2018
Tandindon’ny Paska fahizay miisa 6 izay mety hanova ny fomba fijerinao ny Paska
April 2018


Tandindon’ny Paska fahizay miisa 6 izay mety hanova ny fomba fijerinao ny Paska

Rehefa mahatsiaro ny zavatra asehon’ny Paska fahizay isika dia hihalalina ny fahatakarantsika ny tena fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fifaliantsika noho izany.

Sary
table set with passover meal

Tiako ny Paska, izay andro fialan-tsasatra hankalazana ny nanafahan’i Jesoa Kristy ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny fangejan’ny fahafatesana sy ny helo.

Kanefa 1.500 taona talohan’ny Fitsanganana tamin’ny maty, dia nisy andro masina iray nitovy tamin’izany izay nanamarika ny fanafahan’ i Jehovah ny zanak’i Isiraely tamin’ny fanandevozana azy ireo tany Egypta.

Ny Paska dia mampahatsiahy antsika ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy. Ny Paska fahizay dia naneho izany tamin’ny alalan’ny tandindona. Afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny Fitsanganana amin’ny maty izy ireo rehefa atambatra. Ireto ambany ireto misy zavatra vitsivitsy ifandraisan’ny Paska fahizay sy ny Paska:

Paska fahizay

Paska

1. Ny Paska fahizay dia nifantoka tamin’ny zanak’ondrin’ny paska, izay zanak’ondry lahy tsy misy kilema (jereo ny Eksodosy 12:5), tsy misy tapaka ny taolany (jereo ny Eksodosy 12:46).

1. I Jesoa no Zanak’ondrin’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 1:29), tsy nanam-pahotana sady tsy nisy tapaka ny taolany (jereo ny Jaona 19:36).

2. Mofo tsy misy masirasira, tsy misy zavatra mandoto azy (jereo ny Bible Dictionary, “Leaven”), no isan’ny sakafon’ny Paska fahizay (jereo ny Eksodosy 12:8, 15).

2. I Jesoa no mofon’aina, ary tsy misy loto ao Aminy (Jereo ny Jaona 6:35).

3. Anana mangidy, izay tandindon’ny fanandevozana ny Israelita, no anisan’ny sakafon’ny Paska fahizay (jereo ny Eksodosy 12:8).

3. Mety ho voagejan’ny fanandevozan’ny ota isika, kanefa noho ny nisotroan’i Jesoa an’ilay kapoaka mangidy (jereo ny F&F 19:18), dia afaka mandresy izany isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (jereo ny 1 Korintiana 15:22).

4. Ny sakafon’ny Paska fahizay dia tokony hohanina haingana (jereo ny Eksodosy 12:11).

4. Nokarakaraina haingana ny vata-mangatsiakan’i Jesoa mba handevenana Azy (jereo ny Jaona 19:31).

5. Ireo mpino izay nanosotra ny ran’ilay zanak’ondry teo amin’ny tolam-baravarany sy ny tataom-baravarany dia voavonjy tamin’ny fahafatesana ara-batana (jereo ny Eksodosy 12:7, 13).

5. Ireo mpino izay mandray ny ran’ny Zanak’ondry amin’ny alalan’ny tandindona isan-kerinandro mandritra ny fanasan’ny Tompo sy “mahatsiaro Azy mandrakariva” (F&F 20:77, 79) dia afaka ny ho voavonjy amin’ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana (jereo ny Môsià 4:2).

6. Ny ampitson’ny namonoana ireo lahimatoa dia nambara ny fahafahan’ireo Isiraelita nobaboina (jereo ny Eksodosy 12:29–32).

6. Ny ampitson’ny namonoana an’Ilay Lahimatoa, dia nanambara ny fahafahan’ireo izay babo tao amin’ny Tontolon’ny Fanahy i Jesoa (jereo ny F&F 138:18, 31, 42).