2018
Manakatra ny fivavahana Silamo
April 2018


Manakatra ny fivavahana Silamo

Sary
mosaic of kaaba in mecca

Sary avy amin’ny Getty Images

Rafi-bato madinika samy hafa volo tamin’ny taonjato faha-19 izay mampiseho ny Kaaba any La Mecque, ilay tanàna izay nahaterahan’i Mahomet ary tanàna faran’izay masina indrindra ao amin’ny tontolo Silamo.

Saika tsy misy andro iray, na noho ny antony tsara na ratsy izany, tsy ahitana ny Silamo sy ny Mozolmana ao anatin’ireo lohatenim-baovao. Mazava ho azy fa maro ireo tsy Mozolmana, tafiditra ao anatin’izany ireo Olomasin’ny Andro Farany, no liana na miahiahy mihitsy aza. Misy zavatra iraisantsika amin’ireo Mozolmana mpiara-monina amintsika ve? Afaka miara-miaina sy miara-miasa ve isika?

Voalohany, dia mety hanampy ireo zava-niseho sasantsasany ara-tantara.

Tamin’ny 610 taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy dia nisy Arabo mpivarotra teo anelanelan’ny efapolo hatramin’ny enimpolo taona teo, izay nantsoina hoe Mahomet, nianika ny havoana teo ambonin’ny tanàna nahaterahany dia i La Mecque mba hisaintsaina sy hivavaka mikasika ny fisafotofoana ara-pivavahana nanodidina azy. Taorian’izany dia nilaza izy fa nahita fahitana izay niantso azy ho mpaminany iray eo anivon’ny olony. Io zava-niseho io no nanamarika ny fiantombohan’ilay fivavahana izay fantatra amin’ny hoe Silamo (iss-LAAM) izay teny iray midika hoe “fanoavana” (an’ Andriamanitra). Ny mpino iray ao amin’ny fivavahana Silamo dia antsoina hoe Mozolmana (MUSS-lim) izay midika hoe “olona manoa.”

Taorian’izany dia nilaza i Mahomet fa nandray fanambarana maro mandra-pahatonga ny fahafatesany izay 25 taona latsaka taty aoriana. Ny voalohany nizarany izany dia ireo mponina tao amin’ny tanàna nahaterahany, ka nampitandrina ny amin’ireo fitsarana avy any an-danitra izay ho avy izy; niantso ny olona nihaino azy mba hibebaka sy hitondra araka ny tokony ho izy ny mananotena, sy ny kamboty ary ny mahantra; ary nitory ny fitsanganan’ny rehetra amin’ny maty sy ny fitsaran’Andriamanitra farany.

Saingy nianjadian’ny fanarabirabiana sy ny fanenjehana tena mafy izy sy ny mpanara-dia azy ka voatery nitsoaka tany amin’ny tananàn’i Médine izy ireo izay eo amin’ny efatra andro eo mankany avaratra raha mitaingina rameva.

Dia niova tanteraka ny anjara asan’i Mahomet tany.1 Raha mpitory sy mpampitandrina fotsiny ihany izy dia lasa mpanao lalàna sy mpitsara ary mpitarika ara-pôlitika tao amin’ny tanàna Arabo iray izay manan-danja ary rehefa nandeha ny fotoana dia lasa mpitarika ara-pôlitika tao amin’ny Péninsule arabique. Io fiorenan’ny fikambanana mpino anankiray tany am-piandohana io dia nahafantarana ny Silamo ho fivavahana mifototra amin’ny lalàna sy ny fahamarinana izay mitoetra eo anivon’ireo fitsipika tena miavaka sy manan-danja ijoroany.

