2023
Ilay antson’ny Tompo mba hitady ireo rehetra izay afaka handeha hanao asa fitoriana
Septambra 2023


Hafatra avy amin’ny mpitarika eo an-toerana

Ilay antson’ny Tompo mba hitady ireo rehetra izay afaka handeha hanao asa fitoriana

Amin’ny maha mpitarika sy mpampianatra ary ray aman-dreny dia mila manasa ireo tanora rehetra izay vonona sy afaka hanonompo isika ary manampy azy ireo mba hiomana ny amin’izany.

Tsy nandeha nanao asa fitoriana aho, saingy ho niriako ery ny nandeha.

I Rahalahy Mamin’ny Aina Rakotoarisoa dia nanantena foana ny handeha hanao asa fitoriana hatry ny fahazazany, saingy nandritra ny fahatanorany dia nihena ny faniriany noho izy nihevitra fa tsy mendrika ny ho antsoina. Nony nanasa azy hanatrika ny kilasy fiomanana ho misiônera nefa ny namany mpikambana iray dia niova ny zavatra rehetra.1 Na dia teo aza ireo olana maro dia vitany ihany izany niaraka tamin’ny fanampian’ny evekany. Ankehitriny, rehefa nisaorana tamin’ny asa fitoriana nandritra ny roa taona izy dia manana drafitra ny hanambady any amin’ny tempoly.

Fanasana avy amin’ny Tompo

Herintaona lasa izay no nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. . . .

“Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany . . . mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo ny handehananao hanao asa fitoriana, ary ny Fanahy Masina dia hamaly ao am-ponao sy ao an-tsainao.”2

Tonga tao an-tsaiko ireo fanasana ireo raha nitondra ahy tany amin’ny Jakôba toko faha-5 ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna ny fandalinako soratra masina: “Noho izany, mandehana ary antsoy ireo mpanompo mba hahazoantsika miasa amin’ny zotom-po tokoa sy amin’ny herintsika ao amin’ny tanimboly, . . .

“Ary ny zava-nitranga dia naniraka ny mpanompony ny Tompon’ny tanimboly; ary nandeha ilay mpanompo ary . . . nitondra mpanompo hafa; ary vitsy izy ireo”.3

Fantatro fa avy amin’ny Tompo ireo fanasana ireo.

Nihevitra aho taloha fa ny asa fitoriana dia natokana ho an’ireo tsara indrindra ihany, ireo izay maniry ny hanompo sy nanomana ny tenany. Saingy nanova ny fihevitro ity fanambarana mahery vaika avy amin’ny Filoha Nelson ity, ary nandresy lahatra ahy fa izaho ihany koa dia mila manasa ireo zatovolahy rehetra mba hanompo ary hanampy azy ireo rehetra mba ho vonona ny hanompo. Marina tokoa fa “Izy ireo dia natokana ho amin’izao fotoana izao izay hitrangan’ny fanangonana an’i Isiraely.”4 Izaho ihany koa dia mila manasa ireo zatovovavy rehetra mba hivavaka mba hahafantaran’izy ireo raha tian’ny Tompo ny hanompoan’izy ireo, ary manasa ireo izay maniry ny hanompo mba hivonona.

Mitady azy rehetra

Rehefa nodimandry ny raiben’i Stéphane Rasorotsoa, ilay hany havany fantany, dia nandray fitaomam-panahy izy mba hifindra toerana any Toamasina mba hitady asa. Tany izy no nihaona tamin’ireo misiônera izay nanasa azy mba hanatrika kilasy fianarana fiteny anglisy. Tsy tena nahaliana azy ny fianarana fiteny anglisy saingy nisy “zavatra” nanosika azy hanaiky ilay fanasana. Nisy antso an-telefaonina avy amin’ny olona tsy fantany avy eo nanasa azy mba hifindra toerana any Tolagnaro, ary nisy “faniriana tsy hay hazavaina hitady ny havany” nitaona azy mba hanaiky io fanasana io. Nahita ilay Fiangonana mitovy an’ilay tao Toamasina izay nianarany fiteny anglisy izy tao Tolagnaro, nampianarin’ireo misiônera izy, niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, nahita ny reniny tao Antananarivo taty aoriana, ary voataona mba handeha hanao asa fitoriana. Manompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny misiôna Antananarivo Madagasikara izy ankehitriny ary hita fa manana ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana teny vahiny izy.5

