2018
Eo am-pandrosoantsika miaraka
April 2018


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Eo am-pandrosoantsika miaraka

Sary
new First Presidency

Ry rahalahy sy anabavy malala, amim-panetrentena no hiarahako aminareo eto amin’izao maraina izao. Efatr’andro lasa izay dia nandevina lehilahy nanana ny maha-izy azy iray sy mpaminanin’ Andriamanitra isika, dia ny Filoha Thomas S. Monson izany. Tsy misy teny tena ahafahana tsara mamaritra ny halehiben’ny fiainany sy ny hatsaran’ny fiainany. Holalaiko mandrakizay ilay finamananay miaraka amin’ny fankasitrahana ireo zavatra nampianariny ahy. Ankehitriny isika dia tsy maintsy mijery ny hoavy miaraka amin’ny finoana tanteraka an’i Jesoa Kristy Tompo, izay Izy no tompon’ity Fiangonana ity.

Roa andro lasa izay dia nivory tany amin’ny efitrano any amin’ny rihana ambony ao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ireo Apôstôly velona rehetra. Nisy fanapahan-kevitra neken’izy rehetra tao. Ny voalohany dia ny fandaminana indray ny Fiadidiana Voalohany amin’izao fotoana izao ary ny faharoa dia ny hanompoako mba ho Filohan’ny Fiangonana. Tsy ampy ny teny mba hanambarako aminareo izany hoe mahita ireo Rahalahiko, Rahalahy izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’izao fotoampitantanana izao, mametraka ny tanan’izy ireo eo ambonin’ny lohako mba hanendry ahy sy hanokana ahy ho Filohan’ny Fiangonana. Traikefa masina sy mampanetry tena izany.

Avy eo dia lasa andraikitro ny namantatra izay nomanin’ny Tompo mba ho mpanolotsaina ahy. Ahoana no ahafahako misafidy roa monja amin’ireo Apôstôly Roambinifolo hafa izay samy tena tiako daholo? Feno fankasitrahana lalina ny Tompo aho noho ny famaliany an’ireo vavaka tamin-kafanampo nataoko. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahavononan’ny Filoha Dallin Harris Oaks sy ny Filoha Henry Bennion Eyring mba hiara-hanompo amiko ho Mpanolotsaina Voalohany ary ho Mpanolotsaina Faharoa araka ny filaharan’ny nanononako ny anarany. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nandray ny toerany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Efa nahazo andraikitra lehibe sahady izy izay izy ihany no afaka manatanteraka azy.

Mankasitraka azy sy ny Filoha Eyring aho noho ny asa fanompoana miavaka nataon’izy ireo tamin’ny naha-mpanolotsaina ny Filoha Monson azy ireo. Tena nahavita azy sy nahafoy tena ary nentanin’ny Fanahy izy ireo. Tena feno fankasitrahana azy ireo isika. Samy vonona ny hanompo any amin’izay tena ilana azy tsirairay avy izy ireo izao.

Amin’ny maha-Apôstôly faharoa ela niasana azy indrindra, ny Filoha Oaks dia lasa Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Kanefa noho ny antsony ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, sy araka ny Lamin’ny Fiangonana, ny Filoha M. Russell Ballard, izay Apôstôly manaraka ela niasana indrindra no ho lasa Filoha Mpisolo toerana an’izany kôlejy izany. Ny Fiadidiana Voalohany dia hiara-hiasa akaiky amin’ny Roambinifololahy mba hamantarana ny sitrapon’ny Tompo sy mba hampandrosoana ny asany masina.

Mankasitraka ireo vavaka nataonareo izahay. Natolotry ny olona manerana an’izao tontolo izao ho anay izy ireo. Ny ampitso maraina taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Monson, dia nisy vavaka toy izany izay natolotry ny ankizilahy kely efa-taona nantsoina hoe Benson. Hovakiko ny sombiny avy tao amin’ny taratasin-dreniny izay nalefa ho an’i Wendy vadiko. Nivavaka i Benson hoe: “Andriamanitra Ray ô! Misaotra anao fa afaka ny hahita ny vadiny indray ny Filoha Thomas S. Monson. Misaotra anao noho ny mpaminaninay vaovao. Ampio izy mba ho feno herimpo fa tsy hatahotra hoe vaovao. Ampio izy mba hivoatra ao anatin’ny fahasalamana sy tanjaka. Ampio izy mba hanana hery satria manana ny fisoronana izy. Ary ampio izahay mba ho tsara fanahy foana.”

