2023
Inona no ataonao mba Hifandray amin’i Kristy?
Septambra 2023


FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA

Inona no ataonao mba Hifandray amin’i Kristy?

Tamin’ireo herinandro mialoha ny Paska ny Fiadidiana Voalohany dia nanasa ireo mpikambana mba hanamafy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy. Nifandray tamina mpikambana maromaro izahay ary nanontany azy ireo ny fomba ataony mba #HifandrayaminiKristy. Zarain’izy ireo etoana ny eritreritr’izy ireo

“Ny hira no manampy ahy hifandray amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mihira fihirana aho dia mahatsapa ny Fanahy Masina. Ary rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina aho dia mahatsapa fiadanana. Ho foana daholo ireo fijery ratsy ananako ary hirotsaka ireo fijery tsara.” —Thando Mazibuko, Afrika Atsimo

“Ny zavaboahary no mampifandray ahy amin’i Kristy. Rehefa mahare ireo voronkely mihira aho dia mahatsiaro fa mikarakara ahy Izy. Tsy misy na dia voron-kely iray aza mianjera ka tsy fantany ary fahanany izy ireny. Ireo karazan-javamaniry samihafa habe, sy samihafa endrika ary samihafa loko dia mampahatsiahy ahy fa mitahy ahy amin’ny fomba marobe Andriamanitra.” —Rumbidzai Mambo, Zimbabwe

“Manokana fotoana hamakiana ny soratra masiko aho isaky ny tolakandro. Izany no fotoana atokako mba #HifandrayaminiKristy. Manampy ahy hianatra kokoa momba ny Mpamonjy ny Soratra Masina, ary manampy ahy hanamafy orina ny fifandraisako Aminy. Mitondra fampiononana ho ahy ilay ao amin’ny Matio 11:29 manao hoe: ‘Mianara amiko . . . dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.’” —Dina Tlokotsi, Afrika Atsimo

“Mahatsapa fifandraisana lalina sy matanjaka kokoa amin’i Kristy aho rehefa maneho ny hevitro amin’ny alalan’ny hira. Nandritra ny taona maro dia tsapako fa nifandray tamiko tamin’ny alalan’ny hira ihany koa Izy. —Thabo “TJ” Makuzha, Zimbabwe

“#HifandrayaminiKristy izahay amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany sy ny fanambarana maoderina. Nanentana fanahy anay ilay torohevitra nomen’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf mba ‘[hanorina] fifandraisana lalina sy feno fitiavana eo anivon’ny fianakaviana . . . amin’ny alalan’ny fiarahana manao zavatra tsotra toy ny fiarahan’ny fianakaviana misakafo hariva . . . ary ny fiarahana miala voly fotsiny.’”1 —Fianakaviana Cunningham, Afrika Atsimo

“Mifandray amin’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Mihaino ny tenin’ireo mpaminany aho rehefa miasa. Manampy ahy hifandray Aminy izany, ary manampy ahy hankasitraka ny hoe iza Izy eo amin’ny fiainako. Manampy ahy hibebaka izany sy hiezaka ho tonga izay rehetra tian’ny Ray hahatongavako.” —Nelly Moorosi, Lesotho

“Mandany fotoana betsaka eny an-dalana aho. Mihaino soratra masina na lahateny aho amin’ny maraina rehefa miverina avy manatitra an’ireo zanako any am-pianarana, na rehefa eny an-dalana mandeha miasa. Resaka laharam-pahamehana izany mazava ho azy.” —Amahle Jenkins, Afrika Atsimo

“Mifandray amin’i Kristy aho amin’ny alalan’ny fihainoana hira ara-pilazantsara Afrikanina. Hira fihaino sy fihiranay hatramin’ny fahakely nandritra ny fotoam-bavaka niaraka tamin’ny fianakaviana izany. Mampahatsiahy be ahy ny diako miaraka amin’i Jesoa Kristy foana izany sy ny lalana efa nodiaviko. Misy ireo hira sasantsasany izay tena afaka maneho tsara ny zavatra tsapako.” —Nonpumelelo Radebe, Afrika Atsimo

FANAMARIHANA

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” Liahona, Nôv. 2010, 22.