Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Ireo fitsipiky ny filazantsarako”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


“Ireo fitsipiky ny filazantsarako”

(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12)

Ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana iray mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny ôktôbra 1849, dia nantsoina mba hanokatra ny firenen’i France ho an’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Loholona John Taylor tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny asa fanompoana nataony dia nahitana ny famoahana ny gazety ôfisialy voalohany an’ny Fiangonana tao amin’izany firenena izany. Nanomana sy namoaka lahatsoratra iray ny Loholona Taylor tamin’ny 1851 hamaliana ireo fanontaniana miverimberina napetraka taminy momba ny Fiangonana. Ary tany amin’ny faramparan’izany lahatsoratra izany, dia nitantara toy izao manaraka izao ny Loholona Taylor:

“Taona vitsy lasa izay tany Nauvoo dia nisy lehilahy iray andrian-toetra araka ny fahenoako azy, izay mpikambana ao amin’ny Antenimiera mpanao lalàna, nanontany an’i Joseph Smith ny fomba nahafahany nitondra olona maro dia maro sy nitazona lamina tonga lafatra toy izany, sady nilaza koa izy hoe tsy nahavita ny manao toy izany tany amin’ny toerana hafa izy ireo. Nilaza Andriamatoa Smith fa tena mora ny manao izany. —Amin’ny fomba ahoana?— hoy ilay lehilahy andrian-toetra;—tena sarotra ho anay izany—. Namaly Andriamatoa Smith hoe,—Mampianatra fitsipika marina azy ireo aho, dia mitondra ny tenany irery izy ireo.—”1

Mivavaka aho mba hampianatra sy hanazava ny saintsika ny Fanahy Masina eo am-panamafisako ireo anjara asa manan-danjan’ireo fitsipika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Ireo fitsipika

Ny Tompo dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin’ity fiangonana ity dia hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny filazantsara.”2 Nanambara koa izy fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony “[hampianarina] misimisy kokoa ny amin’ny foto-pisainana, ny amin’ny fitsipika, ny amin’ny fotopampianarana, ny amin’ny lalàn’ny filazantsara, ny amin’ny zava-drehetra izay mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra izay ilaina ho takatrareo.”3

Raha ambara amin’ny teny fohy, ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy. Ireo fitsipika dia avy amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara mivelatra kokoa ary manolotra fitarihana sy fenitra arahina rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika.

Ohatra, ireo Fanekem-pinoana telo voalohany dia maneho ireo endrika fototry ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny: ny toetoetry Ny Andriamanitra ao amin’ny fanekem-pinoana voalohany sy ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ao amin’ny fanekem-pinoana faharoa ary ireo fitahiana izay tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo.4 Ary ny fanekem-pinoana fahaefatra dia mamaritra ireo fitsipika voalohany, dia ireo torolalana mahakasika ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa sy ny fibebahana izany, ary mamaritra ireo ôrdônansy voalohan’ny fisoronana izay manome fahafahana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba handaitra eo amin’ny fiainantsika.5

Ny Tenin’ny Fahendrena dia ohatra iray hafa ana fitsipika iray izay miendrika torolalana. Diniho ireto andininy hampidirana ny fizarana 89 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireto:

“Nomena ho fitsipika omban’ny fampanantenana, sahaza ny fahafaha-manaon’ny osa sy ny osa indrindra amin’ny olomasina rehetra, izay olomasina na azo atao hoe olomasina.

“Indro, toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo: Noho ny sain-dratsy sy ny fikasana izay misy sy hisy ao am-pon’ny mpiaramioko amin’ny andro farany no efa nampitandremako anareo sy efa ilazako mialoha aminareo amin’ny fanomezana anareo ity tenin’ny fahendrena ity amin’ny alalan’ny fanambarana.”6

Ny torolalana azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay aorian’io fampidirana io dia manolotra torolalana maharitra mba hahazoana soa ara-batana sy ara-panahy ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana manokana izay miankina amin’ny fahatokiantsika eo anatrehan’ilay fitsipika.