Misaotra an’ Andriamanitra aho noho ny ankizy tahaka izany sy noho ny ray aman-dreny izay matotra eo amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo ho marin-toetra sy hanao ny andraikiny amin’ny maha-ray aman-dreny, ary misaotra ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpikambana rehetra izay milanja enta-mavesatra nefa manompo amim-pahavitrihana tokoa. Amin’ny teny hafa dia tena mankasitraka amim-panetrentena anareo tsirairay avy aho.

Ny Tompo no mitarika.

Sary
current Quorum of the Twelve Apostles

Amin’izao isika miara-mandroso izao dia manasa anareo aho mba hieritreritra ilay fomba tena tsara hitantanan’ny Tompo ny Fiangonany. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia tsy misy zavatra afenina mikasika an’izay ho antsoina manaraka mba hanompo eo amin’izany toerana izany. Tsy misy ny teti-pifidianana, na fampielezan-kevitra, fa ilay lamina manginan’ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fifandimbiasan-toerana izay napetrak’Izy Tompo fotsiny ihany.

Ny andro tsirairay hanaovan’ny Apôstôly asa fanompoana dia andro fianarana sy fiomanana handray andraikitra bebe kokoa amin’ny ho avy. Mitaky asa fanompoana am-polo taonany maro ho an’ny Apôstôly iray izay tsy mbola ela niasana ny miakatra ho Apôstôly efa ela niasana indrindra ao anatin’ilay vondrona. Mandritra izany fotoana izany dia mahazo traikefa mivantana avy amin’ireo lafin-javatra tsirairay hita ao anatin’ny asan’ny Fiangonana izy. Lasa mahafantatra tsara an’ireo olona eto amin’izao tontolo izao izy, tafiditra ao anatin’izany ny tantaran’izy ireo, ny kolontsain’izy ireo, ny fitenin’izy ireo noho ireo asa ampandraiketina izay mampiverina azy mitety an’izao tontolo izao. Tsy manan-tsahala izany lamin’ny fifandimbiasan-toerana eo amin’ny fitarihana ny Fiangonana izany. Tsy mahafantatra hafa mitovy amin’izany aho. Tsy tokony hahagaga antsika izany satria Fiangonan’ny Tompo ity. Tsy miasa araka ny fomba fanaon’ny olona Izy.

Nanompo tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana teo aloha miisa dimy aho. Nahita ny Filoha tsirairay nahazo fanambarana sy nandray andraikitra teo anatrehan’izany fanambarana izany aho. Ny Tompo dia nanome torolalana sy nanentana ny fanahin’ireo mpaminaniny foana ary mbola hanome torolalana sy hanentana ny fanahin’izy ireo foana. Ny Tompo no mitarika. Izahay izay notendrena mba hijoro ho vavolombelona momba ny Anarany Masina manerana an’izao tontolo izao dia hanohy hikatsaka ny hamantatra ny sitrapony sy hanaraka izany.

Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
taking the sacrament

Ankehitriny dia izao no lazaiko amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.

Amin’ny maha-Fiadidiana vaovao anay, dia te hanomboka miaraka amin’ilay tanjona farany ao an-tsainay izahay. Noho izany antony izany no iresahanay aminareo miainga avy eto amin’ny tempoly androany. Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Raha niala teo amin’ilay lalana ianao, dia manasa anao miaraka amin’ny fanantenana rehetra ato anatin’ny foko aho mba hiverina. Na inona na inona olana na fanamby atrehanao dia misy toerana ho anao ato amin’ity Fiangonan’ny Tompo ity. Ianao sy ireo taranaka mbola tsy teraka dia ho voatahy amin’ny alalan’ny asa hataonao ankehitriny mba hiverina eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana. Tian’ny Raintsika any An-danitra ny zanany ary tiany isika rehetra mba hiverina hody any Aminy. Izany no tanjona goavan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia ny hanampy ny tsirairay amintsika mba hiverina hody.

Maneho ny fitiavako lalina anareo aho, fitiavana izay nitombo tao anatin’ny fihaonana taminareo sy tao anatin’ny fiarahana mitsaoka aminareo ary tao anatin’ny fanompoana anareo am-polo taonany maro izay. Ny adidy masina iantsorohantsika dia ny handeha manerana ny firenena ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra mba hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Izany dia hataontsika amim-pinoana an’i Jesoa Kristy Tompo, noho ny fahafantarana fa Izy no tompon’andraikitra. Asany sy Fiangonany ity. Mpanompony isika.

Ambarako ny fanoloran-tenako amin’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanany. Fantatro sy tiako Izy ireo ary manome toky aho fa hanompo Azy ireo, sy ianareo mandritra ny androm-piainako sisa. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.