Nisy vondrona anankiroa lehibe nipoitra teo anivon’ireo mpanara-dia an’i Mahomet taorian’ny nahafatesany tamin’ny 632 taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, izay nisaraka tamin’ny voalohany noho ny fanontaniana hoe iza no hisolo azy mba ho mpitarika ny fikambanana Silamo.2 Ny vondrona lehibe indrindra tamin’izy ireo dia lasa nantsoina hoe Sunnite (milaza izy ireo fa manaraka ny sunna, na ny fomba amam-panaon’i Mahomet ary malala-tsaina ihany eo amin’ny lafin’ny fifandimbiasan-toerana). Ilay iray hafa, izay nivelatra nanodidina an’i ‘Ali, vinantolahin’i Mahomet, dia nantsoina hoe shi‘at ‘Ali (ny vondrona an’i ‘Ali) ary fantatra tsotra fotsiny amin’ny ankapobeny hoe Shi‘a. Ireo Shi‘a (izay fantatra amin’ny hoe Chiite na Chiite Musulmans) dia mino fa ny zo handimby an’i Mahomet mba ho mpitarika ilay fikambanana dia an’ny havana akaiky indrindran’ny Mpaminany Mahomet, dia i ‘Ali sy ireo mpandova azy.

Na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitra toy izany dia efa lasa miray hina bebe kokoa ny antokom-pinoana Silamo raha eo amin’ny lafiny ara-pinoana noho ny Kristianina eran-tany. Ankoatra izany, nandritra ny taonjato maro taorian’ny 800 taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy teo ho eo, dia ny sivilizasiôna Silamo angamba no tena nivoatra indrindra teo amin’ny lafin’ny siansa, fitsaboana, matematika ary filôzôfia.

Loharano nipoiran’ny fotopampianarana sy fomba amam-panao Silamo

Ireo fanambarana nambaran’i Mahomet dia natambatra ao anatin’ny boky iray antsoina hoe Qur’an na Coran (avy amin’ny matoanteny Arabo hoe qara’a, “mamaky” na “mitanisa”), folo taona na roapolo taona talohan’ny nahafatesany. Ny Coran izay ahitana toko miisa 114, dia tsy tantara momba an’i Mahomet. Tsy tantara mihitsy izany, mitovitovy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo Mozolmana dia mandray izany ho toy ny teny (sy ireo teny) nomen’ Andriamanitra mivantana an’i Mahomet.3

Sary
reading the quran

Ireo Kristianina mamaky izany dia hahita lohahevitra efa fantatr’izy ireo. Izany ohatra dia miresaka momba ny faharian’ Andriamanitra an’izao tontolo izao tao anatin’ny fito andro, ny fametrahana an’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena, ny fakam-panahy nianjady tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny devoly, ny fahalavoan’izy ireo, ary ny fiantsoana filaharana mpaminany taty aoriana (ny ankamaroan’izy ireo dia miseho koa ao amin’ny Baiboly). Ireo mpaminany ireo dia voafaritra ho Mozolmana ao anatin’ny Coran izay nampandefitra ny sitrapon’izy ireo teo anatrehan’ Andriamanitra.

I Abrahama, izay faritana ho naman’ Andriamanitra, dia resahina matetika ao amin’ny lahatsoratra.4 (Ankoatra ireo zavatra hafa, izy dia inoana ho nandray fanambarana izay nosoratany saingy very izany.5) Mitana anjara toerana ao anatin’izany koa i Mosesy sy i Farao ary ny fifindra-monin’ny zanak’i Isiraely.

Ny tena mahagaga dia voalaza inefatra amby telopolo ao amin’ny Coran i Maria, renin’i Jesoa, raha intsivy ambin’ny folo kosa ao amin’ny Testamenta Vaovao. (Raha ny marina dia izy irery ihany no vehivavy voalaza ao amin’ny Coran.)