Ny fianarana sy ny fahatakarana ary ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara dia manamafy orina ny finoantsika ny Mpamonjy, sy mampahalalina ny fahafoizan-tenantsika ho Azy ary mampisy fitahiana maro dia maro sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy tonga eo amin’ny fiainantsika. Ireo fitsipiky ny fahamarinana koa dia manampy antsika mba hijery mihoatra lavitra an’ireo zavatra tiantsika manokana sy ireo faniriantsika mifono fitiavan-tena amin’ny alalan’ny fanolorana ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana, ireo olana sy ireo fanapahan-kevitra ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika.

Ireo ohatra ankehitriny mikasika ny fampianarana ireo fitsipika marina

Ilay teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny fampianarana ireo fitsipika marina dia angamba iray amin’ireo teny indramina miverimberina ampiasaina ao anatin’ireo fampianarana. Ary mahita ohatra mafonja maneho izany lamina fanomezana torolalana azo avy amin’ny fanentanam-panahy izany isika ao anatin’ireo fampianarana zarain’ireo mpanompon’ny Tompo nomena lalana amin’izao fotoana izao.

Ny fitsipiky ny fifantohan-tsaina

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny 1998 dia niresaka mikasika ireo andraikitry ny mpihazona Fisoronana Aharôna izay mifandray amin’ny fanomanana sy fizarana ny fanasan’ny Tompo ny Filoha Dallin H. Oaks. Namaritra ny fitsipiky ny fifantohan-tsaina izy ary nilaza fa ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray dia tsy haniry velively ny hisian’ny zavatra eo amin’ny bika aman’endriny na eo amin’ny fihetsiny izay hanelingelina ny mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fitsaohany sy ny fanavaozany ireo fanekempihavanana. Nohamafisin’ny Filoha Oaks koa ireo fitsipika mifandray amin’izany, dia ny filaminana, ny fahadiovana sy ny fanehoana fanajana ary ny fahamendrehana.

Ny zavatra mahavariana dia tsy nanome lisitra lava be mba hahitana ireo zavatra tokony hataon’ny zatovolahy na tsy tokony hataony ny Filoha Oaks. Fa nanazava ilay fitsipika kosa izy niaraka tamin’ny fanantenana fa ny zatovolahy sy ny ray aman-dreniny ary ny mpampianatra dia afaka mampiasa sy tokony hampiasa ny fahaizan’izy ireo mandanjalanja sy ny aingam-panahin’izy ireo eo amin’ny fanarahana ilay torolalana.

Nanazava izy hoe: “Tsy hanolotra fitsipika feno antsipiriany aho satria ireo toe-javatra iainana any amin’ireo paroasy sy sampana samihafa ato anatin’ity Fiangonantsika maneran-tany ity dia tena tsy mitovy, ka ny fitsipika iray manokana izay toa takina any amina toerana iray dia mety tsy mety any amin’ny toerana iray hafa. Fa hanolotra fitsipika iray mifototra amin’ny fotopampianarana kosa aho. Raha toa ka takatry ny olona rehetra ity fitsipika ity ary raisin’izy ireo ny andraikitra mifanaraka amin’izany, dia zara raha ilaina ireo lalàna. Raha toa ka ilaina ireo lalàna na fanoroan-kevitra ao anatin’ny toe-javatra mianjady amin’olona manokana, dia afaka manolotra izany ireo mpitarika eo an-toerana, izay mifanaraka amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika mifandray amin’izany.”7

Ny fitsipiky ny Sabata ho toy ny famantarana

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2015, dia nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa “fahafinaretana ny Sabata.”8 Nohazavainy koa ny fomba nahatakarany manokana ny fitsipika fototra iray mahakasika ny fanajana ny andro Sabata:

“Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: —Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?— Nampazava tsara ny safidiko momba ny andro sabata izany.”9

Ny fanontaniana tsotra nefa mafonja napetraky ny Filoha Nelson dia nanamafy fitsipika iray izay namaly haingana izay mety ho ahiahy momba ny dikan’ny hoe manaja ny Sabata sy ny zavatra tokony hataontsika mba hanajana izany. Mamintina torolalana sy fenitra arahina iray izay afaka mitahy antsika rehetra ao anatin’ireo toe-javatra samihafa iainantsika ny fanontaniany.

