiko, saingy tsy nanana pianô izahay. Tsy afaka nividy pianô vaovao izahay ka dia nanomboka nitady iray efa niasa i Rudy.

Ho fanomezana ho an’ny Krismasy tamin’io taona io, dia nanampoka anay rehetra tamin’ny pianô izy, ary nianatra nitendry izany ireo zanakay nandritra ny taona maro.

Sary
Pianô tranainy

Rehefa lehibe ireo zanakay lahy ary nandao ny tokantrano, dia nanangona vovoka fotsiny ilay pianô tranainy ka dia namidinay. Lasana ny taona vitsivitsy dia nahangona vola izahay. Hoy i Rudy indray andro hoe: “Fotoana izao angamba mba hividianantsika pianô vaovao.”

Nanontany aho hoe: “Fa nahoana isika no hividy pianô vaovao, kanefa isika sy ianao tsy misy mitendry?”

Hoy izy hoe: “Fa afaka mividy pianô mitendry tena anie isika e! Azonao baikoina amin’ny alalan’ny iPad ilay pianô mba hitendry hira 4000 mahery, anisan’izany ny fihirana, ny hiran’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely, ny hiran’ny Kilonga rehetra, sy ny maro hafa.”

Tena mahay mivarotra i Rudy ka nahavita nandresy lahatra ahy.

Sary
Pianô vaovao

Nividy pianô vaovao tsara tarehy mitendry tena izahay, ary andro vitsy taty aoriana, dia nisy lehilahy roa ranjanana sy matanjaka nanatitra izany tao an-tranonay.

Natoroko azy ireo ny toerana tiako asiana azy dia nikisaka aho mba tsy hibahan-dalana.

Sary
Famindrana ilay pianô

Pianô quart de queue ilay izy, ary mba hahatafidiran’ilay izy teo amin’ny varavarana dia nesorin’izy ireo ny tongony ary nataon’izy ireo izay hametrahana ilay pianô hijoro mihorirana teo ambonin’ilay kalesy fitondrana entana izay nentin’izy ireo.

Teo ambony toerana somary misolampy ny tranonay, ary nampalahelo fa nisy oram-panala ny marainan’io andro io, ka mando sy malama ny lalana. Azonareo an-tsaina ve ny niafaran’ilay izy?

Rehefa nampakarin’ireo lehilahy teo amin’ilay lalana kely misolampy ilay pianô, dia nisolifatra, ary nahare zavatra nianjera mafy tokoa aho. Nianjera avy eo ambonin’ilay kalesy fitondrana entana ilay pianô dia nianjera mafy tamin’ny tany ka namela diany lehibe teo amin’ny bozaka maitsonay.

Hoy aho hoe: “Ry lanitra ô! Tsy naninona ve ianareo?”

Soa ihany fa samy tsy naninona izy roalahy.

Nipitrapitra ny mason’izy ireo rehefa nifampijery, ary nijery ahy izy ireo avy eo dia niteny hoe: “Miala tsiny izahay. Hoentinay miverina any amin’ny tranom-barotra ilay izy dia asainay miantso anao ny talenay.

Vetivety dia niresaka tamin’i Rudy ilay tale mba handamina fotoana hanaterana pianô vaovao. Malemy fanahy sy tia mamela heloka i Rudy ka dia niteny tamin’ilay tale fa tsy maninona raha amboarin’izy ireo fotsiny izay simba, saingy nisisika nilaza ilay tale fa hanome vaovao ho anay izy.

Hoy i Rudy namaly hoe: “Mety tsy dia simba akory ilay izy. Amboary fotsiny dia atero aty.”

Hoy ilay tale hoe: “Vaky ilay hazo, ary raha vao ny hazo no simba, dia tsy mitovy intsony ny feo avoakany. Hahazo pianô vaovao ianareo.”

