2020
Mpirahavavy ao Ziona
Nôvambra 2020


Mpirahavavy ao Ziona

Ianareo no ho andry iankinana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana vahoakan’i Ziona.

Ry anabaviko malala isany, fitahiana ho ahy ny miresaka mandritra ity fotoana mahafinaritra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ity. Isan’andro isika dia miha-manakaiky ilay fotoana be voninahitra izay hiavian’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, eto an-tany indray. Fantatsika ny sasany amin’ireo trangan-javatra mahatsiravina izay hialoha ny fiaviany, saingy vontom-pifaliana sy fahatokiana ny fontsika mahafantatra ihany koa ireo fampanantenana be voninahitra izay ho tanteraka mialoha ny hiverenany.

Amin’ny maha-zanakavavy malalan’ny Ray any An-danitra, ary amin’ny maha-zanakavavin’i Jesoa Kristy Tompo anareo ao amin’ny fanjakany, 1 dia hanana andraikitra manan-danja ianareo ao anatin’ireo fotoana manan-danja ho avy. Fantatsika fa ny Mpamonjy dia ho tonga eo anivon’ny vahoaka iray izay voangona sy voaomana hiaina tahaka ireo vahoaka tao amin’ny tanànan’i Enoka. Ny vahoaka tao dia niray hina tao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary lasa nadio tanteraka tokoa ka nakarina ho any an-danitra.

Toy izao ny famaritan’ny Tompo araka ny fanamabarana mikasika izay hitranga amin’ny vahoakan’i Enoka sy izay hitranga amin’ ity fotoampitantanana farany amin’ny fotoam-pahafenoana ity:

“Ary ho avy ny andro izay hitsaharan’ny tany saingy, mialohan’izany andro izany dia hohamaizinina ny lanitra ary ny voalin’ny haizina dia hanarona ny tany; ary hihozongozona ny lanitra, ary koa ny tany; ary fahoriana be no hanjo ny zanak’olombelona, fa ny oloko dia hotsimbiniko;

“Ary fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara ny Lahitokako; ny fitsanganany tamin’ny maty; eny, ary koa ny fitsanganan’ny olon-drehetra amin’ny maty, ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra ho amin’ny toerana izay homaniko, ny Tanàna Masina, mba hahazoan’ny oloko misikina ny valahany ary miandrandra ny fotoana hiaviako; fa eo no ho tabernakeliko ary hatao hoe i Ziona izany, dia Jerosalema Vaovao.

“Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Amin’izay no hihaonanao sy ny tanànanao rehetra aminy eo ary ho raisintsika ho eo an-tratrantsika izy ireo, dia ho hitany isika; ary hofihinintsika ny vozony, dia hofihininy ny vozontsika ka hifanoroka isika;

“Ary ho eo ny fonenako ary izany no ho Ziona izay hivoaka avy amin’ny voary rehetra izay efa nataoko; ary mandritra ny arivo taona, dia hitsahatra ny tany.” 2

Ianareo rahavavy, ny zanakareo vavy, ny zafikelinareo vavy sy ireo vehivavy izay nokolokoloinareo no ho ivon’ny fanorenana io fiarahamonin’olona io izay hitambatra ao anatin’ny fiarahana amim-boninahitra amin’ny Mpamonjy. Ianareo no ho andry iankinana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana vahoakan’i Ziona izay hitoetra am-piadanana ao amin’ilay Jerosalema Vaovao.

Nanome fampanantenana anareo ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Tany amin’ny fiandohan’ny Fiakambanana Ifanampiana, dia nilaza tamin’ireo rahavavy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Raha toa ka miaina mendrika ireo tombontsoanareo ianareo, dia tsy ho azo sakanana tsy ho namanareo 3 ireo anjely.”

Efa ao anatinareo izany fahafahana mahatalanjona izany ary efa omanina ho amin’izany ianareo.

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Ianareo rahavavy … dia tsy atao anjorom-bala ao anatin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana mandrakizain’ireo zanany sy ny fiadanan’izy ireo. Ampahany tena manan-danja ao amin’izany drafitra izany ianareo.

