2020
Filazana mikasika ny fombafomba masina atao any amin’ny tempoly
Nôvambra 2020


Filazana mikasika ny fombafomba masina atao any amin’ny tempoly

Ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka izao hafatra manaraka izao tamin’ny 20 jolay 2020, mikasika ireo fanovana mihatra amin’ny fombafomba masin’ny fanafiana masina atao any amin’ny tempoly:

“Ny fiavian’ireo fampianarana sy fampanantenana ary fombafomba masin’ny tempoly dia efa hatramin’ny fahagola, ary izy ireo dia mampitodika ireo zanak’ Andriamanitra Aminy rehefa manao fanekempihavanana misimisy kokoa sy mianatra bebe kokoa momba ny drafiny izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny anjara asan’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

“Avy amin’ny fanentanam-panahy, ireo fomba fampianarana ny zavatry ny tempoly dia niova imbetsaka, ary vao nasiam-panovana vao tsy ela mihitsy izany, mba hanampiana ny mpikambana hahatakatra sy hiaina tsaratsara kokoa ny zavatra ianarany ao amin’ny tempoly.

“Isan’ny zavatra iainana ao amin’ny tempoly ny fanaovana fanekempihavanana, izay fampanantenana masina, amin’ Andriamanitra. Ny ankamaroan’ny olona dia mahafantatra tsara ireo fihetsika atao mifono tandindona izay ampiarahana amin’ny fanaovana fanekempihavanana ara-pivavahana (toy ny fivavahana, ny fanasitrihana olona ao anaty rano amin’ny batisa, na ny fihazonana tanana mandritra ny fombafomban’ny fanambadiana). Ny fihetsika tsotra sy mifono tandindona toy izany dia ampiarahana ihany koa amin’ny fanaovana fanekempihavanan’ny tempoly.

“Noho ny fiheverana ny olon-drehetra sy ny faniriana hanatsara ny zavatra ianarana any amin’ny tempoly dia nisy ireo fanovana nankatoavina ho an’ny fombafomba masin’ny fanafiana masina atao any amin’ny tempoly. Noho ny maha-masina ireo fombafomba atao any amin’ny tempoly dia mangataka ny mpikambana sy ireo namana izahay mba tsy hirotsaka amin’ny honohono na ny firesadresahana momba ireo fanovana ireo ampahibemaso. Fa manasa ireo mpikamban’ny Fiangonana kosa izahay hanohy hiandrandra ombam-bavaka sy amim-pankasitrahana ny andro izay hahafahan’izy ireo miverina indray sy mandray anjara feno amin’ny asa masina atao any amin’ny tempoly.”