Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanantenana ao amin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Fanantenana ao amin’i Kristy

Maniry mafy ny hanampy ireo olona mahatsapa tena ho irery na mahatsapa tena ho voailikilika izahay. Mamelà ahy hiresaka manokana ireo izay tokan-tena amin’izao.

Ry rahalahy sy anabavy, amin’izao fotoan’ny Paska izao isika dia mifantoka amin’ilay Fitsanganana be voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika tamin’ny maty. Mahatsiaro ilay fanasany be fitiavana isika hoe “mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”1

Ny fanasan’ny Mpamonjy ho any Aminy dia fanasana ho an’ny rehetra tsy hoe hanatona Azy fotsiny ihany fa mba ho isan’ny Fiangonany ihany koa.

Ao amin’ny andininy mialoha io fanasana io i Jesoa dia mampianatra ny hanaovana izany amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hanaraka Azy. Hoy ny nambarany: “Tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”2

Tian’i Jesoa isika hahafantatra fa Andriamanitra dia Ray any An-danitra be fitiavana.

Ny fahafantarana fa tian’ny Raintsika any An-danitra isika dia manampy antsika hahafantatra hoe iza isika sy hahafantatra fa isan’ny fianakaviambeny mandrakizay isika.

Nanamarika ny Mayo Clinic vao tsy ela hoe: “Zava-dehibe ny fahatsapana ho isan’ny vondrona iray. … Saika ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika no voarindra manodidina ny vondrona misy antsika.” Mbola manampy io tatitra io hoe: “Tsy afa-misaraka amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina ny lanjan’ny fahatsapana ho isan’ny vondrona iray,”3 ary ampiako aza hoe, ny fahasalamantsika ara-panahy.

Tamin’ny takariva nialoha ny nijaliany tao Getsemane sy ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nihaona tamin’ireo mpianany i Jesoa tamin’ilay Fanasana Farany. Hoy Izy tamin’izy ireo: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”4 Mialoha ny filentehan’ny masoandro ny ampitson’io dia nijaly i Jesoa Kristy ary “maty [teo amin’ny hazofijaliana] noho ny fahotantsika.”5

Nanao ahoana re ny fanirery tsapan’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky izay nanara-dia Azy tao Jerosalema rehefa nilentika ny masoandro ka nanomboka tonga tamin’izy ireo ny haizina sy ny tahotra e?6

Tahaka ireo mpianatra ireo efa ho 2000 taona lasa izay, dia maro aminareo koa no mety mahatsapa ho irery indraindray. Niaina io fahatsapana ho irery io aho hatramin’ny nahafatesan’i Barbara vadiko roa taona sy tapany mahery izay. Fantatro hoe ohatra ny ahoana izany voahodidin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, sy namana ary olom-pantatra izany kanefa mbola mahatsapa tena ho manirery ihany, satria tsy eo anilako intsony ilay olon-tiako.

Vao mainka nanamafy izany fahatsapana ho irery izany ilay valanaretina COVID-19 ho an’ny maro. Kanefa na eo aza ireo fanamby atrehantsika amin’ny fiainana dia afaka manomboka fiainam-baovao ao amin’i Kristy isika, tahaka ny tamin’ilay marainan’ny Paska voalohany, miaraka amin’ny fahafahana vaovao sy mahatalanjona, ary zavatra vaovao rehefa mitodika amin’ny Tompo isika mba hahazo fanantenana sy fahatsapana ho isan’ny vondron’olona.

Izaho manokana dia mahatsapa ny fanaintainan’ireo izay tsy mahatsiaro ho isan’ny vondrona iray. Raha mijery ireo vaovao maneran-tany aho dia hitako fa maro ireo izay toa miaina io karazana fanirery io. Mihevitra aho fa ho an’ny ankamaroan’ny olona ny mahatonga izany dia noho izy ireo mety tsy mahafantatra hoe tian’ny Ray any An-danitra izy ireo ary isan’ny fianakaviambeny mandrakizay isika. Mampahery sy manome toky ny finoana fa tia antsika Andriamanitra ary zanany isika.

Satria zanak’ Andriamanitra ara-panahy isika, dia manana fiaviana sy toetra araka an’ Andriamanitra ary fahafahana ho lasa tahaka Azy. Isika tsirairay avy dia “fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”7 Izany no mari-pamantarana antsika! Izany no tena isika!

Mihatsara ny mari-pamantarana antsika ara-panahy rehefa takatsika ireo mari-pamantarana antsika maro eto an-tany, tafiditra amin’izany ny lovantsika ara-pirazanana na ara-kolontsaina na ara-pirenena.