“Raha tsy eo ianareo dia tsy afaka handeha ilay drafitra. Raha tsy eo ianareo dia ho voasembana ilay drafitra manontolo. …

“Ianareo tsirairay dia zanak’ Andriamanitra, nomena fizokiana masina.” 4

Ny mpaminanintsika ankehitriny, Filoha Russell M. Nelson, dia nanome izao famaritana izao mikasika ny anjara andraikitra sahaninareo ho fanomanana ny fiavian’ny Mpamonjy:

“Tsy hay ny handrefy ny hery fitaomana ananan’ny vehivavy …, tsy eo amin’ny fianakaviana ihany fa eo amin’ny Fiangonan’ny Tompo koa, amin’ny maha-vady sy reny ary renibe, amin’ny maha-rahavavy sy nenitoa; amin’ny maha-mpampianatra sy mpitarika ary indrindra amin’ny maha-ohatra sy mpiaro ny finoana feno fanolorantena azy ireo.

“Marina hatrany izany tao amin’ireo fotoampitantanan’ny filazantsara hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva. Kanefa miavaka amin’ireo vehivavy tamin’ny fotoampitantanana hafa ireo vehivavin’ ity fotoampitantanana ity, satria miavaka amin’ny hafa ity fotoampitantanana ity. Sady mitondra tombontsoa no mitondra andraikitra izany fiavahana izany.” 5

Ity fotoam-pitantanana ity dia miavaka satria ny Tompo no hitarika antsika ho vonona ho tahaka ny tanànan’i Enoka. Nofariparitany tamin’ny alalan’ireo apôstôly sy mpaminaniny izay ho votoatin’izany fanovana ho tonga vahoakan’i Ziona izany.

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe:

“Andron’ny ratsy sy ny faharatsiana ny andron’i [Enoka], andron’ny haizina sy ny fikomiana, andron’ny ady sy faharavana, andro izay nitarika ho amin’ny fanadiovana ny tany tamin’ny rano.

“I Enoka anefa dia nahatoky. -Nahita ny Tompo izy,- ary niresaka taminy -nifanatrika- toy ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa.. (Mosesy 7:4.) Naniraka azy ny Tompo hiantso an’izao tontolo izao hibebaka, ary nanome andraikitra azy -hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka izay feno fahasoavana sy fahamarinana, ary ny an’ny Fanahy Masina izay vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka.- (Mosesy 7:18.) Nanao fanekempihavanana i Enoka ary nahavory vondron’olona tena mpino, ka izy rehetra ireo dia lasa nahatoky tokoa ka -tonga ny Tompo ary niara-nonina tamin’ny vahoakany, ary niaina tamim-pahamarinana izy ireo,- ary notahian’ny Tompo. -Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy mahantra teo anivony.- (Mosesy 7:18.)

“Rehefa nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, dia manambara ny soratra masina fa i Enoka dia -[nanorina] tanàna izay nantsoina hoe ny Tanànan’ny fahamarinana, dia Ziona.- Io Ziona io dia -nakarina ho any an-danitra- ary tany dia -noraisin’ Andriamanitra ho eo an-tratrany izany; ary hatramin’izay fotoana izay no nielezan’ny fiteny hoe: Lasa i Ziona.- (Mosesy 7:19, 21, 69.) …

“Io Ziona io ihany izay nakarina ho any an-danitra, dia hiverina … rehefa ho entin’ny Tompo indray i Ziona, ka ny mponina ao aminy dia hitambatra amin’ilay Jerosalema vaovao, izay ho aorina amin’izany.” 6

Raha toa ka fampidirana fotsiny ny lasa, amin’ny fotoana hiavian’ny Mpamonjy, ireo zanaka vavy izay manolo-tena lalina amin’ny fanekempihavanan’izy ireo amin’ Andriamanitra dia hihoatra noho ny antsasa-manilan’ireo izay ho vonona hitsena Azy rehefa ho avy Izy. Fa na firy na firy ny isanareo, ny anjara birikinareo eo amin’ny fanorenana firaisan-kina eo anivon’ny vahoaka vonona amin’io Ziona io dia ho lehibe lavitra noho ny antsasa-manila.

Ho lazaiko anareo ny antony hinoako hoe izany no ho izy. Ny Bokin’i Môrmôna dia mitatitra momba ny vahoakan’i Ziona anankiray. Tsaroanareo izany fa rehefa avy nampianarin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty izy ireo, sy notiaviny ary notahiany, dia “Tsy nisy fifandirana teo amin’ ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka.” 7

Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy fa ireo zanakavavin’ny Ray any An-danitra dia manana fanomezam-pahasoavana hanaisotra ny fifandirana sy hampivelatra ny fahamarinana noho ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra sy noho ny fitiavana an’ Andriamanitra izay aterak’izy ireo ao amin’ireo izay tompoiny.