Ny fampianarana iray ao amin’ny Coran izay miverimberina dia ny fotopampianarana tawhid (taw-HEED), izay teny mety azo adika hoe “mônôteisma” na, raha ara-bakiteny kokoa, dia hoe “tokana.” Izany dia maneho ny iray amin’ireo fitsipika tena manan-danja an’ny Silamo: fa tsy misy afa-tsy andriamanitra tokana ihany. “Tsy manan-janaka izy ary tsy zanak’olona hafa izy,” hoy ny ambaran’ny Coran, “ary tsy misy hafa mitovy aminy.”6 Ny zavatra aterak’izany dia azo antoka fa ilay zavatra faran’izay tsy mampitovy ny Silamo sy ny Kristianina: Ny Mozolmana dia tsy mino ny fananan’i Jesoa Kristy toetra maha-andriamanitra ary tsy mino ny Fanahy Masina. Izany koa dia maneho fa raha noharian’ Andriamanitra koa ny olombelona rehetra, dia tsy zanany isika araka ny fotopampianarana Silamo.

Kanefa ny Mozolmana dia mino fa i Jesoa dia mpaminanin’ Andriamanitra izay tsy nanota, sy nateraky ny virjiny iray ary natao hitana anjara asa lehibe ao anatin’ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany. Resahina matetika ary amim-panajana ao amin’ny Coran Izy.

Fampianarana sy fomba amam-panao fototra an’ny Mozolmana

Ilay antsoina hoe “Ireo andry dimy ijoroan’ny Silamo”, izay tsy ao anaty Coran fa tena voafintina fohy ao amin’ny fanambarana iray izay nisy noho i Mahomet raha araka ny nampitain’ny lovantsofina, dia maneho ireo fotopampianarana fototra sasantsasany an’ny Silamo:

1. Fijoroana ho vavolombelona

Raha misy fanekem-pinoana iraisana ao amin’ny Silamo dia ny shahada (sha-HAD-ah) izany, izay “fanekem-pinoana,” na “fijoroana ho vavolombelona.” Io teny io dia ilazana raikitsoratra Arabo izay rehefa nadika dia manao toy izao manaraka izao: “Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra [Allah] ihany ary iraka avy amin’ Andriamanitra i Mahomet.” Ny shahada no fomba hidirana ao amin’ny Silamo. Ny fitanisana izany miaraka amin’ny finoana amin-kitsimpo dia fanehoana fa te ho lasa Mozolmana.

Ny teny Arabo mitovy amin’ny hoe Andriamanitra dia Allah. Fanafohezana ny teny hoe al- (“ilay”) sy ilah (“andriamanitra”) izany, tsy anaran-tsamirery izany fa anaram-boninahitra, ary misy ifandraisany akaiky amin’ilay teny Hebreo hoe Elohima izany.

Satria tsy misy fisoronana an’ny Silamo dia tsy misy ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Dia tsy iray monja koa ny “fiangonana” Silamo. Noho izany ny fitanisana ny shahada amin’ny lafiny iray dia mitovy amin’ny batisa ho an’ny Silamo. Ny tsy fisian’ny rafitry ny mpitantana ôfisialy iraisana maneran-tany dia mifono zavatra hafa. Ohatra, tsy misy mpitantana maneran-tany ho an’ny tontolo Mozolmana. Tsy misy olona izay miteny ho an’ny fikambanana iray manontolo. (I Mahomet dia saika raisin’izao tontolo izao ho toy ny mpaminany farany.) Midika koa izany fa tsy misy fiangonana izay ahafahana manala ireo mpampihorohoro na “mpanaraka hevi-diso” tsy ho mpikambana ao anatiny.

2. Vavaka

Sary
ritual prayer

Maro ireo tsy mpino Mozolmana no mahafantatra ilay fomba fivavaka indimy isan’andro fanaon’ny Mozolmana antsoina hoe salat (sa-LAAT) izay ahitana fiankohofan’ny vatana amin’ny isa efa voafaritra. Ny fitanisana andininy voasoratra ao amin’ny Coran sy ny fikasihan’ny handrina ny tany dia mampiseho ny fanoavana an’ Andriamanitra. Misy vavaka mandeha ho azy kokoa, antsoina hoe du‘a, izay azo atolotra amin’ny fotoana rehetra ary tsy mitaky fiankohofana.

