2020
Loholona Dean M. Davies
Nôvambra 2020


Loholona Dean M. Davies

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Raha nitondra fiara avy niasa ny Loholona Dean M. Davies tamin’ny 1989 dia tratry ny horohoron-tany tany San Francisco, Californie, Etazonia izay nampihozongozona mafy ny fiarany izy. Taty aoriana dia nisaintsaina ny voka-dratsy naterak’izany tao amin’ilay faritra izy, ary nampahatsiahivina azy ny lanjan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’ny fototra azo antoka.

“Tsy misy amintsika hinia hanorina ireo tranontsika, ireo toeram-piasantsika, na ny trano masina fitsaohantsika eo ambony fasika, na poti-bato na potika biriky, na tsy misy drafitra sy fitaovana mifanaraka amin’izany” hoy izy. “’Ndeha isika hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy. ’Ndeha isika hanorina ny fiainantsika eo ambony fototra voaro sy azo antoka.”1

Ny Loholona Davies, izay nanompo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy nanomboka tamin’ny 2012, dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 3 ôktôbra 2020. Tao amin’ny Episkôpà Mpiahy, ny Loholona Davies dia Mpanolotsaina Faharoan’ny Eveka Gary E. Stevenson hatramin’ny nanohanana ny Eveka Stevenson ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 3 ôktôbra 2015. Dia notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany an’ny Eveka Gérald Caussé, izay nisolo toerana ny Loholona Stevenson teo amin’ny toeran’ny Eveka Mpiahy ny Loholona Davies avy eo.

Teraka tao Salt Lake City, Utah, Etazonia i Dean Myron Davies tamin’ny taona 1951. Taorian’ny naha-misiônera tamin’ny fotoana feno azy tao amin’ny misiônan’i Orogoay/Paragoay dia nanambady an’i Darla James izy tamin’ny 1973 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake. Manan-janaka 5 izy ireo ary zafikely 17.

Tamin’ny jolay 1995 dia nanomboka niasa tao amin’ny Fiangonana izy, ka tamin’izany izy dia tale mpitantana ny Departemanta misahana ireo Tetikasa manokana, izay nisahanany ny andraikitra mahakasika ny tany sy ny trano, ny fandrariana ny endriky ny tempoly ary ny fanorenana tempoly. Talohan’ny niasany tato amin’ny Fiangonana dia niasa tao amin’ny High Industries, Inc., of Lancaster, Pennsylvanie, Etazonia, sy ny Bechtel Investments, Inc., tao San Francisco ny Loholona Davies. Nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny haifihariana sy fitantanan-karena ho an’ny tantsaha tao amin’ny Oniversite Brigham Young izy ary nahavita fiofanana avo lenta ho an’ny mpiandraikitra ambony tao amin’ny Oniversiten’i Stanford sy ny Oniversite Northwestern.

Ny Eveka Davies dia efa filohan’ny misiônan’i Porto Rico San Juan, mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary mpikambana tao amina episkôpà maro.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Dean M. Davies, “Fototra azo antoka,” Liahona, mey 2013, 9, 11.