Hitako izany fony aho zatovo, raha nivory tao amin’ny tranon’ny fahazazako ny sampana kely nisy anay. Izaho sy ny rahalahiko no hany mpihazona Fisoronana Aharôna ary ny raiko no hany mpihazona Fisoronana Melkizedeka tamin’izany. Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ilay sampana tamin’izany dia olona niova fo ary tsy faly ny vadin’izy io noho ny asa fanompoana nataony tao am-piangonana. Ireo mpikambana dia vehivavy zokiolona avokoa ary tsy nisy mpihazona fisoronana tao an-tranon’izy ireo. Hitako ny reniko sy ireo rahavavy ireo nifankatia sy nifankahery ary nifampikarakara mandrakariva. Takatro ankehitriny fa nomena topimaso mialoha aho mikasika izany hoe Ziona izany.

Ny fampianarana ahy mikasika ny fitaomana entin’ireo vehivavy mahatoky dia nitohy tao amin’ny sampana kely iray an’ny Fiangonana tao Albuquerque, Nouveau Mexique. Hitako ny vadin’ny filohan’ny sampana, ny vadin’ny filohan’ny distrika, ary ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana nanafana ny fon’izay vahiny vao tonga sy izay vao niova fo rehetra. Ny alahady izay nandaozako an’i Albuquerque, taorian’ny roa taona nandinihana ny fitaomana nananan’ireo rahavavy tao, dia nitsangana ny tsatòka voalohany. Ankehitriny dia nametrahan’ny Tompo tempoly any.

Nifindra tany akaikin’i Boston aho, ka tany aho dia nanompo tao amin’ny fiadidian’ny distrika, izay niahy sampana kely maro niparitaka manerana ny fanjakana roa. Nisy ny fifandirana izay im-betsaka no voavahan’ireo vehivavy feno fitiavana sy tia mamela heloka izay nanampy nanalefaka ny fon’olona. Ny alahady izay nandaozako an’i Boston, dia natsangan’ny olona iray avy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny tsatòka voalohany tany Massachusetts. Misy tempoly any ankehitriny, akaikin’ny toerana nonenan’ilay filohan’ny distrika. Lasa nazoto tao am-piangonana izy ary taty aoriana nantsoina ho filohan’ny tsatòka, ary avy eo filohan’ny misiôna, noho ny fitaomana nananan’ny vadiny mahatoky sy be fitiavana.

Ry anabavy isany, nomena tombontsoa ianareo ho zanakavavin’ Andriamanitra manana fanomezam-pahasoavana manokana. Nentinareo niaraka taminareo tety an-tany ny fahaizana ara-panahy hikolokoloina ny hafa sy hanampiana azy ireo hanana kokoa ilay fitiavana sy fahadiovam-po izay hahamendrika azy ireo hiara-hiaina ho vahoakan’i Ziona. Tsy kisendrasendra ny Fikambanana Ifanampiana, ilay rafitra voalohany tato amin’ny Fiangonana natokana ho an’ireo zanakavavin’ny Ray any An-danitra, raha manana teny filamatra hoe “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”

Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy. Ary ny finoana Azy sy ny fiantraikan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra no hahamendrika anao sy ireo tianao sy tompoinao, ho amin’ilay fanomezam-pahasoavana mahagaga tsy mampino dia ny hiaina ao amin’io fiaraha-monin’i Ziona efa ela nandrandraina sy nampanantenaina efa ela io. Amin’izay ianareo dia ho mpirahavavy ao Ziona, tian’ny Tompo mivantana, ary tian’ireo izay notompoinareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa olom-pirenena ao amin’ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany ianareo. Ianareo dia zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana izay nandefa anareo ho eo amin’izao tontolo izao niaraka tamin’ny fanomezam-pahasoavana manokana izay nampanantenainareo fa ho ampiasainareo hitahiana ny hafa. Mampanantena anareo aho fa hitantana anareo ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Andeha eo alohanareo Izy raha hanampy Azy ianareo hanomana ny vahoakany ho tonga tahaka an’i Ziona araka ny nampanantenainy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.