2018
Ny dian’ny Mpamonjy farany sy nataony irery
April 2018


Ny dian’ny Mpamonjy farany sy nataony irery

Sary
the saviors final lonely journey PDF 1
Sary
the saviors final lonely journey PDF 2
Sary
the saviors final lonely journey PDF 3

Nanao dia maro ny Mpamonjy nandritra ny fiainany teto an-tany. Ny diany tany ivelan’i Betlehema sy nankany Egypta fony izy zazakely, ilay dia nataony tany an-tany efitra nandritra ny 40 andro, ireo dia maro nataony tany amin’ireo tanàn-dehibe sy tanàna kely, ary tany amin’ireo tokantrano mba hampianatra, hanasitrana, sy hitsodrano nandritra ny asa fanompoany ary ireo maro hafa. Saingy nisy dia anankiray izay tsy maintsy natrehan’ny Mpamonjy irery, ary Izy irery no hany afaka nahazaka izany dia izany.

“Ny Alahadin’ny Paska no ankalazantsika ilay fotoana lehibe indrindra sy nandrandraina fatratra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

“Io andro io no nanova ny zava-drehetra.

“Niova ny fiainako tamin’io andro io.

“Niova ny fiainanao.

“Niova avokoa ny hoavin’ny zanak’Andriamanitra rehetra.”Filoha

Dieter F. Uchtdorf, ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Ny Fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 107.

Fijaliana tsy nisy toy izany

Sary
Jesus in Gethsemane

Ô ry Ray, nataon’i Simon Dewey

“Tsy misy sain’olombelona afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane.

“Fantatsika fa nivoa-dra be ny mason-kodiny tsirairay rehefa nisotro hatramin’ny farany ilay kapoaka mangidy izay natolotry ny Ray Azy Izy.

“Fantatsika fa nijaly Izy, na ara-batana na ara-panahy, mihoatra noho izay azon’ny olombelona zakaina, afa-tsy ny fahafatesana.

“Fantatsika fa amin’ny fomba izay tsy dia takatry ny saintsika loatra, ny fijaliany dia nanome fahafaham-po ny fitakian’ny fahamarinana, nanafaka ny fanahy mibebaka tamin’ny fahoriana sy ny sazy noho ny fahotana ary nahatonga ny famindrampo afaka mihatra amin’ireo izay mino ny anarany masina.

“Fantatsika fa niankohoka tamin’ny tany Izy rehefa nampangovitra Azy ireo fanaintainana sy fangirifiriana avy amin’ilay enta-mavesatra tsy misy fiafarana, hany ka naniry ny tsy hisotro tamin’ilay kapoaka mangidy Izy.”

Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo , “The Purifying Power of Gethsemane,” Ensign, May 1985, 9.

Fampiharana ho an’ny tena manokana: Na dia mety tsy tsapantsika foana aza, dia nizaka ny karazana fijaliana rehetra ny Mpamonjy nandritra ny Sorompanavotana. Takany ny fijaliana ara-batana rehetra, manomboka any amin’ny taolana tapaka ka hatrany amin’ny aretina faran’izay mafy indrindra. Nahatsapa ny haizina sy ny fahakiviana avy amin’ireo aretin-tsaina izy toy ny harerahan-tsaina amam-panahy, ny fitebitebena, ny fiankinan-doha, ny fanirery ary ny alahelo. Ary nahatsapa ny ratra ara-panahy rehetra Izy satria nitondra teo Aminy ny fahotan’ny olombelona rehetra.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ao anatin’ny fotoana mampalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe –Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.– Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy.” (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 90).