Ny fitsipiky ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka

Enim-bolana lasa izay nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nilaza ny hafaliany manokana ny Filoha Nelson rehefa nahita zava-baovao mikasika ny dikan’ny teny hoe Isiraely izy. Nilaza tamintsika izy fa nahazo fanentanam-panahy rehefa nahafantatra fa “ilay anarana hoe Isiraely dia milaza olona iray izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.”10 Avy eo ny Filoha Nelson nilaza zavatra maro fonosin’izany zava-baovao izany.

Ny hafany mikasika ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka dia ohatra miavaka maneho ny fampianarana fitsipika marina mba hahafahantsika mitondra irery ny tenantsika. Ary toy ny nataony tao anatin’ilay hafany mikasika ny fanaovana ny Sabata ho fahafinaretana, dia nametraka fanontaniana mifototra amina fitsipika ny Filoha Nelson izay natao ho mpitarika sy fenitra arahina ho antsika tsirairay.

“Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho hery mitaona manan-danja indrindra aminao eo amin’ny fiainanao?”

Notohizany hoe:

“Eritrereto ny fitahiana entin’ny fahavononana toy izany eo aminao. Raha toa ianao ka tokan-tena ary mikatsaka vady mandrakizay, ny fanirianao ho anisan’i —Isiraely— dia hanampy anao hanapa-kevitra hoe, iza no tokony hiarahanao ary amin’ny fomba ahoana.

“Raha toa ianao ka manambady olona nandika ny fanekempihavanany, ny fahavononanao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao dia hamela ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra tsy ho voakitikitika. Hanasitrana ny fonao torotoro ny Mpamonjy. Hisokatra ny lanitra rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny fomba hirosoana ianao. Tsy voatery hirenireny na ho be fanahiana ianao.

“Raha manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny filazantsara na ny Fiangonana ianao, rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka ianao dia ho voatarika ianao hahita sy hahatakatra ny tena fahamarinana mandrakizay izay hitarika anao eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

“Raha tojo fakam-panahy ianao, na dia tonga aza ny fakam-panahy rehefa reraka na mahatsapa ho irery na disoin’ny hafa tsy ara-drariny ianao, dia alaivo sary an-tsaina ny hery mety ho azonao rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao sy mangataka Azy mba hankahery anao ianao.

“Raha toa ka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka, ny ho anisan’i Isiraely, no fanirianao lehibe indrindra, dia fanapahan-kevitra maro no ho lasa mora kokoa. Olana maro no ho lasa tsy misy dikany. Ho hainao ny hikarakara ny tenanao. Ho fantatrao izay tokony hojerenao sy hovakianao, aiza no tokony handanianao ny fotoanao, ary iza no tokony hataonao namana. Fantatrao izay tianao hotratrarina. Fantatrao ny karazan’olona tena tianao hahatongavana.”11

Dihino ny habetsahan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja sy ireo zavatra iainana eo amin’ny fiainana izay afaka ny hiantefan’izany fitsipiky ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka izany: fifankafantarana amin’ny lehilahy na vehivavy iarahana sy fanambadiana, fanontaniana sy olana mahakasika ny filazantsara, fakam-panahy, fikarakarana ny vatana sy ny fanafiana ny tena, ny zavatra jerena sy vakina, ny toerana handaniana ny fotoana, ny olona tokony hifaneraserana, sy ny maro dia maro hafa koa. Ireo fanontaniana azo avy amin’ny fanentanam-panahy napetraky ny Filoha Nelson dia manamafy fitsipika tsotra iray izay manolotra fitarihana eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika ary manome fahafahana antsika hitondra irery ny tenantsika.

Familiana bitika

Rehefa nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith, dia nanoratra taratasy mifono fitarihana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy ary nampahatsiahy azy ireo “fa amin’ny fotoan’ny tafiotra, ny sambo iray tena lehibe dia tena mahita soa lehibe tokoa amin’ilay familiana bitika izay mihazona azy amin’ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja.”12

Sary
Familiana sambo

Ny “familiana” dia fanoitram-panamoriana sy fitaovana miaraka amin’izany izay ampiasaina mba hamiliana sambo iray. Ary ilay hoe “mihazona azy amin’ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja” dia entina ilazana hoe afaka mamily ilay sambo mba hampitombina azy tsara sy tsy hivadihany mandritra ny tafio-drivotra.