Ho an’ny vavaky ny mitataovovona isaky ny zoma, dia takina ny lehilahy Mozolmana ary entanina ny vehivavy Mozolmana mba hivavaka any amin’ny mosquée (avy amin’ny teny Arabo hoe masjid, na “toerana fiankohofana”). Rehefa ao dia misaraka ny lehilahy sy ny vehivavy, mitandahatra izy ireo ary mivavaka ka tarihin’ilay imam (ee-MAAM, avy amin’ny teny Arabo hoe amama, izay midika hoe “eo anoloan’ny”) ao amin’ilay mosquée, dia mihaino toriteny fohy. Ny zoma anefa dia tsy dia mitovy amin’ny Sabata. Na dia mifantoka amin’ny yawm al-jum‘a (“ny andro fiangonana”) na zoma aza ny “faran’ny herinandro” any amin’ny ankamaroan’ny firenena Mozolmana, dia tsy raisina ho fahotana ny fiasana amin’izany andro izany.

3. Fiantrana

Ny Zakat (za-KAAT, midika hoe “izay manadio”) dia mariky ny fanolorana fanomezana amim-pitiavana mba hanohanana ny mahantra ary koa ireo mosquées sy ireo andraikitra hafa sahanin’ny Silamo. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 2,5 isan-jaton’ny totalin’ny harenan’ny Mozolmana iray izany izay ambonin’ny vola farafahakeliny tokony harotsaka. Any amin’ny firenena Mozolmana sasany dia angonin’ny andrimpanjakana izany. Any amin’ny hafa dia atao an-tsitrapo izany.

4. Fifadian-kanina

Isan-taona ireo Mozolmana mahafoy tena dia tsy misakafo sy misotro rano ary tsy manao firaisana ara-nofo vao manomboka miposaka ny masoandro mandra-pilentik’izany mandritra ny fandalovan’ny volana iray mandra-pahatonga ny iray hafa ao anatin’ny volan’ny Ramadan iray manontolo. Matetika koa izy ireo no manolo-tena manao asa fiantrana manokana ho an’ny mahantra ary mamaky ny Coran mandritra ilay volana.7

5. Fivahinianana amin’ny toerana masina

Sary
Mecca

Ireo Mozolmana izay manana ny harena sy ny enti-manana ahafahana manao izany dia tokony hanatanteraka ilay fivahinianana any La Mecque farafahakeliny indray mandeha eo amin’ny fiainan’izy ireo. (Tafiditra ao anatin’izany raha ny mahazatra nefa tsy takina ny fitsidihina an’i Médine, izay tanàna faharoa tena masina indrindra amin’ny Silamo.) Ho an’ireo Mozolmana mahatoky dia fotoana tena masina sy mampihetsi-po izany, mitovy amin’ny fanatrehan’ny tena manokana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na ny fidirana voalohany indrindra ny tempoly.

Ireo olana sasantsasany misy amin’izao fotoana izao

Ireo ahiahy telo lehibe ankehitriny ho an’ny olona tsy Mozolmana mikasika ny Silamo dia ny herisetra ara-pivavahana; ny lalàna Silamo na shari‘a; ary ny fitondran’ny Silamo ny vehivavy.

Ireo mpankasitraka ny herisetra ara-pôlitika sasany dia nampiasa ny teny hoe jihad mba hoentina hilazana manokana ny hoe “ady masina,” kanefa “asa mivaingana azo tanterahina,” ny dikany raha ny marina izay mifanohitra amin’ny fanaovana vavaka sy fandalinana soratra masina “tsotra fotsiny.”

