2023
BYU Pathway Worldwide, fizarana mari-pahaizana voalohany manan-tantara tao Lesotho
Septambra 2023


Vaovao eo an-toerana

BYU Pathway Worldwide, fizarana mari-pahaizana voalohany manan-tantara tao Lesotho

Mankalaza ny fahavitan’ny dingana iray manan-danja amin’ny lafiny fanabeazana ny mpianatra fito amby roapolo avy ao amin’ny Distrikan’i Maseru ao Lesotho.

Miaraka amin’ny torolalana ara-tsoratra masina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananatao an-tsaina manao hoe “na toy inona na toy inona ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty” ireo mpianatra 27 ao Lesotho dia nihaona vao haingana mba hankalaza ny fizarana mari-pahaizana avy amin’ny BYU Pathway Worldwide.

Zava-nitranga nanan-tantara izany ho an’i Lesotho. Mpianatra telo amby roapolo no nahazo mari-pahaizana Pathway Connect ary telo hafa nahazo mari-pahaizana avy amin’ny oniversite. Io no lanonana fizarana mari-pahaizana BYU Pathway Worldwide voalohany natao tao amin’ilay firenena ary nankalazaina niaraka tamin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo mpitarika mba hanomezana voninahitra ny asa feno fanoloran-tena nataon’izy ireo nandritran’izay efa-taona lasa izay. Nisy ny hiakam-pifaliana avy amin’ny fianakaviana sy ireo mpiara-mianatra raha nifandimby nijoro sy nandray ny diplaoman’izy ireo ireo mendrika handray mari-pahaizana.

Niantso ny tenan’izy ireo hoe “Class of 2018–2022” ireo mpianatra satria nandritra ireo efa-taona ireo dia niray hina sy niara-niasa izy ireo mba hahatratrarana ireo fepetra rehetra hahazoana ireo mari-pahaizana na diplaoma. Tena nahatsapa ny firahalahiana sy ny finamanana avy amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny tanjona itoviana tokoa ireo mpianatra. Mpandray mari-pahaizana enina ambin’ny folo no namana avy amin’ny finoana hafa ary nahalala mikasika ilay fandaharan’asa tamin’ny alalan’ny namana na fianakaviana izay mpikamban’ny Fiangonana.

Ny Filoha Moshoeshoe Nchapi, filohan’ny distrikan’i Maseru izay nanokatra ny lanonana fizarana mari-pahaizana dia nindrana ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson nanao hoe “Ny fanabeazana no hametraka ny fahasamihafana eo amin’ny hoe ianao maniry ny hanampy ny hafa sy ny hoe ianao afaka ny hanampy azy ireo”.1 Nizara ireo fitahiana izay noraisiny niaraka tamin’ny vadiny amin’ny maha mpianatra azy ireo amin’ny BYU Pathway ihany koa izy: “nitombo be ny fahatokian-tena nananako sy ny an’ny vadiko rehefa miresaka amin’ny fiteny anglisy izahay. Ireo foto-kevitra matematika maro izay toy ny grika tany amin’ny lisea dia efa tsy sarotra intsony.”

Niainga avy tamin’ny fandaharan’asa Pathway an’ny BYU-Idaho ny BYU Pathway Worldwide izay nanomboka tamin’ny taona 2009 niarahana tamin’ny mpianatra dimampolo monja. Ankehitriny dia mpianatra mihoatrany 61.000 avy amin’ny firenena 180 no tohanan’ny Pathway.

Samy avy amin’ny fari-piainana samy hafa avokoa ireo mpandray mari-pahaizana ireo, tanora tokan-tena, ray aman-dreny, raibe sy renibe, mpikamban’ny Fiangonana sy naman’ny Fiangonana. Hatramin’ny fihatombohan’ny BYU Pathway tao Lesotho dia mpianatra mihoatra ny 300 ao amin’io firenena io no nandray ireo tombon-tsoa avy amin’ilay fandaharan’asa. Misy mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny 1.500 eo ao Lesotho.

Nandray anjara tamin’ilay lanonana fizarana mari-pahaizana i Elder Harold Smith sy i Soeur Dianne Smith izay nanompo tamin’ny naha misiônera zokiny azy ireo avy ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo. Nilaza i Elder sy Soeur Smith fa “tian’izy ireo ny mahita ireo mpianatra mitombo fahatokian-tena amin’ny fahaiza-manao sy amin’ny fahalalan’izy ireo fa hanampy azy ireo mandrakariva ny Ray any An-danitra amin’ny fianaran’izy ireo. Mahafaly sy mampirehareha anay amin’ireo zava-bitan’ireo mpianatra ny fahitana azy ireo tonga amin’izao dingana izao.

Namelombelona an’i Khopolo Tsiu, izay mpianatra Pathway sy manompo amin’ny maha misiônera an’ny BYU Pathways ihany koa ao Lesotho, ilay fahombiazana ary nilaza izy hoe “BYU Pathway dia mamiratra aty Lesotho satria tena lafo ny fanabeazana. Fitahiana ho an’ny mponina ato amin’ny firenenay izy ity”.

FANAMARIHANA

  1. Russell M. Nelson, « Qu’allez-vous choisir ? », Le Liahona, janvier 2015, 20.