Sary
Sambo mihodina ao anaty tafiotra

Ireo fitsipiky ny filazantsara ho ahy sy ho anao dia toy ny familiana ho an’ny sambo iray. Ireo fitsipika marina dia manome fahafahana antsika hahita ny lalantsika sy hijoro ho mafy orina sy tsy ho azo hozongozonina mba tsy hampitongilangilana antsika ka hianjera ao anatin’ny tafiotry ny haizina sy ny fisafotofotoana amin’izao andro farany izao.

Nahazo fitahiana be dia be isika nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana ity tamin’ny fianarana mikasika ireo fitsipika mandrakizay avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo nomena lalana. Ankehitriny ny andraikitsika manokana dia ny hitondra ny tenantsika irery mifanaraka amin’ireo fahamarinana izay nijoroan’izy ireo ho vavolombelona.13

Fijoroana ho vavolombelona

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ao anatin’ireo enim-bolana manaraka, ilay [Liahona] anao misy ny famoahana ny fihaonambe dia tokony hipetraka eo akaikin’ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana izay anao manokana ary tokony hovakina matetika.”14

Manasa antsika rehetra amin’ny heriko rehetra aho mba hianatra sy hiaina ary hitia ireo fitsipiky ny fahamarinana. Ireo fahamarinan’ny filazantsara ihany no afaka manome fahafahana antsika mba “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika” mba hibosesehana mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy mba “hahitana ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”15

Fantatro fa ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no loharano fototra hahazoana fitarihana eo amin’ny fiainantsika sy fifaliana maharitra eto an-tany sy mandrakizay. Ary mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho amin’ity alahady feno voninahitry ny Paska ity fa ilay Mpamonjintsika velona no loharano ivoahan’ireo fahamarinana ireo. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Fanamarihana

  1. John Taylor, ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 284.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78.

  4. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:1–3.

  5. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:4.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3–4.

  7. Dallin H. Oaks, “The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Liahona, Jan. 1999, 45–46.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129–32.

  9. Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” 130; nampiana fanamafisana.

  10. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,”Liahona, nôv. 2020, 92.

  11. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” 94.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:16.

  13. Ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia namporisika ny mpikambana mba hamela ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ho toy ny “mpitarika ny zavatra ataon’izy ireo sy tenenin’izy ireo mandritra ny enim-bolana ho avy.” Nanazava izy hoe: “Ireo no zavatra manan-danja izay hitan’ny Tompo fa tokony hambara amin’ny olona amin’izao andro izao” (tao amin’ny Conference Report, Apr. 1946, 68).

    Nanamafy ny maha-manan-danja an’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ihany koa ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985). Hoy izy: “Tsy misy afa-tsy ny boky soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana ihany no tokony hanana toerana miavaka eo amin’ny talantalan’ny fitoeram-bokinao manokana. Tsy hoe noho ny hakanton’ny fomba nanoratana azy na ny fahaiza-mandaha-teny hita ao anatiny, fa noho ireo hevitra izay manoro ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay (In the World but Not of It, Brigham Young University Speeches of the Year [May 14, 1968], 3).

    Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanantitrantitra indray ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ireo lahatenin’ny fihaonambe. Hoy izy hoe: “Enga anie isika hahatsiaro mandritra ny fotoana ela ny zavatra henontsika nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana ity. Ireo hafatra nomena dia hivoaka amin’ny volana ambony ao amin’ny gazetiboky Ensign sy Liahona. Mamporisika anareo aho mba handalina azy ireny sy hisaintsaina ireo fampianarana ao anatiny” (“Mandrapihaonantsika indray,” Liahona, nôv. 2008, 106).

  14. Ezra Taft Benson, “Come unto Christ, and Be Perfected in Him,” Ensign, May 1988, 84.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17.