2023
Indray mipika eo amin’ ny tantaran’ny Fiangonana: Dokotera Patrick Chikusu avy any Zambia
Septambra 2023


Tantaran’ny Fiangonana

Indray mipika eo amin’ ny tantaran’ny Fiangonana: Dokotera Patrick Chikusu avy any Zambia

Ilay Dokotera hajaina Patrick Chikusu dia zary fanta-daza tany Zambia noho ny andraikitra nosahaniny tamin’ny naha Minisitry ny Fahasalamana azy. Saingy mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany koa i Dr Chikusu sy Edah vadiny.

I Patrick sy Edah Chikusu avy any Rodezia Avaratra (izay lasa hoe Zambia nanomboka tamin’ny 1964), dia nivady tamin’ny 1975 ary nahafantatra ny filazantsara rehefa nonina tany Angletera izy ireo, toerana izay nanomanan’i Patrick ny Doctorat. Natao batisa izy ireo tamin’ny 1995 ary nofehezina tao amin’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo tamin’ny 1996. Farmasiana no anton’asan’ny Rahalahy Chikusu raha niasa ho mpanolotsaina tao amin’ny Organisation Mondiale de la Santé (OMS) izy talohan’ny nidirany tamin’ny sehatra pôlitika.

Naniry ny hirotsaka Solombavambahoaka tao Zambia izy tamin’ny 2001 ary nandeha tany amin’ny Tempoly hanontany ny hevitry ny Tompo. Nazava ny valinteny hoe “Tsia”. Saingy mbola nirotsaka ho fidiana ihany izy—ary tsy lany. Taty aoriana dia mbola nanatona ny Tompo indray izy ary nolazaina hoe “tsy mbola.” Ary avy eo tamin’ny 2011 dia nandeha tany amin’ny tempoly izy nivavaka raha toa ka mety ny hikatsahany toerana ao amin’ny governemanta. Tamin’ity indray mitoraka ity ny Tompo dia namaly hoe “Mirosoa.”

Taorian’ny nahalany azy tao amin’ny Antenimiera tamin’ny 2011 ny Dr hajaina Patrick Chikusu dia Minisitry ny Fahasalamana nanomboka tamin’ny 2011 ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 2013. Nisy fiantraikany avy hatrany tao amin’ny governemanta ny etika sy ny fenitra ambony nananany. Ohatra, namerina ny vola tsy nampiasainy hatrany izy isaky ny avy namita iraka. Nangataka ireo vehivavy izay niasa tao amin’ny biraony izy mba hanao akanjo fentina miasa maontina sy matianina. Fotoana vitsy monja dia tsikariny fa naka tahaka izany fenitra fiakanjo izany koa ny tany amin’ireo birao hafa tao amin’ny ministera. Nilaza ny Rahavavy Chikusu fa nankasitrahan’ny olona ny fahamarinana sy ny ohatra tsara nasehon’ny vadiny.

Nizara ny filazantsara tamin’ireo namany ihany koa ny Rahalahy sy Rahavavy Chikusu. Nitarika an’i Harrison sy Maureen Lumbama tato amin’ny Fiangonana ny ezaka asa fitoriana nataon’izy ireo. Taty aoriana ny Rahalahy Lumbama dia nantsoina ho Filohan’ny Tsatòka voalohany teo amin’ny firenena.

Nisy ny fandevenana ara-panjakana ho fanomezam-boninahitra an’ny Rahalahy Chikusu tamin’ny 7 Desambra 2013. Nanamarika i Mwansa Kapeya mpitondra tenin’ny fanjakana fa ny fomba feno firahalahiana sy fihavanana nentin’ireo mpikambana avy tamina antoko pôlitika samihafa nihira sy nifangaroharo nandritra ilay fanompoam-pivavahana tao am-piangonana dia tandindon’ny fanirian’i Zambia ho tonga toerana hanjakan’ny fiadanana sy firaisankina ary filaminana.