Ry rahavavy sy ranadahy, tsy mitovy amin’io pianô io ve isika rehetra, tresaka kely, triatra, ary simba, dia mahatsapa fa tsy ho tafaverina amin’ny laoniny intsony isika? Kanefa rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy, sy ny fibebahana, ary ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia afaka ny hositranina izay zavatra mety ho simba eny amintsika na inona na inona anton’izany. Izany dingana manasa ny herin’ny fanasitranan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika izany dia tsy vitan’ny hoe mamerina amin’ny laoniny fotsiny ihany fa mahatonga antsika ho tsara kokoa noho ny teo aloha. Fantatro fa amin’ny alalan’ny Mpamonjy antsika isika dia afaka ny ho amboarina, hositranina, sy hahatontosa ny tanjontsika tahaka ilay pianô vaovao mamoaka feo kanto.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa tonga eo amintsika ireo fitsapana tena sarotra, dia tonga izay ny fotoana hampitomboantsika ny finoantsika an’Andriamanitra, sy hiasana mafy, ary hanompoana ny hafa. Dia hanasitrana ny fontsika maratra Izy. Hanome antsika fiadanana sy fiononana ho an’ny tena manokana Izy. Tsy hisy hamotika ireo fanomezana lehibe ireo, na dia ny fahafatesana aza.” 1

Hoy i Jesoa:

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”

“Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30).

Sary
Ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy

Mba hanasitranana ny fahasimbana amin’ny alalan’ny fankanesana any Aminy dia mila manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. “Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka—fahatokiana ny heriny, … ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny finoana ny fampianarany. Izany dia midika hoe, mino fa na dia tsy takatrao aza ny zava-drehetra dia takany izany. Mahafantatra ny fomba hanampiana anao handresy ireo fahasarotana eo amin’ny fiainanao andavanandro Izy satria efa niaina ny fanaintainanao, sy ny fahorianao ary ny fahalemenao rehetra.” 2

Rehefa mankany Aminy isika dia “afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana. “Ireo zavatra rehetra [mafy sy sarotra] eo amin’ny fiainana dia afaka ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.” 3 Nanoro hevitra antsika Izy hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36).

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, rehefa saika ho trotraky ny enta-mavesatra nampitondraina azy ireo i Almà sy ny vahoakany, dia nitalaho fanamaivanana. Tsy nesorin’ny Tompo ny enta-mavesatr’izy ireo, fa nampanantena azy ireo kosa Izy hoe:

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo; ary izany no hataoko dia ny mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany.

“Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’i Alma sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra” (Môzià 24:14–15).

Nampianatra toy izao ny Loholona Tad.R. Callister mahakasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manasitrana sy manamaivana ny enta-mavesatra:

“Isan’ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana ny hoe afaka mandray ireo hery manampy avy amin’ny Mpamonjy isika. Namerimberina niresaka momba ny fitaomana manasitrana sy mampitonin’ny Tompo i Isaia. Nijoro ho vavolombelona izy fa ny Mpamonjy dia -fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro- (Isaia 25:4). Mahakasika ireo malahelo dia nanambara i Isaia fa ny Mpamonjy dia manana ny hery -hampionona ny malahelo rehetra- (Isaia 61:2), sy -hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra- (Isaia 25:8; jereo koa ny Apokalypsy 7:17); -hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena- (Isaia 57:15); ary -hahasitrana ny torotoro fo- (Isaia 61:1; jereo koa ny Lioka 4:18; Salamo 147:3). Lehibe tokoa ny hery manampy avy Aminy ka nahafahany nanakalo ny -hamama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka- (Isaia 61:3).

“Endrey ny halehiben’ny fanantenana afaka ny ho azontsika ao anatin’ireo fampanantenana ireo! … Manasitrana, manatsara, mankahery ary manome fanantenana vaovao ho an’ny fo izay kivy ny Fanahiny. Manana hery hanovana izay rehetra ratsy sy loza be ary tsy misy lanjany eo amin’ny fiainana izany mba ho lasa zavatra manana famirapiratana faratampony sy feno voninahitra. Manana hery hamadihana ny lavenon’ny fiainana an-tany ho hakanton’ny mandrakizay Izy.” 4

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika be fitiavana, ny Tompo Mpanasitrana, ary namantsika mahatoky. Raha miantehitra Aminy isika dia hanasitrana antsika indray Izy Mijoro ho vavolombelona aho fa Fiangonany ity ary miomana ny hiverina indray Izy mba hanjaka amin-kery sy voninahitra eto amin’ity tany ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Jesus Christ—the Master Healer,” Liahona, Nov. 2005, 87.

  2. Foi, La foi au Seigneur Jésus Christ” Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.

  3. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera ed. nohavaozina (2018), 48.

  4. Tad R. Callister, The Infinite Atonement (2000), 206–7.