Io fahatsapana ny maha-izy antsika sy ny fahatsapana ho tiana sy isan’ny vondrona ara-panahy sy ara-kolontsaina io dia afaka mitaona antsika hanana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy sy fitiavana Azy.

Raha miresaka momba ny fanantenana ao amin’i Kristy aho dia tsy miresaka momba ny fanantenana zavatra an’eritreritra fotsiny. Fa miresaka kosa momba ny fanantenana izay mitovy amin’ny fiandrandrana zavatra izay ho tanteraka. Tena ilaina ny fanantenana toy izany mba handresena ny zava-tsarotra, hanatsarana ny fahaiza-miaritra sy ny hery ara-panahy, ary hamantarana fa tian’ny Raintsika any An-danitra isika ary zanany isika izay isan’ny fianakaviambeny.

Rehefa manana fanantenana ao amin’i Kristy isika, dia lasa mahafantatra fa rehefa mila manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika, dia afaka ny ho tanteraka ao Aminy ireo faniriana sy nofinofintsika lalina indrindra.

Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niara-nikaon-doha tao anatin’ny fanahin’ny vavaka sady naniry mafy ny hahatakatra ny fomba hanampiana an’ireo rehetra izay mahatsapa ho irery na mahatsapa fa voailikilika. Maniry mafy ny hanampy ireo olona mahatsapa tena toy izany izahay. Mamelà ahy hiresaka manokana ireo izay tokan-tena amin’izao.

Rahalahy sy ranabavy, mihoatra ny antsasaky ny olon-dehibe ato amin’ny Fiangonana no mananotena na nisara-panambadiana na tsy mbola manambady. Ny sasany dia manontany tena ny amin’ny fahafahana sy toerana ananany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy ato amin’ny Fiangonana. Tokony ho takatsika fa ny fiainana mandrakizay dia tsy resaka fanambadiana amin’izao fotsiny ihany fa resaka maha-mpianatra sy maha “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”8 ihany koa. Ny fanantenan’ireo rehetra izay tokan-tena dia mitovy amin’ny an’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, dia ny ahazoana ny fahasoavan’i Kristy amin’ny alalan’ny “fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny Filazantsara.”9

Mamelà ahy hanoro hevitra fa misy fitsipika manan-danja vitsivitsy mila takatsika.

Voalohany dia manamafy ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana ny hahazo fisandratana. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’ny fomba sy fotoan’ny Tompo manokana dia tsy hisy fitahiana holavina amin’ireo Olomasina mahatoky. Hotsarain’ny Tompo sy homeny valisoa arakaraka ny fanirian’ny fony sy ny zavatra nataony ny olona tsirairay.”10

Faharoa, ny fotoana sy ny fomba marina hanomezana ireo fitahian’ny fisandratana dia tsy mbola nambara avokoa, saingy azo antoka anefa izany.11 Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks fa ny sasany amin’ireo toe-javatra “eto amin’ny fiainana an-tany no hamboarina amin’ny Arivotaona, izay fotoan’ny fahatontosan’ny zava-drehetra tsy tò tamin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra mendrika rehetra.”12

Tsy midika akory izany fa hahemotra any amin’ny Arivotaona avokoa ny fitahiana tsirairay, misy ny sasany efa azo ary ny sasany mbola ho azo hatrany mandra-pahatonga izany andro izany.13

Fahatelo, ny fiandrasana ny Tompo dia midika fankatoavana tsy tapaka sy fivoarana ara-panahy mankany Aminy. Ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo dia tsy midika hoe miandry fotsiny eo tsy manao na inona na inona. Tsy tokony hahatsapa ho toy ny ao anaty efitrano fiandrasana velively ianao.

Mitaky asa ny hoe miandry ny Tompo. Nianarako tanatin’ny taona maro fa mampitombo ny fanantenantsika an’i Kristy ny fanompoana ny hafa. Mampitombo ho azy ny fanantenantsika an’i Jesoa ny manao fanompoana toy izay nataony.

