2018
Ahoana no ahafahako manatsara ny fandalinako soratra masina mba hahaliana kokoa?
April 2018


Ahoana no ahafahako manatsara ny fandalinako soratra masina mba hahaliana kokoa?

Sarah Keenan

Utah, Etazonia

Sary
woman sitting at a desk

Sary nataon’i Bradley Clark

Tafaverina nody avy nanao asa fitoriana vao telo volana monja aho no nanomboka sahirana tamin’ny famakiana soratra masina.

Namaky ny soratra masina isan’andro aho nandritra ny asa fitoriana nataoko ary nampanantena ny hanohy izany rehefa miverina mody. Kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia toa nisy zavatra nanakana foana. Na izaho nanana enti-mody maro be, na be asa be dia tsy nanam-potoana, na reraka be loatra fotsiny. Isak’izay nahita fialan-tsiny aho dia nihanihena ny famakiako soratra masina mandra-pahatonga ahy zara raha namaky akory aza.

Nanokatra ny Bokin’i Môrmôna aho indray alina dia nivonona ny hamaky andininy iray ihany. Nampahatsiahy ahy ilay andininy novakiko fa ny soratra masina dia mirakitra “ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra, eny, dia ny teny izay manasitrana ny fanahy maratra” (Jakôba 2:8).

Nisaintsaina io andininy io aho dia tonga saina ny amin’ny fiantraikany ratsy avy amin’ny tsy firaharahiana ny fandalinana soratra masina teo amiko. Nahatsapa rarin-tsaina bebe kokoa aho tany an-tsekoly, tsy niraharaha kokoa tany am-piangonana, ary nihananalavitra kokoa an’ Andriamanitra. Nila ilay tenin’ Andriamanitra manasitrana ao amin’ny soratra masina ny fanahiko. Fantatro fa nila nandamina indray ny laharampahamehako aho.

Nangataka sosokevitra tany amin’ireo namako, ny fianakaviako, ary ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana aho mba hanatsarako ny fandalinako soratra masina mba hahaliana kokoa. Nisy zavatra telo hitako fa tena nanampy.

Voalohany, tonga saina aho fa tsy nahomby ho ahy ny famakiana soratra masina tamin’ny alina. Ny fandalinana amin’ny maraina dia namela ahy hisaintsaina nandritra ny andro ny fotopampianarana sy ny fitsipika novakiko ny maraina.

Faharoa, nampianarina isika mba hamaky soratra masina miaraka amin’ny fianakaviantsika, saingy hatramin’ny nianarako tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony sy naha-lavitra ny fianakaviako ahy, dia nanomboka niara-namaky soratra masina tamin’ireo mpiray trano tamiko sy ireo namako aho. Nanampy ahy hijanona ho tompon’andraikitra izany, ary nitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara.

Fahatelo, nanomboka nanoratra ireo bitsiky ny Fanahy sy ireo eritreritra voaraiko nandritra ny fandalinana soratra masina aho. Nanampy ahy hifantoka tamin’ny zavatra novakiko izany ary nanampy ahy hahafantatra tsara kokoa ny feon’ny Fanahy.

Raha vantany vao lasa laharampahamehana teo amin’ny fiainako indray ny fandalinana soratra masina, dia hitako fa nanana fotoana sy hery bebe kokoa aho hanatanterahana ny zavatra rehetra nilaiko novitaina. Ny manan-danja indrindra dia nahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra indray aho rehefa namaky sy nisaintsaina ny soratra masina. Ankehitriny aho rehefa manokana fotoana hamakiana soratra masina dia mahatsapa fiadanana sy mahazo fanasitranana ho an’ny fanahiko.