2018
Mahatsapa ho toy ny any an-trano indray
April 2018


Mahatsapa ho toy ny any an-trano indray

Judy Rascher, Colorado, Etazonia

Tsy vonona ny handray ilay antso an-tariby avy tamin’ny anadahiko aho. “Vao nodimandry teo i Neny,” hoy izy. “Nianjera izy dia voadona ny lohany.”

Tena taitra aho. Lasa ny reniko, kanefa vao ny omaly alin’izay aho no niresaka taminy. Nanontany tena foana aho hoe nahoana no nitranga izany. Tsy azoko mihitsy ny antony tsy maintsy nandaozany ahy. Tezitra aho! Tsy afaka tao an-tsaiko ny hatezerako nandritra ny herinandro maromaro.

Taty aoriana dia nanapa-kevitra aho ny amin’izay homeko tsiny amin’izany. Hadisoan’ Andriamanitra izany. Nesoriny lavitra ahy aloha loatra izy. Be dia be ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny fiainako izay tsy hitan’ny reniko, ka nihevitra aho fa Izy no nahatonga izany. Tsy mpikamban’ny Fiangonana aho tamin’izany, kanefa Kristianina nahatoky aho. Raha tokony hiantehitra tamin’ Andriamanitra aho mba hahazo tanjaka, dia naleoko nanome lamosina Azy sy nanaisotra Azy teo amin’ny fiainako.

Tena nalahelo ny reniko aho. Rehefa nihalehibe aho dia toerana azo antoka ny tokantrano nisy ahy sy ny ray aman-dreniko. Na taiza no nisy ahy na inona ny zavatra nataoko dia nahatsapa ho toy ny tany an-trano aho isak’izay niresaka tamin’ny reniko na niaraka taminy. Ankehitriny dia tsy eo intsony izany fahatsapana ho toy ny “any an-trano” izany.

Lasa ny taona, ary efa saika tsy nanam-pinoana intsony aho. Niezaka nanakatra ny antony tsy maintsy nahafatesan’ny reniko aho, saingy tsy nisy na inona na inona nitondra fiadanana ho ahy. Avy eo, tokotokony ho nandritra ny herinandro teo ho eo, dia niverimberina tato an-tsaiko ity eritreritra ity: Nila nikatsaka fahatakarana avy amin’ Andriamanitra aho. Notantaraiko tamin’ny namako iray tena tiako izay mpikamban’ny Fiangonana izany. Nanontany ahy izy raha mba tiako ny hianatra bebe kokoa momba ny fivavahany.

Tsy fantatro teo no ho eo, fa namoha ahy tamin’ny torimaso lalina ny Fanahy. Arakaraka ny nahafantarako zavatra bebe kokoa momba ny filazantsara no nahatsapako fa nahita toerana azo antoka indray aho. Niverina ilay fahatsapana ho toy ny “any an-trano.”

Natao batisa tamin’ny mey 2013 aho. Feno fankasitrahana aho fa niverina ny finoako. Tsy manome lamosina an’ Andriamanitra intsony aho izao. Nikatsaka ny hanana fifandraisana matanjaka Aminy kosa aho. Mbola malahelo noho ny fahalasanan’ny reniko tampoka aho, kanefa noho ny finoako an’ Andriamanitra dia fantatro fa mbola ho “ao an-trano” mandrakizay miaraka amin’ny reniko sy ny fianakaviako indray aho.