2020
Rafitra fanolorana anarana ho an’ireo misiônera: Tsotra, haingana
Nôvambra 2020


Rafitra fanolorana anarana ho an’ireo misiônera: Tsotra, haingana

Amin’izao dia tsotra sy mora kokoa noho ny hatramin’izay ho an’ny mpikambana ny manampy ny namany hihaona amin’ireo misiônera noho ireo fanatsarana natao vao tsy ela mahakasika ny rafitra fanolorana anarana ho an’ireo misiônera. Ilay rafitra fanolorana anarana ho an’ireo misiônera nohavaozina dia natao mba hampifandray haingana ireo misiônera amin’ireo mpikambana natolotra mba hahafahan’ireo misiônera mamolavola drafitra hanampiana ny naman’ny mpikambana hiroso tsaratsara kokoa amin’ireo leson’ny filazantsara izay atolotry ny misiônera.

Toy izao ny fandehan’izany:

  1. Rehefa manaiky ny hihaona amin’ireo misiônera ny namanao na ny olona fantatrao dia fenoy fotsiny ny taratasy fenoina momba ny fanolorana anarana ho an’ireo misiônera amin’ny alalan’ny application Outils pour les membres na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/referrals. Azonao atao ihany koa ny mamela ny fomba hahafahana mifandray aminao ary fanamarihana iray ho an’ireo misiônera.

  2. Rehefa nofenoina en ligne (an-jotra) ilay taratasy dia hifandray aminao ny misiônera vavy iray izay nampandraiketina ny fanampiana amin’ny fanolorana anarana ho an’ireo misiônera. Handefa ilay anarana any amin’ny toerana tokony ho izy ilay misiônera vavy ary hanampy anao hifandray amin’ireo misiônera any an-toerana.

  3. Ireo misiônera any an-toerana dia handray ihany koa ny mombamomba anao miaraka amin’ilay anarana natolotra. Izany dia ny mba hahafahanao mifanakalo hevitra momba ny toe-javatra sy ny zavatra ilain’ilay namana natolotra miaraka amin’ireo misiônera. Azonao resahina amin’izy ireo ny fomba hanampiana ilay namanao hiaina zavatra tena tsara. Misy ihany koa ny safidy hahafahanao mandray anjara amin’ireo leson’ny misiônera araka izay irinao.

“Ampianarina ireo misiônera fa ny anarana tsirairay atolotry ny mpikambana iray dia tokony ho zavatra tena sarobidy,” hoy ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy. “Rehefa mandray anarana natolotra ny misiônera dia ampianarina izy ireo hanontany anao ny fomba tsara indrindra hanampiana ilay namanao. Rehefa miara-miasa ny mpikambana sy ny misiônera dia hanentana azy ireo ny Tompo amin’ny fanomezana zavatra iainana manan-danja entina hanampiana ny namanao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy.”

Ity fitaovana fifaneraserana vaovao ity dia misy amin’ny fiteny 33 amin’izao ankehitriny izao.