Niovaova ny fahatakaran’ireo mpahay lalàna sy manam-pahaizana Mozolmana ny jihad. Raha ireo loharanon-dalàna mahazatra ohatra dia manohana fa ny miaramila jihad azo ekena dia tsy maintsy miaramila miaro ary ny mpanohitra dia tsy maintsy ampitandremana aloha ary omena fahafahana hampitsahatra ireo fihetsika mihantsy ady. Ireo mpahay lalàna sasany sy manam-pahaizana Mozolmana hafa amin’izao fotoana izao dia manohitra fa ny jihad dia afaka manao izay zavatra azo tanterahana mba hitondra soa ho an’ny fikambanana Silamo na mba hampivoarana bebe kokoa an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. Voalaza fa i Mahomet dia nanavaka tsara ny “jihad ambony” sy ny “jihad ambany.” Ilay farany io hoy izy dia fanaovana ady. Saingy ilay jihad ambony dia fiadiana amin’ny tsy fahamarinana sy ny fanoheran’ny olona tsy hiaina amim-pahamarinana koa.

Amin’izao fotoana izao ny mpampihorohoro silamo dia manamafy ny fototra ijoroana ara-pinoana, kanefa tena mampiseho ireo olana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika ary ara-toekarena izany izay zara raha misy ifandraisany na tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny finoana izany raha ny marina.8 Ankoatra izany dia zava-dehibe ny manamarika fa ny maro an’isa ao amin’ny tontolo Mozolmana dia tsy niaraka tamin’ireo mpampihorohoro ao anatin’ny herisetrany.9

Ny Shari‘a dia zavatra iray hafa mampiahiahy ny olona tsy Mozolmana. Avy amin’ny Coran sy ny hadith, izay tatitra fohy mikasika ny zavatra nolazain’i Mahomet sy ireo mpiara-miasa taminy akaiky indrindra sy nataony izay manome maodelin’ny fitondrantena Mozolmana ary koa manampy sy manazava andininy avy ao amin’ny Coran, dia fitsipi-pitondrantenan’ny Mozolmana.10 Ny lalàna mifehy ny akanjon’ny lehilahy sy ny vehivavy (toy ny hijab, na voaly) dia hita ao amin’ny shari‘a. Raha nohamafisina izany any amin’ny firenena Mozolmana sasantsasany, dia miankina amin’ny safidin’ny tsirairay kosa izany any amin’ny firenena hafa. Ny Shari‘a koa dia miresaka zavatra tahaka ny fahadiovan’ny vatana manokana, ny fotoana hivavahana sy ny tokony ho ao anatin’ny vavaka ary ireo lalàna mikasika ny fitantanana ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ary ny fandovana. Noho izany rehefa mampiseho ao anatin’ny fanadihadiana ireo Mozolmana fa te ho fehezin’ny lalàna shari‘a izy ireo, dia mety fanambarana pôlitika no ataon’izy ireo na mety tsy izany. Mety milaza fotsiny izy ireo fa maniry ny hiaina fiainana Mozolmana marina.

Sary
woman wearing the hijab

Olona maro tsy Mozolmana no rehefa mieritreritra ny fitondran’ny silamo ny vehivavy, dia tonga dia mieritreritra ny fananana vady maro sy ny voaly. Saingy tena sarotra kokoa ny zava-misy ara-kolontsaina. Andininy maro ao amin’ny Coran no manambara fa mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy, kanefa misy ny sasany toa manome andraikitra ambany azy ireo. Azo antoka fa misy fomba amam-panao any amin’ny firenena silamo maro, matetika avy amin’ny kolontsain’ny foko nialoha ny Silamo na ireo fombafomba efa nisy teo aloha, izay mandray ny vehivavy ho toy ny mpanaraka ambokony. Kanefa miovaova ny fomba fijerin’ny Mozolmana ny vehivavy.

Ny fahitan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Silamo

Na dia samy hafa aza ny finoantsika, dia ahoana no ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany miroso eo amin’ny fanorenana fifandraisana amin’ny Mozolmana?