Izy ihany no hany afaka nahavita izany

Sary
carrying the cross

Ny fitanjozorana nankany Kalvary, nataon’i Bernardo Cavallino, Chrysler Museum of Art

“Izay Andriamanitra ihany no afaka mahavita ny zavatra nataony. Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo an’i Jesoa Kristy, dia nandova toetra maha-andriamanitra Izy. Izy no hany olona teraka teto an-tany hatramin’izay ka afaka nanatanteraka io zavatra tena manan-danja sy masina io. Amin’ny maha-ilay hany olona tsy nanota Azy tamin’izay rehetra niaina teto amin’ity tany ity, dia tsy nandalo fahafatesana ara-panahy Izy. Noho ny maha-andriamanitra Azy dia nanana hery nandresena ny fahafatesan’ny vatana koa Izy. Noho izany dia nanao zavatra ho antsika Izy izay tsy ho vitantsika ny hanao azy ho an’ny tenantsika. Nanapatapaka ny fihazonana tsy mitambitamby ataon’ny fahafatesana Izy. Nataony koa izay hahafahantsika manana ilay fampiononana tena lehibe sy mampitony avy amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina.”

Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “The Atonement: Our Greatest Hope,” Liahona, Jan. 2002, 20.

Fampiharana ho an’ny tena manokana: Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia novahan’ny Mpamonjy ny famatoran’ny fahafatesana ary navotany tamin’ny fahotantsika isika rehetra mba hahafahan’ny olona tsirairay mahazo ny fiainana mandrakizay. I Jesoa Kristy irery no hany afaka nanatanteraka izany asa mampitahotra sy tsy ho vita izany. Rehefa miatrika olana tena sarotra isika dia afaka mahazo fiononana amin’ny alalan’ny fahafantarana fa tena vitan’ny Mpamonjy ny manao izay zavatra tsy ho vita.

Tsy nandà Izy

Sary
the burial

Ny fandevenana, nataon’i Carl Heinrich Bloch

“Teny amin’ny tendrombohitra nantsoina hoe Kalvary, raha iny nijery iny ireo mpanara-dia izay tsy nanana hery intsony, dia nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ilay vatany naratra. Nesoesoina sy nozonina ary norabirabiana tsy nisy indrafo Izy. …

“Nandalo ireo ora nijalijaliana ary nihakely ny ainy. Nivoaka avy teo amin’ireo molony maina ny teny hoe,—Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.—…

“Afaka nandà ny Tompo tamin’ny ora farany. Saingy tsy nanao izany Izy. Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hahafahany mamonjy ny zavatra rehetra. Napetraka haingana nefa tamin’ny fomba malefaka tao amin’ny fasana nindramina iray ny vata-mangatsiakany.”

Filoha Thomas S. Monson (1927–2018), “Nitsangana Izy!” Liahona, mey 2010, 89.

Fampiharana ho an’ny tena manokana: Nizaka fanaintainana izay nampijalijaly, fanirery, ary hakiviana Izy, kanefa naharitra hatramin’ny farany ny Mpamonjy ary nahavita ny diany tety an-tany tamin’ny fomba mendrika, ary nangataka mihitsy aza Izy ny mba hamelan’ny Rainy an’ireo izay nanombo azy. Noho ny ohatra tonga lafatra nasehony dia afaka miatrika ny fitsapana sy fahoriana mianjady amintsika amin’ny fomba mendrika isika ary afaka maharitra hatramin’ny farany koa isika miaraka amin’ny fanampiany.

Ireo vavolombelon’ny Fitsanganany tamin’ny maty maro

Sary
Mary at the tomb

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? nataon’i Mark R. Pugh

“Izaho dia mino ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty maro, izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny zavatra niainan’izy ireo sy ny fijoroany ho vavolombelona, dia i Petera sy ireo namany tao amin’ny Roambinifololahy, ary i Maria Magdalena malala sy madio, ankoatra ny hafa. Mino ireo fijoroana ho vavolombelona hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho, ny an’i Nefia ilay Apôstôly niaraka tamin’ny valalabemandry tsy voalaza anarana tao amin’ny tanin’i Soafeno, ankoatra ny hafa. Ary mino ny fijoroan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ho vavolombelona aho, izay taorian’ireo tenivavolombelona maro, dia nanambara ilay fijoroana ho vavolombelona lehibe amin’izao fotoampitantanana farany izao manao hoe—Fa velona Izy! Fa hitanay Izy.—Eo ambany fijerin’ny maso matsilony, dia mijoro ho vavolombelona koa aho fa i Jesoa avy any Nazareta no ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty, ary ambarako fa marina ny zavatra rehetra izay vokatry ny fisian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Enga anie ianareo hahazo finoana matanjaka sy fahatoniana noho ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona toy izany.”

Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 114.

Fampiharana ho an’ny tena manokana: Na dia tsy anisan’ireo izay nahita ilay vatana nitsangana tamin’ny maty sy tonga lafatra an’ilay Mpanavotra aza isika dia mbola afaka mijoro ho vavolombelona momba Azy amin’izao fotoana izao. Afaka ny ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika foana Izy, na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza misy antsika. Isaky ny manolotra ny fontsika sy ny tanantsika mba hanompoana ny hafa isika; mampiseho hamoram-panahy, hatsaram-panahy sy fanajana amin’ny rehetra; miaro ny fahamarinana; mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara, dia mijoro ho vavolombelona marin’i Jesoa Kristy isika.

Tsy voatery handeha irery isika

Sary
Christ walking along the shores

Sombiny avy amin’ny Miaraha-mandeha Amiko, nataon’i Greg Olsen, tsy azo adika

“Isan’ny fampiononana lehibe amin’izao vaninandro Paska izao ny hoe, na dia nandeha irery tanteraka tamin’ny lalana lavitra sy mitokana aza i Jesoa, dia tsy voatery hanao izany isika. Ny dia manirery izay nataony dia nitondra namana maro eo amin’ilay lalantsika izay mitovy endrika amin’izany lalana izany fa somary kely: ilay fiahiana feno famindrampon’ny Ray any An-danitra, ilay fiarahana mafy orina amin’ilay Zanany Malalany, sy ilay fanomezan’ny Fanahy masina izay lehibe indrindra, ny anjelin’ny lanitra, ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny eto an-tany na ny any ambadiky ny voaly, ny mpaminany sy ny apôstôly, ny mpampianatra, ny mpitarika, ary ny namana. Ireo rehetra ireo ary ny ankoatra izay dia nomena mba ho namana mandritra ny diantsika eto an-tany noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany. Nolazaina mafy toy ny feon’ny anjomara avy eny an-tampon’i Kalvary ilay fahamarinana fa isika dia tsy mba havela irery velively na tsy hampiana, na indraindray aza isika mety mahatsiaro ho toy izany. …

“… Enga anie isika hijoro eo anilan’i Jesoa Kristy—amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra, mba ho eo [isika], ary mandra-pahafaty mihitsy aza,—satria tsy hihambahambana fa toy izany no nijoroany teo anilantsika rehefa maty ho antsika Izy sy tsy maintsy nijoro irery tanteraka.”

Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Tsy mba nisy niaraka Taminy,” Liahona, mey 2009, 88.

Fampiharana ho an’ny tena manokana: Amin’ity Paska ity, dia tsarovy ilay dia farany nataon’ny Mpamonjy irery. Nanao sorona ny zavatra rehetra nananany Izy mba hahafahanao sy ny olona rehetra eto an-tany ho lasa madio sy hanana ny fiainana mandrakizay. Mianarà avy amin’ny ohatra tonga lafatra nasehony. Tazony ao an-tsainao sy ao am-ponao Izy. Ary tsarovy lalandava fa tsy irery velively ianao. Noho Izy nizaka ilay diany farany tao anatin’ny fanirery tanteraka, dia tsy handao anao Izy. Tsy misy fetra ary tsy miova ny fitiavany anao, ary vonona foana ny hanolotra fiadanana sy fampiononana ary fanantenana ho anao Izy rehefa manohy ny dianao manokana ianao. Maharitra mandrakizay ny Sorompanavotana natolony ary nomena anao izany.