Amin’ny maha mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mila mitady ireo zatovolahy sy zatovovavy rehetra isika ho valin’ilay fanasana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: “Andeha angony ny sisa tavela amin’ny mpanompoko ary alaivo avokoa ny tanjaky ny tranoko, dia ny miaramilako, ny zatovolahiko.”6

Eo anivontsika ao am-piangonana izy ireo, na mpikambana tsy mazoto lavitry ny masontsika any an-tranon’izy ireo. Ary maro ireo ivelan’ny Fiangonana, tahaka an’i Stéphane. Isika rehetra dia mila “Mitia, manompo, ary manasa” ny tsirairay avy amin’izy ireny. Isika ray aman-dreny sy mpampianatra ary mpitarika dia mila mitady miaramila fanampiny mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny Tompo, tahaka ny tafik’i Helamàna fahiny.7

Ampio izy ireo hiomana

Nahomby ireo miaramila 2000 an’i Helamàna satria voaomana tsara izy ireo. “[Izy ireo] dia sahy fatratra tokoa raha ny herim-po ary koa ny tanjaka sy ny asa; . . .

“Fa efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany.”8

Manasa ireo ray aman-dreny rehetra aho mba hanao ireo tokantranonareo ho Ivon-toerana Fanofanana Misiônera ka ho toy izao no ho lazaina momba ireo tanorantsika hoe “efa nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.”9

Manasa ireo eveka sy filankevitry ny paroasy ary mpampianatra aho mba hanohana ireo ray aman-dreny sy tanora araka izay mety rehetra ary hanampy amin’ny fanalana ireo sakana rehetra tsy hahafahan’ireo zatovolahy sy zatovovavy handeha hanao asa fitoriana.

Ireo fitahiana nampanantenaina

Narovana tamin’ny fomba mahagaga ireo miaramila 2060 an’i Helamàna. “Tsy nisy na dia iray aza taminy no lavo tamin’ny tany; eny, ary efa niady miova tsy ny niaraka tamin’ny herin’Andriamanitra izy ireo.”10

Fony aho filohan’ny tsatòka dia nahita ireo fitahiana ireo raha nanao tafa sy dinika tamin’ireo misiônera niverina ho fisaorana azy ireo. Niova ho tsara kokoa avokoa izy ireo. Ary fantatro fa ho voatahy izy ireo mandritra ny androm-piainany manontolo. Eny, tsy ho mora izany ho an’ny ankamaroan’izy ireo, tahaka ireo miaramilan’i Helamàna,11 hiaina fahasarotanana ny sasany, hahazo ratra amin’ny fomba iray ny rehetra, ny sasany aza ho safotra “noho ny fahaverezan-dra; kanefa, . . . tsy [h]isy na dia iray aza [aminy ho] maty.”

Ary ho lasa fitahiana lehibe ho an’ny Fiangonana iray manontolo izy ireo satria ho lasa vady sy ray aman-dreny ary mpitarika matanjaka.

Fijoroana ho vavolombelona

Fantatro fa velona i Jesoa Kristy. Ity no Fiangonany. Ary ireo zatovolahy sy zatovovavy ankehitriny dia ho lasa hery ho an’ny Fiangonany tokoa raha toa isika ka mitady sy manampy, eny manompo azy ireo mihitsy aza.

FANAMARIHANA

  1. Tafa sy dinika manokana tamin’i Rahalahy Mamin’ny Aina Rakotoarisoa, avy ao amin’ny Paroasy Ambohimanarina, Tsatòka Antananarivo Madagasikara, Ivandry.

  2. Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6; nasiana fanamafisana.

  3. Jereo ny Jakôba 5:61, 70.

  4. Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6.

  5. Avy amin’ny fifanakalozana tamin’ny Messenger tamin’i Elder Stéphane Rasorotsoa, avy ao amin’ny Paroasy Ambohijanahary, Tsatòka Antananarivo Madagasikara Ivandry. Manompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny Misiôna Antananarivo Madagasikara i Elder Rasorotsoa amin’ny izao fotoana izao.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:55.

  7. Jereo ny Almà 57:6.

  8. Jereo ny Almà 53:20–21; jereo koa ny Almà 57:19–21.

  9. Jereo ny Almà 56:47; jereo koa ny Almà 57:21.

  10. Almà 56:56.

  11. Jereo ny Almà 57:25–26.