Ny fivoaran’ny tena manokana azon’ny olona iray tratrarina amin’izao eo am-piandrasana ny Tompo sy ireo fampanantenany dia singa iray tena sarobidy sy masina ao amin’ny drafiny ho antsika tsirairay. Tena ilaina ny fandraisana anjara ataon’ny olona iray amin’izao mba hanampiana amin’ny fanorenana ny Fiangonana eto an-tany sy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy ifandraisana amin’ny fahafahan’ny olona iray manompo ny maha-manam-bady na tsia azy. Manome voninahitra ireo izay manompo sy miandry Azy amim-paharetana sy am-pinoana ny Tompo.14

Fahefatra, manolotra ny fiainana mandrakizay amin’ireo zanany rehetra Andriamanitra. Ireo rehetra izay manaiky ny fibebahana, izay fanomezam-pahasoavana maimaimpoana avy amin’ny Mpamonjy, ka miaina ireo didiny dia hahazo ny fiainana mandrakizay, na dia tsy mahatratra ny toetra sy ny fahalavorariana rehetra an’izany aza teto an-tany. Ireo izay mibebaka dia hiaina ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka araka ny toky nomeny: “Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.”15

Rehefa dinihina ny zava-drehetra dia ny herin’ny olona iray, sy ny faniriany ary ny fahafahany manao zavatra amin’ny resaka fahafahana misafidy sy safidy, tafiditra ao anatin’izany ny fahamendrehany hahazo ny fiainana mandrakizay, dia zavatra izay ny Tompo irery ihany no afaka mitsara azy.

Fahadimy, ny fatokisantsika ireo fanomezan-toky ireo dia mifototra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izay tamin’ny fahasoavany no nanamarinana ny zavatra rehetra amin’izao fiainana an-tany izao.16 Afaka ny ho azo tanterahina amin’ny alalany avokoa ireo fitahiana nampanantenaina rehetra. Izy izay, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia “nidina koa ho ambanin’ny zava-drehetra”17 ary “naharesy izao tontolo izao.”18 Izy “efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra mba hitaky amin’ny Ray ny zon’ny famindram-po izay ananany amin’ny zanak’olombelona … ; koa miaro ny tombontsoan’ny zanak’ olombelona Izy; ary mitoetra mandrakizay any an-danitra.”19 Amin’ny farany dia “hofenoina ny voninahiny ireo olomasina ka handray ny lovany”20 amin’ny maha “mpiray lova amin’i Kristy”21 azy ireo.

Ny faniriantsika dia ny hanampian’ireo fitsipika ireo ny rehetra hanana fanantenana kokoa ao amin’i Kristy ary hahatsapa ho tsy voailikilika.

Aza hadinoina velively fa ianao dia zanak’ Andriamanitra, ilay Raintsika mandrakizay, ankehitriny ary mandrakizay. Tiany ianao ary mitady sy mila anao ny Fiangonana. Eny, teny mila anao izahay! Ilainay ny feonao, ny talentanao, ny fahaiza-manao anananao, ny fahatsaranao, ary ny fahitsianao.

Nandritra ny taona maro isika dia niresaka momba ny hoe “tanora tokan-tena,” “olon-dehibe tokan-tena,” ary “olon-dehibe.” Mety hanampy ireo fiantsoana ireo indraindray amin’ny lafiny fitantanana, saingy mety hanova tsy nahy ny fandraisantsika ny hafa anefa izany.

Misy fomba ve hisorohana io fironan’olombelona izay mampisara-bazana antsika io?

Nangataka ny Filoha Nelson mba hilaza ny tenantsika ho mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Toa mahafaoka antsika rehetra izany, sa tsy izany?

Manana ny hery hampiray antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha ny tena marina dia mitovy isika fa tsy samy hafa. Amin’ny maha-isan’ny fianakaviamben’ Andriamanitra antsika dia tena mpiray tampo isika. Hoy i Paoly hoe: “Ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponenin[’ Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra.”22

Ho anareo filohan’ny tsatòka, eveka, ary mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ny rahavavy, dia mangataka anareo aho mba handray ny mpikambana tsirairay ao amin’ny tsatòka, na paroasy, na kôlejy, na rafitra misy anareo ho toy ny mpikambana izay afaka mitondra anjara biriky sy manompo amin’ny antso ary handray anjara amin’ny fomba maro.

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, rafitra, paroasy ary tsatòka misy antsika dia manana fanomezam-pahasoavana sy talenta nomen’ Andriamanitra izay afaka manampy amin’ny fanorenana ny fanjakany amin’izao.

Andeha isika hiantso ireo mpikambana ato amintsika izay tokan-tena mba hanompo sy hampitraka ary hampianatra. Aza raharahiana ireo filaza na hevitra taloha izay mety nahatonga azy ireo tsy nahy ho nahatsapa ho irery sy voailikilika na tsy afaka manompo.

Mijoro ho vavolombelona aho amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska izao ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fanantenana mandrakizay izay omeny ahy sy ho an’ireo rehetra izay mino ny anarany. Ary zaraiko izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.