Voalohany indrindra dia tokony ho fantatsika ny fananan’ny Silamo zo mba “hanompo na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany” (Fanekem-pinoana 1:11). Tamin’ny 1841, ireo Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo dia nandany era lalàna iray mikasika ny fahalalahana ara-pivavahana izay manome antoka ny “fandeferana malalaka sy ny fahazoana tombontsoa mitovy” ho an’ireo “Katôlika, Piresbiteriana, Batista, Olomasin’ny Andro Farany, mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana Quakers, mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana Episkôpaly, mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana Mpampanjaka ny hevitry ny rehetra, mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana manome fahafahana ny rehetra mba hino izay tiany, mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana manaraka an’i Mahomet [Mozolmana], ary ireo antokom-pivavahana sy fiangonana hafa rehetra na iza na iza izany.”11

Tokony hotsaroantsika koa fa ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny dia naneho fankasitrahana miavaka tsara an’ilay nanorina ny fivavahana Silamo. Tamin’ny 1855, ohatra, nandritra ny fotoana iray nanamelohan’ny Kristianina maro an’i Mahomet ho toy ny antikiristy, dia nizara lahateny lava ny Loholona George A. Smith (1817–75) sy ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tsy hoe naneho fahatakarana ny tantaran’ny Silamo tamin’ny fomba mifono fampahalalana maro sy ara-drariny fotsiny izay niavaka tokoa fa nidera an’i Mahomet koa. Nilaza ny Loholona Smith fa i Mahomet “dia azo antoka fa natsangan’ Andriamanitra mba hitory ny fanoherana ny fanompoan-tsampy”, ary naneho fironam-po tamin’ny Silamo izy, izay toy ny Olomasin’ny Andro farany, dia manana fahasarotana eo amin’ny “fahazoana tantara marina” voasoratra mikasika azy ireo. Rehefa tonga dia nandray fitenenana taorian’izay ny Loholona Pratt, dia naneho ny fitiavany ireo fampianaran’i Mahomet izy sy ireo fitsipi-pitondrantena sy rafitra manorina ny fiarahamonina Silamo.12

Nisy fanambarana ôfisialy kokoa avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izay nivoaka vao haingana tamin’ny 1978. Nilaza manokana an’i Mahomet ho anisan’ireo “mpitondra fivavahana lehibe teto amin’izao tontolo izao” izany, izay toa azy ireo dia “nandray ampahany tamin’ny hazavan’ Andriamanitra izy. Nanoratra ny Filoha Spencer W. Kimball, N. Eldon Tanner, sy Marion G. Romney hoe: “Nomen’Andriamanitra fahamarinana ara-pitondrantena [ireo mpitarika ireo] mba hanazava ny firenena iray manontolo sy hitondra fahatakarana ambony ho an’ny olona tsirairay.”13

Manao asa miainga amin’ny fototra iraisana

Na dia miharihary fa misy ireo zavatra manan-danja tsy mampitovy ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Mozolmana, indrindra ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy Azy ary ny fiantsoana ireo mpaminany maoderina, dia misy zavatra maro itoviantsika. Isika ohatra dia samy mino fa tompon’ andraikitra ara-pitondrantena eo anatrehan’ Andriamanitra, sy tokony hikatsaka fahamarinan-toetran’ny tena manokana ary fiaharamonina tsara sy marina, ary hitsangana amin’ny maty sy hoentina eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina.

Sary
family

Ny Mozolmana sy ny Olomasin’ny Andro Farany dia samy mino ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana mafy orina sy ilay didy masina mba hanampy ny mahantra sy ny sahirana ary isika dia mampiseho ny finoantsika amin’ny alalan’ny asa maneho ny maha-mpianatra. Toa tsy misy antony tsy ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Mozolmana miara-dalana miaina izany, ary raha misy ny fahafahana miseho eo anoloan’izy ireo, dia afaka miara-miasa mihitsy aza izy ireo any amin’ireo fiarahamonina, izay ahitana fa mihabetsaka izy ireo no lasa mpifanolobodirindrina ao anatin’ity izao tontolo izao ity izay mihamitombo ny tsy finoana. Afaka miaraka maneho isika fa ny finoana dia afaka ny ho hery matanjaka hanaovana ny tsara fa tsy loharanon’ny ady tsotra fotsiny na loharanon’ny herisetra mihitsy, araka ny filazan’ireo mpitsikera sasany.

