2018
Raha tsapako ho toy ny mihavery izany ny finoako, dia inona no azoko atao?
April 2018


Fanontaniana & Valiny

“Raha tsapako ho toy ny mihavery izany ny finoako, dia inona no azoko atao?”

Sary
girl sitting on top of a mountain

Vakio ny Soratra Masina

Rehefa manana fahasahiranana aho eo amin’ny fahatsapana ny Fanahy, dia manampy ahy ny famakiana ny soratra masina sy ny fijerena ny finoana ananan’ny tsirairay. Manome finoana ahy izany. Mety tena fohy ireo vavaka nataonao. Miezaha manao izany amin-kitsimpo kokoa dia hanampy anao mba hahazoana ilay finoanao indray ny Ray any An-danitra.

Chris B.,14 taona, Oregon, Etazonia

Kolokoloy ilay voan’ny finoana

Fantatro fa afaka mivavaka amin’ny Ray aho ary mangataka Azy mba hanampy ahy hihazona ilay finoana namboleko. Tsy maintsy manao ireo zavatra rehetra tokony hatao aho mba hikolokoloana izany, toy ny famakiana ny soratra masina, mikatsaka traikefa ara-panahy, manisa ireo fitahiana azoko ary mangataka fanampiana avy amin’ny fianakaviako. Amin’izay afaka manomboka maniry indray ilay finoako. Tsy hitranga haingana izany fa dingana izay mitaky fotoana. Mila manana faharetana sy fahatokiana ny Tompo aho.

Elías B., 18 taona, Mendoza, Argentine

Iaraho vahana izany

Rehefa tsapako ho toy ny mihavery izany ny finoako dia miresaka amin’ny raiko sy ny reniko aho dia miaraka mamaha izany izahay. Indraindray izahay dia mihira hira mankahery aorian’izany mba hahafahanay mahatsapa ny Fanahy.

Emmalie C., 15 taona, Colorado, Etazonia

Anontanio ny ray aman-dreninao

Ankoatra ny fivavahana mivantana amin’ny Ray any An-danitra dia afaka manontany ny ray aman-drenintsika isika mikasika ny fomba ahafahantsika miverina any Aminy sy mahazo indray ny finoantsika.

Elías S., 12 taona, Paysandú, Uruguay

Mivavaha, mifandraisa amin’ny hafa ary mamakia soratra masina

Satria efa nihozongozona ny finoako dia ireto misy zavatra telo nataoko mba hamerenana izany indray. Voalohany, nivavaka aho. Nandaitra tsara ny nivavaka mba hahazo hery sy mba hahafantatra izay tokony hataoko. Faharoa, niresaka tamin’ireo namana akaiky aho dia nanampy ahy tanteraka izy ireo rehefa nila izany aho. Fahatelo, namaky soratra masina aho. Maro amin’izy ireo no miresaka mikasika ny finoana ary afaka manampy antsika hahazo izany indray.

Jack J., 14 taona, Floride, Etazonia