Ny Coran dia manolotra fomba hiarahana miaina amim-piadanana na dia eo aza ireo zavatra tsy mampitovy antsika: “Raha ny sitrapon’Andriamanitra dia afaka nampiray anareo tao anatin’ny fiarahamonina iray monja Izy. Saingy naniry ny hisedra anareo tamin’ny zavatra nomeny anareo Izy. Noho izany, aoka ianareo hifaninana amin’ny fanaovana asa tsara. Hiverina any amin’ Andriamanitra daholo ianareo rehetra ary hampahafantatra anareo ny mikasika ireo zavatra tsy nitovianareo hevitra Izy.”14

Fanamarihana

  1. Raha ny marina tamin’ny 622 taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, taona nanaovan’i Mahomet Hijra na fifindra-monina tany Médine, no taona fototra iaingan’ny (Hijri) tetiandron’ny Mozolmana, ary ireo fanambarana voangona ao amin’ny Coran dia voasokajy hoe tany La Mecque na tany Médine.

  2. Tao anatin’ny taonjato maro dia nihanisaraka ireo vondrona roa noho ireo olana fanampiny hafa koa.

  3. Ny zavatra tena niavaka anefa, na dia azo atao aza ny fandikana ny Coran amin’ny fiteny maro, dia ilay amin’ny teny Arabo tany am-piandohana ihany no raisina ho ilay Coran sy soratra masina ankatoavina.

  4. Jereo ny Coran 4:125.

  5. Jereo ny Coran 53:36-62; 87:9-19; jereo koa ny Daniel C. Peterson, “News from Antiquity,” Ensign, Jan. 1994, 16–21.

  6. Jereo ny Coran 112:3-4. Ireo dikanteny avy ao amin’ny Coran dia avy amin’i Daniel C. Peterson.

  7. Ireo edisiônan’ny Coran nankatoavina dia misy fizarana miisa 30 izay mitovy noho io antony io indrindra.

  8. Jereo mba hahitana ohatra ny Robert A. Pape, Dying to Win: The Strategic Logic of Suicide Terrorism (2005); Graham E. Fuller, A World without Islam (2010); Robert A. Pape sy James K. Feldman, Cutting the Fuse: The Explosion of Global Suicide Terrorism and How to Stop It (2010).

  9. Jereo ny Charles Kurzman, The Missing Martyrs: Why There Are So Few Muslim Terrorists (2011); jereo koa ny John L. Esposito and Dalia Mogahed, Who Speaks for Islam? What a Billion Muslims Really Think (2008); James Zogby, Arab Voices: What They Are Saying to Us, and Why It Matters (2010).

  10. Somary mitovy amin’ny lalàna rabbinique ao amin’ny fivavahana Jiosy izany.

  11. Ordinance in Relation to Religious Societies, Tanànan’i Nauvoo, [Illinois] foiben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1 martsa 1841.

  12. Jereo ny Journal of Discourses, 3:28–42.

  13. Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 15 feb. 1978. Tao anatin’ny fitondrany fanitsiana tao amin’ny Introduction to the Qur’an (1970) nataon’i Richard Bell, i W. Montgomery Watt, izay manam-pahaizana manana ny maha-izy azy momba ny Silamo ary pretra Angilikana, dia nanolotra fomba azo atao iray izay ahafahan’ny Kristianina mpino iray hanana fomba fijery ny Coran ho toy ny manentana ny fanahy izy.

  14. Coran 5:48; ampitahao amin’ny 2:48.